An-Nisa · 22/176
Fandikana Fanononana — An-Nisa
وَلَا تَنكِحُوا مَا نَكَحَ آبَاؤُكُم مِّنَ النِّسَاءِ إِلَّا مَا قَدْ سَلَفَ ۚ إِنَّهُ كَانَ فَاحِشَةً وَمَقْتًا وَسَاءَ سَبِيلًا ٢٢
Transliteration
Wa laa tankihoo maa nakaha aabaaa`ukum minan nisaaa`i illaa maa qad salaf; inahoo kaana faahishatanw wa maqtanw wa saaa`a sabeelaa
Fandikana (Dikany Malagasy)
📖 Dikany Malagasy
Ary Ianareo aza manambady izay efa novadin’ny rainareo, amin’ireo vehivavy, afa-tsy izay efa vita tany aloha. Marina fa izany dia tena asa vetaveta sy maharikoriko, ary fitondran-tena ratsy tokoa izany !
Additional reference in Kiswahili
🎧 Henoy
📜 Andininy 20-24 — An-Nisa
20وَإِنْ أَرَدتُّمُ اسْتِبْدَالَ زَوْجٍ مَّكَانَ زَوْجٍ وَآتَيْتُمْ إِحْدَاهُنَّ قِنطَارًا فَلَا تَأْخُذُوا مِنْهُ شَيْئًا ۚ أَتَأْخُذُونَهُ بُهْتَانًا وَإِثْمًا مُّبِينًا
Raha Tianareo ny hanolo vady hafa eo amin’ny toeran’ny vady, ary efa nomenareo amin’iray amin’izy ireo ny Kintar [64], dia aoka Ianareo tsy handray amin’izany na dia kely aza. Moa ve haka izany tsy amin’ny rariny Ianareo, sy amim-pahotana mibaribary ?
21وَكَيْفَ تَأْخُذُونَهُ وَقَدْ أَفْضَىٰ بَعْضُكُمْ إِلَىٰ بَعْضٍ وَأَخَذْنَ مِنكُم مِّيثَاقًا غَلِيظًا
Ary ahoana Ianareo no haka izany, ka nefa Ianareo efa niaiky nanao firaisana ny andaniny sy ny ankilany, ary efa nandray fanekena matotra avy taminareo izy ireo.
22وَلَا تَنكِحُوا مَا نَكَحَ آبَاؤُكُم مِّنَ النِّسَاءِ إِلَّا مَا قَدْ سَلَفَ ۚ إِنَّهُ كَانَ فَاحِشَةً وَمَقْتًا وَسَاءَ سَبِيلًا
Ary Ianareo aza manambady izay efa novadin’ny rainareo, amin’ireo vehivavy, afa-tsy izay efa vita tany aloha. Marina fa izany dia tena asa vetaveta sy maharikoriko, ary fitondran-tena ratsy tokoa izany !
23حُرِّمَتْ عَلَيْكُمْ أُمَّهَاتُكُمْ وَبَنَاتُكُمْ وَأَخَوَاتُكُمْ وَعَمَّاتُكُمْ وَخَالَاتُكُمْ وَبَنَاتُ الْأَخِ وَبَنَاتُ الْأُخْتِ وَأُمَّهَاتُكُمُ اللَّاتِي أَرْضَعْنَكُمْ وَأَخَوَاتُكُم مِّنَ الرَّضَاعَةِ وَأُمَّهَاتُ نِسَائِكُمْ وَرَبَائِبُكُمُ اللَّاتِي فِي حُجُورِكُم مِّن نِّسَائِكُمُ اللَّاتِي دَخَلْتُم بِهِنَّ فَإِن لَّمْ تَكُونُوا دَخَلْتُم بِهِنَّ فَلَا جُنَاحَ عَلَيْكُمْ وَحَلَائِلُ أَبْنَائِكُمُ الَّذِينَ مِنْ أَصْلَابِكُمْ وَأَن تَجْمَعُوا بَيْنَ الْأُخْتَيْنِ إِلَّا مَا قَدْ سَلَفَ ۗ إِنَّ اللَّهَ كَانَ غَفُورًا رَّحِيمًا
Nofadiana ho Anareo ireo reninareo, ireo zanakareo vavy, ireo anabavinareo, ireo anabavin-drainareo, ireo rahavavin-dreninareo, ireo zanaka vavin’ny rahalahinareo, ireo zanaka vavin’ny anabavinareo, ireo reninareo izay nampinono Anareo, ireo anabavinareo ara-pinonoana, ireo renin’ireo vehivavy vadinareo, ireo vehivavy zana-badinareo izay ao an-tranonareo, avy amin’ireo vehivavy izay efa niraisanareo ara-nofo, fa raha mbola tsy niraisanareo ara-nofo kosa izy ireo dia tsy Anananareo tsiny, sy ireo vadin’ireo zanakareo (vinanto vavinareo) izay avy amin’ny taolan-tehezanareo, ary ny fanakambananareo ho vady ny mpirahavavy anakiroa [65] afa-tsy izay efa vita tany aloha. Tena marina fa i Allah dia tena be famelan-keloka sy be Indrafo.
24۞ وَالْمُحْصَنَاتُ مِنَ النِّسَاءِ إِلَّا مَا مَلَكَتْ أَيْمَانُكُمْ ۖ كِتَابَ اللَّهِ عَلَيْكُمْ ۚ وَأُحِلَّ لَكُم مَّا وَرَاءَ ذَٰلِكُمْ أَن تَبْتَغُوا بِأَمْوَالِكُم مُّحْصِنِينَ غَيْرَ مُسَافِحِينَ ۚ فَمَا اسْتَمْتَعْتُم بِهِ مِنْهُنَّ فَآتُوهُنَّ أُجُورَهُنَّ فَرِيضَةً ۚ وَلَا جُنَاحَ عَلَيْكُمْ فِيمَا تَرَاضَيْتُم بِهِ مِن بَعْدِ الْفَرِيضَةِ ۚ إِنَّ اللَّهَ كَانَ عَلِيمًا حَكِيمًا
Ary (nofadiana ho anareo koa) ireo efa manambady tamin’ireo vehivavy, afa-tsy ireo andevo anananareo. Izany no voadidin’I Allah aminareo ! Ankoatra izany, dia nomena alàlana kosa ianareo mba hitadiavanareo azy ireo, amin’ny alalan’ny fanananareo, mba ho vady ara-dalàna ianareo fa tsy ho mpijangajanga. Ka izay nahazoanareo fahafinaretana tamin’izy ireo dia omeo azy ireo ny Mahr (vody ondriny). Izany dia voadidy aminareo. Ary tsy omena tsiny ianareo ny amin’izay hifanarahanareo aorian’ny mahr izay voadidy. Tena marina fa I Allah dia Mahalala ny zava-drehetra sy be Fahendrena.
An-NisaFizahan-takila Koraña
176Andininy
MedinanRevelation
22Andininy
Fandikana — An-Nisa 22
Surah An-Nisa Andininy 22 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary Ianareo aza manambady izay efa novadin’ny rainareo, amin’ireo vehivavy,…Surah Andininy 22/176 — An-Nisa النساء (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: An-Nisa Henoy, An-Nisa Fandikana, An-Nisa mp3, An-Nisa pdf. Andininy 20–24. Dikany Malagasy: Kiswahili.
العربية
English
Bahasa Indonesia
Türkçe
Русский
فارسی
Français
اردو
বাংলা
Deutsch
Español
中文
हिन्दी
Português
Italiano
ภาษาไทย
Polski
Nederlands
Shqip
Kiswahili
O'zbek
தமிழ்
Melayu
Bosanski
Soomaali
Azərbaycan
کوردی
한국어
日本語
Svenska
Dansk
Norsk
پښتو
മലയാളം
සිංහල
Tamazight
Hausa
አማርኛ
Български
Тоҷикӣ
Қазақша
Filipino
سنڌي
Yorùbá
Fulfulde
Татарча
ئۇيغۇرچە
Кыргызча
ਪੰਜਾਬੀ
Jawa
తెలుగు
မြန်မာ
ગુજરાતી
Oromo
मराठी
Tiếng Việt
Malagasy
Нохчийн
Wolof
ދިވެހި
ಕನ್ನಡ
Українська
Ελληνικά
ქართული
ខ្មែរ
دری
Qafar af
Maranao
नेपाली
Koraña Masina
Tuesday, August 18, 2026
Don't forget us in your sincere prayers








