Iloaran'i Imrana · 148/200
Fandikana Fanononana — Iloaran'i Imrana
فَآتَاهُمُ اللَّهُ ثَوَابَ الدُّنْيَا وَحُسْنَ ثَوَابِ الْآخِرَةِ ۗ وَاللَّهُ يُحِبُّ الْمُحْسِنِينَ ۝١٤٨
Fa aataahumul laahu sawaabad dunyaa wa husna sawaabil Aakhirah; wallaahu yuhibbul muhsineen
📖 Dikany Malagasy
Ka nomen’i Allah azy ireo ny valisoa eto an-tany sy ny valisoa mendrika indrindra any an-koatra. Ary i Allah dia tia ireo mpanao tsara.
🎧 Henoy

📜 Andininy 146-150 — Iloaran'i Imrana

146وَكَأَيِّن مِّن نَّبِيٍّ قَاتَلَ مَعَهُ رِبِّيُّونَ كَثِيرٌ فَمَا وَهَنُوا لِمَا أَصَابَهُمْ فِي سَبِيلِ اللَّهِ وَمَا ضَعُفُوا وَمَا اسْتَكَانُوا ۗ وَاللَّهُ يُحِبُّ الصَّابِرِينَ
Ary firifiry tamin’ireo Mpaminany no nanana mpianatra maro, niara-niady Taminy, ka tsy nilefitra izy ireo tamin’izay nanjo azy ireo tamin’ny lalàn’i Allah. Tsy nalemy izy ireo, ary tsy nilavo lefona mihitsy, ary i Allah dia tia ireo manam-paharetana.
147وَمَا كَانَ قَوْلَهُمْ إِلَّا أَن قَالُوا رَبَّنَا اغْفِرْ لَنَا ذُنُوبَنَا وَإِسْرَافَنَا فِي أَمْرِنَا وَثَبِّتْ أَقْدَامَنَا وَانصُرْنَا عَلَى الْقَوْمِ الْكَافِرِينَ
Tsy nisy teny nivoaka avy tamin’izy ireo afa-tsy ny fitenenana hoe : “ Tomponay ô ! Avelao ny fahotanay sy ny fihoaram-pefy izay nataonay tamin’ny fihetsika, ary hamafiso ny dianay, ary omeo fandresena Izahay amin’ireo vahoaka tsy mpino.”
148فَآتَاهُمُ اللَّهُ ثَوَابَ الدُّنْيَا وَحُسْنَ ثَوَابِ الْآخِرَةِ ۗ وَاللَّهُ يُحِبُّ الْمُحْسِنِينَ
Ka nomen’i Allah azy ireo ny valisoa eto an-tany sy ny valisoa mendrika indrindra any an-koatra. Ary i Allah dia tia ireo mpanao tsara.
149يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا إِن تُطِيعُوا الَّذِينَ كَفَرُوا يَرُدُّوكُمْ عَلَىٰ أَعْقَابِكُمْ فَتَنقَلِبُوا خَاسِرِينَ
Ô Ianareo izay nino ! Raha mankato ireo tsy mino Ianareo, dia hamerina Anareo amin’ny vody tongotrareo [56] izy ireo. Ka dia hiverina ho maty antoka Ianareo.
150بَلِ اللَّهُ مَوْلَاكُمْ ۖ وَهُوَ خَيْرُ النَّاصِرِينَ
Ka nefa i Allah no Mpiahy Anareo, ary Izy no Mpanavotra mendrika indrindra.
Iloaran'i ImranaFizahan-takila Koraña
200Andininy
MedinanRevelation
148Andininy

Fandikana — Iloaran'i Imrana 148

Surah Iloaran'i Imrana Andininy 148 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ka nomen’i Allah azy ireo ny valisoa eto an-tany sy…

Surah Andininy 148/200 — Iloaran'i Imrana آل عمران (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Iloaran'i Imrana Henoy, Iloaran'i Imrana Fandikana, Iloaran'i Imrana mp3, Iloaran'i Imrana pdf. Andininy 146–150. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers