PDF —
19 Andininy Meccan PDF
Built right in your browser — download starts automatically

Surah Al-Infitar pdf — Alaino (Malagasy)

Surah Al-Infitar pdf Malagasy — Alaino Surah Al-Infitar Fandikana. Surah Al-Infitar (Meccan) 19 Andininy.



19 Andininy · Meccan · Malagasy
bismillah
ﭑﭒﭓﭔ
82:1 Rehefa hitresaka ny lanitra,
ﭕﭖﭗﭘ
82:2 Rehefa hianjera hiparitaka ireo kintana.
ﭙﭚﭛﭜ
82:3 Rehefa hisafotofoto ka ho iray ireo ranomasina,
ﭝﭞﭟﭠ
82:4 rehefa ho fongarina ny fasana.
ﭡﭢﭣﭤﭥﭦ
82:5 dia ho fantatra ny fanahy tsirairay avy ny nataony sy izay hiandry azy!
ﭧﭨﭩﭪﭫﭬﭭ
82:6 O ry olombelona! Inona loatra no nahavoafitaka anareo ka tsy nankatoavanareo ny Tomponareo feno fahamendrehana?
ﭮﭯﭰﭱﭲ
82:7 Izay nahary anao sy nandrafitra anao ho feno ary nanome endrika mirindra ho anao,
ﭳﭴﭵﭶﭷﭸﭹ
82:8 Ary tamin'ny endrika isan-karazany araka izay tiany no nandrafetany anao,
ﭺﭻﭼﭽﭾ
82:9 Tsia! Indrisy anefa fa nolavinareo ny fisian'ny fitsarana farany.
ﭿﮀﮁﮂ
82:10 Nefa misy marina ireo mpanara-maso anareo,
ﮃﮄﮅ
82:11 dia ireo anjely mpanoratra be voninahitra.
ﮆﮇﮈﮉ
82:12 mahafantatra izay ataonareo.
ﮊﮋﮌﮍﮎ
82:13 tena marina, fa ireo izay feno fankatoavana an'I Allah dia ho ao anatin'ny fiadanana tanteraka,
ﮏﮐﮑﮒﮓ
82:14 ary ireo mpaniratsira kosa dia ho ao anatin'ny Afo be,
ﮔﮕﮖﮗ
82:15 hatsipy ao izy ireo amin'ny Andro farany,
ﮘﮙﮚﮛﮜ
82:16 ary tsy hiala ao mihitsy izy ireo mandrakizay,
ﮝﮞﮟﮠﮡﮢ
82:17 Moa fantatrao ve ny mikasika izany andro fitsarana izany?
ﮣﮤﮥﮦﮧﮨﮩ
82:18 Moa tsy fantatrao ve ny mikasika izany andro fitsarana izany?
ﮪﮫﮬﮭﮮﮯﮰﮱﯓﯔﯕ
82:19 Andro, izay tsy hananan'ny fanahy fahefana amin'ny fanahy hafa na dia kely aza, satria ny fahefana rehetra amin'izany dia eo am-pelan-tanan'I Allah .

Koraña Masina


Wednesday, September 9, 2026

Don't forget us in your sincere prayers