Iloaran'i Imrana · 17/200
Fandikana Fanononana — Iloaran'i Imrana
الصَّابِرِينَ وَالصَّادِقِينَ وَالْقَانِتِينَ وَالْمُنفِقِينَ وَالْمُسْتَغْفِرِينَ بِالْأَسْحَارِ ۝١٧
Assaabireena wassaa diqeena walqaaniteena walmunfiqeena walmus taghfireena bil ashaar
📖 Dikany Malagasy
Ireo maharitra sy ireo marina, ireo mpankato sy ireo mpamoaka ny hareny, ary ireo mpangataka ny famelan-keloka alohan’ny maraina vao mangiran-dratsy.
🎧 Henoy

📜 Andininy 15-19 — Iloaran'i Imrana

15۞ قُلْ أَؤُنَبِّئُكُم بِخَيْرٍ مِّن ذَٰلِكُمْ ۚ لِلَّذِينَ اتَّقَوْا عِندَ رَبِّهِمْ جَنَّاتٌ تَجْرِي مِن تَحْتِهَا الْأَنْهَارُ خَالِدِينَ فِيهَا وَأَزْوَاجٌ مُّطَهَّرَةٌ وَرِضْوَانٌ مِّنَ اللَّهِ ۗ وَاللَّهُ بَصِيرٌ بِالْعِبَادِ
Teneno hoe : “ Atoroko Anareo ve ny tsara mihoatra izany ? Ho an’ireo izay manam-patahorana, eo anatrehan’ny Tompon’izy ireo, dia zaridaina izay misy renirano mikoriana eo ambaniny, ka hitoetra ao mandrakizay izy ireo, sy vady maro izay voadio, ary koa ny fankatoavana avy amin’i Allah ”. Ary i Allah dia Mahita ny amin’ny antsipiriany ny momba ireo mpanompony.
16الَّذِينَ يَقُولُونَ رَبَّنَا إِنَّنَا آمَنَّا فَاغْفِرْ لَنَا ذُنُوبَنَا وَقِنَا عَذَابَ النَّارِ
Ireo izay miteny hoe : " Ry Tomponay ô ! Tena marina fa mino izahay, avelao ny fahotanay, ary arovy amin’ny famaizan’ny Afobe Izahay ”.
17الصَّابِرِينَ وَالصَّادِقِينَ وَالْقَانِتِينَ وَالْمُنفِقِينَ وَالْمُسْتَغْفِرِينَ بِالْأَسْحَارِ
Ireo maharitra sy ireo marina, ireo mpankato sy ireo mpamoaka ny hareny, ary ireo mpangataka ny famelan-keloka alohan’ny maraina vao mangiran-dratsy.
18شَهِدَ اللَّهُ أَنَّهُ لَا إِلَٰهَ إِلَّا هُوَ وَالْمَلَائِكَةُ وَأُولُو الْعِلْمِ قَائِمًا بِالْقِسْطِ ۚ لَا إِلَٰهَ إِلَّا هُوَ الْعَزِيزُ الْحَكِيمُ
Nitsangana vavolombelona i Allah, fa tena marina tsy misy Zanahary hafa afa-tsy Izy irery ihany, mihaiky izany koa ireo Anjely sy ireo manam-pahaizana, mijoro am-pahamarinana Izy. Tsy misy Zanahary afa-tsy Izy irery ihany, ilay avo Tsitoha, ilay be Fahendrena.
19إِنَّ الدِّينَ عِندَ اللَّهِ الْإِسْلَامُ ۗ وَمَا اخْتَلَفَ الَّذِينَ أُوتُوا الْكِتَابَ إِلَّا مِن بَعْدِ مَا جَاءَهُمُ الْعِلْمُ بَغْيًا بَيْنَهُمْ ۗ وَمَن يَكْفُرْ بِآيَاتِ اللَّهِ فَإِنَّ اللَّهَ سَرِيعُ الْحِسَابِ
Tena marina fa ny finoana eo anatrehan’i Allah dia ny finoana Islamo [40]. Ary tsy nifanipa-kevitra ireo izay nomena ny Boky, afa-tsy taorian’ny nahatongavan’ny fahalalana tamin’izy ireo, nohon'ny disadisa nifanaovany. Ary izay tsy mino ireo fanambaran’i Allah ka Tena marina fa i Allah dia haingam-panisa !
Iloaran'i ImranaFizahan-takila Koraña
200Andininy
MedinanRevelation
17Andininy

Fandikana — Iloaran'i Imrana 17

Surah Iloaran'i Imrana Andininy 17 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ireo maharitra sy ireo marina, ireo mpankato sy ireo mpamoaka…

Surah Andininy 17/200 — Iloaran'i Imrana آل عمران (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Iloaran'i Imrana Henoy, Iloaran'i Imrana Fandikana, Iloaran'i Imrana mp3, Iloaran'i Imrana pdf. Andininy 15–19. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers