Al-Baqarah · 265/286
Fandikana Fanononana — Al-Baqarah
وَمَثَلُ الَّذِينَ يُنفِقُونَ أَمْوَالَهُمُ ابْتِغَاءَ مَرْضَاتِ اللَّهِ وَتَثْبِيتًا مِّنْ أَنفُسِهِمْ كَمَثَلِ جَنَّةٍ بِرَبْوَةٍ أَصَابَهَا وَابِلٌ فَآتَتْ أُكُلَهَا ضِعْفَيْنِ فَإِن لَّمْ يُصِبْهَا وَابِلٌ فَطَلٌّ ۗ وَاللَّهُ بِمَا تَعْمَلُونَ بَصِيرٌ ۝٢٦٥
Wa masalul lazeena yunfiqoona amwaalahumub ti ghaaaa`a mardaatil laahi wa tasbeetam min anfusihim kamasali jannatim birabwatin asaabahaa waabilun fa aatat ukulahaa di`faini fa il lam yusibhaa waabilun fatall; wallaahu bimaa ta`maloona Baseer
📖 Dikany Malagasy
Ary ireo izay mahafoy ny fananany tao anaty ny fikatsahana ny hafalian’Allah, sy fanamafisan’orina ny fanahin’izy ireo, dia sahala amin’ny tanimboly eny amin’ny tany avo. Ka rehefa nirotsaka taminy ny oram-baratra, dia vao mainka nampitombo ny vokatra teo aminy avo roa heny izany; fa raha tsy nanondraka azy kosa ny oram-baratra, dia ho avy ny andon’ny maraina. Fa hitan’Allah avokoa izay rehetra ataonareo.
🎧 Henoy

📜 Andininy 263-267 — Al-Baqarah

263۞ قَوْلٌ مَّعْرُوفٌ وَمَغْفِرَةٌ خَيْرٌ مِّن صَدَقَةٍ يَتْبَعُهَا أَذًى ۗ وَاللَّهُ غَنِيٌّ حَلِيمٌ
Ny teny mendrika sy ny famelan-keloka dia tsara noho ny fanomezana arahana fanafintohinana. Ary i Allah dia Manan-karena sy Malemy fanahy.
264يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا لَا تُبْطِلُوا صَدَقَاتِكُم بِالْمَنِّ وَالْأَذَىٰ كَالَّذِي يُنفِقُ مَالَهُ رِئَاءَ النَّاسِ وَلَا يُؤْمِنُ بِاللَّهِ وَالْيَوْمِ الْآخِرِ ۖ فَمَثَلُهُ كَمَثَلِ صَفْوَانٍ عَلَيْهِ تُرَابٌ فَأَصَابَهُ وَابِلٌ فَتَرَكَهُ صَلْدًا ۖ لَّا يَقْدِرُونَ عَلَىٰ شَيْءٍ مِّمَّا كَسَبُوا ۗ وَاللَّهُ لَا يَهْدِي الْقَوْمَ الْكَافِرِينَ
O ianareo mpino! Aza simbana amin’ny teny feno latsa sy mandratra fo ny fanomezana ataonareo, tahaka izay mahafoy ny fananany noho ny fisehosehoana eo imason’ny olona, nefa tsy mino an’Allah na ny andro farany akory izy. Ny toa azy, dia toy ny haram-bato rakofan’ny tany manify, ka rehefa nikija taminy ny oram-baratra nikaoka ny tany dia nametraka azy ho vato malama. Tsy afaka nanao na inona na inona tamin’izay azony izy ireo. Ary tsy mba mitari-dàlana ireo vahoaka tsy mpino Azy Allah
265وَمَثَلُ الَّذِينَ يُنفِقُونَ أَمْوَالَهُمُ ابْتِغَاءَ مَرْضَاتِ اللَّهِ وَتَثْبِيتًا مِّنْ أَنفُسِهِمْ كَمَثَلِ جَنَّةٍ بِرَبْوَةٍ أَصَابَهَا وَابِلٌ فَآتَتْ أُكُلَهَا ضِعْفَيْنِ فَإِن لَّمْ يُصِبْهَا وَابِلٌ فَطَلٌّ ۗ وَاللَّهُ بِمَا تَعْمَلُونَ بَصِيرٌ
Ary ireo izay mahafoy ny fananany tao anaty ny fikatsahana ny hafalian’Allah, sy fanamafisan’orina ny fanahin’izy ireo, dia sahala amin’ny tanimboly eny amin’ny tany avo. Ka rehefa nirotsaka taminy ny oram-baratra, dia vao mainka nampitombo ny vokatra teo aminy avo roa heny izany; fa raha tsy nanondraka azy kosa ny oram-baratra, dia ho avy ny andon’ny maraina. Fa hitan’Allah avokoa izay rehetra ataonareo.
266أَيَوَدُّ أَحَدُكُمْ أَن تَكُونَ لَهُ جَنَّةٌ مِّن نَّخِيلٍ وَأَعْنَابٍ تَجْرِي مِن تَحْتِهَا الْأَنْهَارُ لَهُ فِيهَا مِن كُلِّ الثَّمَرَاتِ وَأَصَابَهُ الْكِبَرُ وَلَهُ ذُرِّيَّةٌ ضُعَفَاءُ فَأَصَابَهَا إِعْصَارٌ فِيهِ نَارٌ فَاحْتَرَقَتْ ۗ كَذَٰلِكَ يُبَيِّنُ اللَّهُ لَكُمُ الْآيَاتِ لَعَلَّكُمْ تَتَفَكَّرُونَ
Fanirian’ny tsirairay aminareo va ny hanana tanimboly misy antrendry sy voaloboka? ikorianan’ireo renirano isankarazany avy eo ambaniny, ka azy daholo ireo voankazo rehetra ao, taty aoriana dia tonga taminy ny fahanterana, nefa mbola kely ireo zanany, tamin’izay, dia namely ny tanimboly ny tadio mitondra afo, ka dia kila forehitra izany. Toy izany no hanazavan’Allah aminareo ireo porofo famantarana, mba hieritreretanareo.
267يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا أَنفِقُوا مِن طَيِّبَاتِ مَا كَسَبْتُمْ وَمِمَّا أَخْرَجْنَا لَكُم مِّنَ الْأَرْضِ ۖ وَلَا تَيَمَّمُوا الْخَبِيثَ مِنْهُ تُنفِقُونَ وَلَسْتُم بِآخِذِيهِ إِلَّا أَن تُغْمِضُوا فِيهِ ۚ وَاعْلَمُوا أَنَّ اللَّهَ غَنِيٌّ حَمِيدٌ
O ianareo mpino ! Aoka ianareo hahafoy ampahany amin’ireo vokatsoa voahangonareo, sy ampahany tamin’izay navoakanay avy ao amin’ny tany ho anareo. Ary aoka mba tsy izay ratsy amin’izany no hafoinareo, fa na ianareo aza dia tsy handray izany na oviana na oviana raha tsy minia mikimpy. Ary aoka ho fantatrareo fa Allah no tompon’ny harena ka mendri-piderana.
Al-BaqarahFizahan-takila Koraña
286Andininy
MedinanRevelation
265Andininy

Fandikana — Al-Baqarah 265

Surah Al-Baqarah Andininy 265 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary ireo izay mahafoy ny fananany tao anaty ny fikatsahana…

Surah Andininy 265/286 — Al-Baqarah البقرة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Baqarah Henoy, Al-Baqarah Fandikana, Al-Baqarah mp3, Al-Baqarah pdf. Andininy 263–267. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers