Surah Al-Mutaffifin pdf — Alaino (Malagasy)
Surah Al-Mutaffifin pdf Malagasy — Alaino Surah Al-Mutaffifin Fandikana. Surah Al-Mutaffifin (Meccan) 36 Andininy.
Related
- Surah Al-Mutaffifin FandikanaMalagasy
- Surah Al-Mutaffifin mp3Henoy
- Quran Index Malagasy114
More Surah PDF
Surah Al-Mutaffifin

ﯖﯗﯘ
83:1
Loza ho an'ireo mpisoloky,
ﯙﯚﯛﯜﯝﯞﯟ
83:2
dia ireo, izay mitaky fahamarinam-pamàrana rehefa mampamàtra hoan'ny tenan'izy ireo.
ﯠﯡﯢﯣﯤﯥ
83:3
Ary rehefa mamàtra, na mandanja hoan'ny hafa kosa dia mangalatra!
ﯦﯧﯨﯩﯪﯫ
83:4
Moa ve tsy mihevitra izy ireo fa hatsangana amin'ny maty?
ﭑﭒﭓ
83:5
Amin'ny ilay andro iray lehibe.
ﭔﭕﭖﭗﭘﭙ
83:6
Ilay andro izay hitsanganan'ny olombelona amin'ny maty manoloana ilay Tompon'izao tontolo izao.
ﭚﭛﭜﭝﭞﭟﭠ
83:7
Tsia! ny tena marina anefa ireo olona tsy vanon-toetra ireo dia voasoratra ao anatin'ny takelaka misy ny olon'ny Afo be.
ﭡﭢﭣﭤﭥ
83:8
Moa fantatrao ve izany takelaka izany?
ﭦﭧﭨ
83:9
Boky efa voasoratra.
ﭩﭪﭫﭬ
83:10
loza hoan'ireo izay mpanda an'izany andro farany izany.
ﭭﭮﭯﭰﭱ
83:11
Dia ireo izay tsy nino ny Andro fitsarana.
ﭲﭳﭴﭵﭶﭷﭸﭹ
83:12
tsy misy nanda izany anefa afa-tsy izay mpihoa-pefy sy ny mpanota matevi-koditra ihany.
ﭺﭻﭼﭽﭾﭿﮀﮁ
83:13
Koa rehefa torìna aminy ny faminaniana avy Amiko dia lazainy fa angano sy ariran'ny Ntaolo izany.
ﮂﮃﮄﮅﮆﮇﮈﮉﮊﮋﮌ
83:14
Tsia! Indrisy anefa fa voarakotr'ireo zava-bitany ny fon'izy ireo.
ﮍﮎﮏﮐﮑﮒﮓ
83:15
Tsia! Tena marina izy ireo, amin'izany andro izany, dia tsy hahita ny Tompon'izy ireo.
ﮔﮕﮖﮗﮘ
83:16
Ary dia ho ao anatin'ny Afobe mandrakizay.
ﮙﮚﮛﮜﮝﮞﮟﮠ
83:17
Rehefa izany dia hambara amin'izy ireo hoe: "io ary ilay zavatra nolavinareo".
ﮡﮢﮣﮤﮥﮦﮧ
83:18
Tsia! Fa ireo feno fankatoavana an'I Allah kosa dia voasoratra ao anatin'ny takelaka misy ny olon'ny Paradisa.
ﮨﮩﮪﮫﮬ
83:19
Moa ve fantatrao izany takelaka misy ny olon'ny paradisa izany.
ﮭﮮﮯ
83:20
Boky efa voasoratra.
ﮰﮱﯓ
83:21
Ho vavolombelona ny amin'izay ireo anjely.
ﯔﯕﯖﯗﯘ
83:22
Eny! Tena marina, ireo feno fankatoavana an'I Allah, dia ho ao anatin'ny fiadanana.
ﯙﯚﯛﯜ
83:23
Ka eo ambon'ny toerana avo no hitazanan'izy ireo ny fahavalon'I Allah.
ﯝﯞﯟﯠﯡﯢ
83:24
Hitanao taratra eny amin'ny endrik'izy ireo ny hazavam-pahasoavana.
ﯣﯤﯥﯦﯧ
83:25
Hampisotroina azy ireo ny fisotro tsara indrindra voatokana ho azy ireo.
ﯨﯩﯪﯫﯬﯭﯮﯯ
83:26
Ny tsirony eo am-piafarana dia manitra, mamerovero, ka tokony hifaninana ny amin'izany ireo te-hifaninana.
ﯰﯱﯲﯳ
83:27
zava-pisotro izay nifangaro tamin'ny loharanon'ny Tasnima.
ﯴﯵﯶﯷﯸ
83:28
loharano izay fisotroan'ireo izay akaikin'I Allah
ﯹﯺﯻﯼﯽﯾﯿﰀﰁ
83:29
Tena marina, ireo tsy mpino dia nandrebireby sy nanao fihomezana ireo mpino fahiny.
ﰂﰃﰄﰅﰆ
83:30
ary raha sendra mandalo eo anoloan'ireo mpino izy ireo dia mangarika.
ﰇﰈﰉﰊﰋﰌﰍ
83:31
rehefa miverina any amin'ny fianakaviany izy ireo, dia miverina am-pandrebirebiana sy am-panesoana ireo mpino.
ﰎﰏﰐﰑﰒﰓﰔ
83:32
ary rehefa mahita ny mpino izy ireo dia milaza fa tena olom-bery ireo.
ﰕﰖﰗﰘﰙ
83:33
ary tsy nandefasana ireo anjely mpiambina akory izy ireo.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗ
83:34
fa amin'ny Andro farany kosa dia hihomehy ireo mpikomy ny mpino.
ﭘﭙﭚﭛ
83:35
Ka eo ambony toerana avo no hitazanan'izy ireo ny fahavalon'i Allah.
ﭜﭝﭞﭟﭠﭡﭢ
83:36
Moa ve efa nampiharina tamin'ireo mpikomy ny valin'asa nataon'izy ireo taloha?
Koraña Masina
Wednesday, September 9, 2026
Don't forget us in your sincere prayers







