An-Nisa · 75/176
Fandikana Fanononana — Surah An-Nisa
وَمَا لَكُمْ لَا تُقَاتِلُونَ فِي سَبِيلِ اللَّهِ وَالْمُسْتَضْعَفِينَ مِنَ الرِّجَالِ وَالنِّسَاءِ وَالْوِلْدَانِ الَّذِينَ يَقُولُونَ رَبَّنَا أَخْرِجْنَا مِنْ هَٰذِهِ الْقَرْيَةِ الظَّالِمِ أَهْلُهَا وَاجْعَل لَّنَا مِن لَّدُنكَ وَلِيًّا وَاجْعَل لَّنَا مِن لَّدُنكَ نَصِيرًا ۝٧٥
Wa maa lakum laa tuqaatiloona fee sabeelil laahi walmustad`afeena minar rijaali wannisaaa`i walwildaanil lazeena yaqooloona Rabbanaaa akhrijnaa min haazihil qaryatiz zaalimi ahluhaa waj`al lanaa mil ladunka waliyanw waj`al lanaa mil ladunka naseeraa
📖 Dikany Malagasy
Fa inona no mahazo anareo no tsy miady amin’ny làlan’I Allah, nefa misy ireo malemy amin’ireo lehilahy sy ireo vehivavy, ary ireo ankizy izay miteny hoe : “Tomponay ô ! Avoahy hiala amin’ity tanàna ity izahay, izay mpanao ny tsy rariny ny mponiny, ary omeo mpiahy avy Aminao izahay, ary koa omeo mpanavotra avy Aminao.

🎧 Henoy


📜 Andininy 73-77 — Surah An-Nisa

73وَلَئِنْ أَصَابَكُمْ فَضْلٌ مِّنَ اللَّهِ لَيَقُولَنَّ كَأَن لَّمْ تَكُن بَيْنَكُمْ وَبَيْنَهُ مَوَدَّةٌ يَا لَيْتَنِي كُنتُ مَعَهُمْ فَأَفُوزَ فَوْزًا عَظِيمًا
Ary raha mahazo fahasoavana avy amin’i Allah kosa ianareo dia hiteny indray izy ireo ho toy ny tsy misy ny fifankatiavana teo aminareo sy izy, “Indrisy ! Raha mba niaraka tamin’izy ireo aho dia mba nahazo fahombiazana lehibe !”
74۞ فَلْيُقَاتِلْ فِي سَبِيلِ اللَّهِ الَّذِينَ يَشْرُونَ الْحَيَاةَ الدُّنْيَا بِالْآخِرَةِ ۚ وَمَن يُقَاتِلْ فِي سَبِيلِ اللَّهِ فَيُقْتَلْ أَوْ يَغْلِبْ فَسَوْفَ نُؤْتِيهِ أَجْرًا عَظِيمًا
Ka aoka hiady amin’ny lalan’I Allah ireo izay mivarotra ny fiainana eto an-tany amin’ny fiainana any ankoatra. Ary izay miady amin’ny lalan’I Allah, ka maty novonoina na nandresy amin'izany, dia omenay valisoa lehibe izy.
75وَمَا لَكُمْ لَا تُقَاتِلُونَ فِي سَبِيلِ اللَّهِ وَالْمُسْتَضْعَفِينَ مِنَ الرِّجَالِ وَالنِّسَاءِ وَالْوِلْدَانِ الَّذِينَ يَقُولُونَ رَبَّنَا أَخْرِجْنَا مِنْ هَٰذِهِ الْقَرْيَةِ الظَّالِمِ أَهْلُهَا وَاجْعَل لَّنَا مِن لَّدُنكَ وَلِيًّا وَاجْعَل لَّنَا مِن لَّدُنكَ نَصِيرًا
Fa inona no mahazo anareo no tsy miady amin’ny làlan’I Allah, nefa misy ireo malemy amin’ireo lehilahy sy ireo vehivavy, ary ireo ankizy izay miteny hoe : “Tomponay ô ! Avoahy hiala amin’ity tanàna ity izahay, izay mpanao ny tsy rariny ny mponiny, ary omeo mpiahy avy Aminao izahay, ary koa omeo mpanavotra avy Aminao.
76الَّذِينَ آمَنُوا يُقَاتِلُونَ فِي سَبِيلِ اللَّهِ ۖ وَالَّذِينَ كَفَرُوا يُقَاتِلُونَ فِي سَبِيلِ الطَّاغُوتِ فَقَاتِلُوا أَوْلِيَاءَ الشَّيْطَانِ ۖ إِنَّ كَيْدَ الشَّيْطَانِ كَانَ ضَعِيفًا
Ireo izay nino dia miady amin’ny làlan’I Allah, fa ireo izay tsy nino kosa dia miady amin’ny làlan’ireo mpihoam-pefy, ka aoka ianareo hiady amin’ireo sakaizan’ny satana. Tena marina fa ny teti-dratsin’ny satana dia malemy tokoa.
77أَلَمْ تَرَ إِلَى الَّذِينَ قِيلَ لَهُمْ كُفُّوا أَيْدِيَكُمْ وَأَقِيمُوا الصَّلَاةَ وَآتُوا الزَّكَاةَ فَلَمَّا كُتِبَ عَلَيْهِمُ الْقِتَالُ إِذَا فَرِيقٌ مِّنْهُمْ يَخْشَوْنَ النَّاسَ كَخَشْيَةِ اللَّهِ أَوْ أَشَدَّ خَشْيَةً ۚ وَقَالُوا رَبَّنَا لِمَ كَتَبْتَ عَلَيْنَا الْقِتَالَ لَوْلَا أَخَّرْتَنَا إِلَىٰ أَجَلٍ قَرِيبٍ ۗ قُلْ مَتَاعُ الدُّنْيَا قَلِيلٌ وَالْآخِرَةُ خَيْرٌ لِّمَنِ اتَّقَىٰ وَلَا تُظْلَمُونَ فَتِيلًا
Tsy hitanao ve ireo izay notenenina hoe : “Atsaharonareo ny ady, tanterahanareo ny fanompoam-pivavahana ary avoahinareo ny harena fiantrana (Zakat)! Koa rehefa voadidy tamin’izy ireo ny ady, dia indro ny andiany tamin’izy ireo fa natahotra ny olombelona tahaka ny fatahorany an’i Allah, na fatahorana mihoatra izany aza. Ary niteny izy ireo manao hoe : “Tomponay ô ! Nahoana no nodidianao taminay ny ady? Raha mba hahemotrao kely amin’ny fotoana manaraka!”. Teneno hoe : “Ny fahafinaretana eto an-tany dia kely, fa ny fiainana any ankoatra kosa dia tsara ho an’izay manam-patahorana, ary tsy ho ambakaina ianareo na dia kely mitovy amin’ny singan’ny atrendry aza!”
An-NisaFizahan-takila Koraña
176Andininy
MedinanRevelation
75Andininy

Fandikana — An-Nisa 75

Surah An-Nisa Andininy 75 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Fa inona no mahazo anareo no tsy miady amin’ny làlan’I…

Surah Andininy 75/176 — Surah An-Nisa النساء (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Surah An-Nisa Henoy, Surah An-Nisa Fandikana, Surah An-Nisa mp3, Surah An-Nisa pdf. Andininy 73–77. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Monday, September 7, 2026

Don't forget us in your sincere prayers