PDF —
11 Andininy Meccan PDF
Built right in your browser — download starts automatically

Surah Ad-Duha pdf — Alaino (Malagasy)

Surah Ad-Duha pdf Malagasy — Alaino Surah Ad-Duha Fandikana. Surah Ad-Duha (Meccan) 11 Andininy.



11 Andininy · Meccan · Malagasy
bismillah
ﮉﮊ
93:1 Mianiana Aho amin'ny misandratr'andro.
ﮋﮌﮍﮎ
93:2 Sy ny amin'ny alina mikitroka.
ﮏﮐﮑﮒﮓﮔ
93:3 Fa tsy nandao sy tsy nankahala anao ny Tomponao,
ﮕﮖﮗﮘﮙﮚ
93:4 Ny fiainana any ankoatra dia tsara lavitra ho anao nohon'ny fiainana eto an-tany.
ﮛﮜﮝﮞﮟ
93:5 Hanome fahasoavana ho anao ny Tomponao ka dia ho afa-po tokoa ianao noho izany.
ﮠﮡﮢﮣﮤ
93:6 Moa va tsy hitany tao anatin'ny fahakambotiana ianao ka tsy noraisiny ?
ﮥﮦﮧﮨ
93:7 Hitany tao anaty fahaverezana ianao ka dia notarihiny.
ﮩﮪﮫﮬ
93:8 ary hitany tao anatin'ny fahantrana lalina ianao ka dia nomeny ny ampy.
ﮭﮮﮯﮰﮱ
93:9 Koa aza manao tsindry hazo lena ny kamboty.
ﯓﯔﯕﯖﯗ
93:10 Ary aza atosi-boho-tanana ny mpangataka,
ﯘﯙﯚﯛﯜ
93:11 Fa lazao kosa ireo fahasoavan'ny Tomponao.

Koraña Masina


Wednesday, September 9, 2026

Don't forget us in your sincere prayers