Al-Baqarah · 120/286
Fandikana Fanononana — Al-Baqarah
وَلَن تَرْضَىٰ عَنكَ الْيَهُودُ وَلَا النَّصَارَىٰ حَتَّىٰ تَتَّبِعَ مِلَّتَهُمْ ۗ قُلْ إِنَّ هُدَى اللَّهِ هُوَ الْهُدَىٰ ۗ وَلَئِنِ اتَّبَعْتَ أَهْوَاءَهُم بَعْدَ الَّذِي جَاءَكَ مِنَ الْعِلْمِ ۙ مَا لَكَ مِنَ اللَّهِ مِن وَلِيٍّ وَلَا نَصِيرٍ ۝١٢٠
Wa lan tardaa `ankal Yahoodu wa lan Nasaaraa hattaa tattabi`a millatahum; qul inna hudal laahi huwalhudaa; wa la`init taba`ta ahwaaa`ahum ba`dal lazee jaaa`aka minal `ilmimaa laka minal laahi minw waliyyinw wa laa naseer
📖 Dikany Malagasy
Ary tsy ho faly aminao velively ny Jiosy sy ireo Kristianina, raha tsy manaraka ny finoany ianao. Koa lazao azy ireo : “Lazaiko sy hamafisiko, fa ny taridàlan’Allah no làla-marina”. Fa raha ianao indray no hanaraka ny sitrapon’izy ireo taorian’ny nanomezan’Allah anao ny Fahalalàna, tsarovy, fa tsy hanana sakaiza mpiaro na koa mpamonjy afa-tsy Allah irery ihany ianao.
🎧 Henoy

📜 Andininy 118-122 — Al-Baqarah

118وَقَالَ الَّذِينَ لَا يَعْلَمُونَ لَوْلَا يُكَلِّمُنَا اللَّهُ أَوْ تَأْتِينَا آيَةٌ ۗ كَذَٰلِكَ قَالَ الَّذِينَ مِن قَبْلِهِم مِّثْلَ قَوْلِهِمْ ۘ تَشَابَهَتْ قُلُوبُهُمْ ۗ قَدْ بَيَّنَّا الْآيَاتِ لِقَوْمٍ يُوقِنُونَ
Ary hoy ireo tsy mahalàla : “Fa nahoana Allah no tsy miteny mivantana aminay na koa mampiseho famantarana anay?” Tsy misy valaka amin’izany ihany koa no voalazan’ireo olona teo alohany. Sahala ihany ny fon’izy roa tonta. Efa nahariharinay tamin’ireo vahoaka manam-pinoana ny famantarana samihafa.
119إِنَّا أَرْسَلْنَاكَ بِالْحَقِّ بَشِيرًا وَنَذِيرًا ۖ وَلَا تُسْأَلُ عَنْ أَصْحَابِ الْجَحِيمِ
Nalefanay tokoa Ianao miaraka amin'ny fahamarinana, mba ho mpitory vaovao mahafaly sy mpampitandrina; ary tsy hanontaniana momba ireo olon'ny Afobe Ianao.
120وَلَن تَرْضَىٰ عَنكَ الْيَهُودُ وَلَا النَّصَارَىٰ حَتَّىٰ تَتَّبِعَ مِلَّتَهُمْ ۗ قُلْ إِنَّ هُدَى اللَّهِ هُوَ الْهُدَىٰ ۗ وَلَئِنِ اتَّبَعْتَ أَهْوَاءَهُم بَعْدَ الَّذِي جَاءَكَ مِنَ الْعِلْمِ ۙ مَا لَكَ مِنَ اللَّهِ مِن وَلِيٍّ وَلَا نَصِيرٍ
Ary tsy ho faly aminao velively ny Jiosy sy ireo Kristianina, raha tsy manaraka ny finoany ianao. Koa lazao azy ireo : “Lazaiko sy hamafisiko, fa ny taridàlan’Allah no làla-marina”. Fa raha ianao indray no hanaraka ny sitrapon’izy ireo taorian’ny nanomezan’Allah anao ny Fahalalàna, tsarovy, fa tsy hanana sakaiza mpiaro na koa mpamonjy afa-tsy Allah irery ihany ianao.
121الَّذِينَ آتَيْنَاهُمُ الْكِتَابَ يَتْلُونَهُ حَقَّ تِلَاوَتِهِ أُولَٰئِكَ يُؤْمِنُونَ بِهِ ۗ وَمَن يَكْفُرْ بِهِ فَأُولَٰئِكَ هُمُ الْخَاسِرُونَ
Ireo izay nomenay ny Boky ka namaky izany amin'ny famakiana tena marina, dia izy ireny no mino Azy; ary izay tsy mino Azy kosa dia lazaina fa izy ireny tokoa no olona maty antoka.
122يَا بَنِي إِسْرَائِيلَ اذْكُرُوا نِعْمَتِيَ الَّتِي أَنْعَمْتُ عَلَيْكُمْ وَأَنِّي فَضَّلْتُكُمْ عَلَى الْعَالَمِينَ
Ry zanak’Israely ! Tsarovinareo ny fahasoavako izay nomeko anareo, ary ny nanomezako anareo tombom-pahasoavana teo anatrehan’izao tontolo izao.
Al-BaqarahFizahan-takila Koraña
286Andininy
MedinanRevelation
120Andininy

Fandikana — Al-Baqarah 120

Surah Al-Baqarah Andininy 120 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary tsy ho faly aminao velively ny Jiosy sy ireo…

Surah Andininy 120/286 — Al-Baqarah البقرة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Baqarah Henoy, Al-Baqarah Fandikana, Al-Baqarah mp3, Al-Baqarah pdf. Andininy 118–122. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers