Al-Maidah · 53/120
Fandikana Fanononana — Surah Al-Maidah
وَيَقُولُ الَّذِينَ آمَنُوا أَهَٰؤُلَاءِ الَّذِينَ أَقْسَمُوا بِاللَّهِ جَهْدَ أَيْمَانِهِمْ ۙ إِنَّهُمْ لَمَعَكُمْ ۚ حَبِطَتْ أَعْمَالُهُمْ فَأَصْبَحُوا خَاسِرِينَ ۝٥٣
Wa yaqoolul lazeena aamanooo ahaaa`ulaaa`il lazeena aqsamoo billaahi jahda aimaanihim innahum lama`akum; habitat a`maaluhum fa asbahoo khaasireen
📖 Dikany Malagasy
Ary hiteny ireo mpino hoe: ”Moa ve izy ireo no nianiana tamin’I Allah nihizingizina amin’ny heriny rehetra, fa miaraka aminareo tokoa izy ireo?”. Ho foana tanteraka anefa ny asan’izy ireo, ka ho lasa maty antoka izy ireo.

🎧 Henoy


📜 Andininy 51-55 — Surah Al-Maidah

51۞ يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا لَا تَتَّخِذُوا الْيَهُودَ وَالنَّصَارَىٰ أَوْلِيَاءَ ۘ بَعْضُهُمْ أَوْلِيَاءُ بَعْضٍ ۚ وَمَن يَتَوَلَّهُم مِّنكُمْ فَإِنَّهُ مِنْهُمْ ۗ إِنَّ اللَّهَ لَا يَهْدِي الْقَوْمَ الظَّالِمِينَ
O ianareo mpino! Aza mandray ireo jiosy sy kristianina ho mpiahy ianareo, izy ireo dia samy mifampiahy, ary izay maka azy ireo ho mpiahy aminareo dia efa namany. Tena marina fa Allah dia tsy mitari-dalana ny vahoaka mpanao ny tsy rariny.
52فَتَرَى الَّذِينَ فِي قُلُوبِهِم مَّرَضٌ يُسَارِعُونَ فِيهِمْ يَقُولُونَ نَخْشَىٰ أَن تُصِيبَنَا دَائِرَةٌ ۚ فَعَسَى اللَّهُ أَن يَأْتِيَ بِالْفَتْحِ أَوْ أَمْرٍ مِّنْ عِندِهِ فَيُصْبِحُوا عَلَىٰ مَا أَسَرُّوا فِي أَنفُسِهِمْ نَادِمِينَ
Ka ho hitanao ireo izay manana aretina ao am-pony mihazakazaka mankany amin’izy ireo sy miteny hoe:”Matahotra izahay sao hivadika aty aminay ny ratsy”. Ka angamba I Allah hanome fandresena, na hanome baiko avy Aminy, ka hahatonga azy ireo hanenina tamin’izay nafeniny tao amin’ny tenany.
53وَيَقُولُ الَّذِينَ آمَنُوا أَهَٰؤُلَاءِ الَّذِينَ أَقْسَمُوا بِاللَّهِ جَهْدَ أَيْمَانِهِمْ ۙ إِنَّهُمْ لَمَعَكُمْ ۚ حَبِطَتْ أَعْمَالُهُمْ فَأَصْبَحُوا خَاسِرِينَ
Ary hiteny ireo mpino hoe: ”Moa ve izy ireo no nianiana tamin’I Allah nihizingizina amin’ny heriny rehetra, fa miaraka aminareo tokoa izy ireo?”. Ho foana tanteraka anefa ny asan’izy ireo, ka ho lasa maty antoka izy ireo.
54يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا مَن يَرْتَدَّ مِنكُمْ عَن دِينِهِ فَسَوْفَ يَأْتِي اللَّهُ بِقَوْمٍ يُحِبُّهُمْ وَيُحِبُّونَهُ أَذِلَّةٍ عَلَى الْمُؤْمِنِينَ أَعِزَّةٍ عَلَى الْكَافِرِينَ يُجَاهِدُونَ فِي سَبِيلِ اللَّهِ وَلَا يَخَافُونَ لَوْمَةَ لَائِمٍ ۚ ذَٰلِكَ فَضْلُ اللَّهِ يُؤْتِيهِ مَن يَشَاءُ ۚ وَاللَّهُ وَاسِعٌ عَلِيمٌ
O ianareo mpino! Izay miverin-dalana amin’ny finoany aminareo dia hitondran’I Allah vahoaka izay tiany sady tia Azy, manetri-tena eo anatrehan’ireo mpino, ary maneho ny heriny eo anatrehan’ireo tsy mpino, manao ezaka amin’ny lalan’I Allah izy ireo, ary tsy matahotra ny tsiny avy amin’ny mpanome tsiny. Izany dia fahasoavan’I Allah, omeny izay sitrany. Ary Allah dia manerana izao rehetra izao sy mahalala ny zava-drehetra.
55إِنَّمَا وَلِيُّكُمُ اللَّهُ وَرَسُولُهُ وَالَّذِينَ آمَنُوا الَّذِينَ يُقِيمُونَ الصَّلَاةَ وَيُؤْتُونَ الزَّكَاةَ وَهُمْ رَاكِعُونَ
Tena marina fa ny tena mpiahy anareo dia Allah sy ny Irany, ary ireo nino izay manatanteraka ny vavaka fanompoana sy mamoaka ny harena fiantrana, ary ireo izay mpanao ny fiondrehana amin’I Allah.
Al-MaidahFizahan-takila Koraña
120Andininy
MedinanRevelation
53Andininy

Fandikana — Al-Maidah 53

Surah Al-Maidah Andininy 53 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary hiteny ireo mpino hoe: ”Moa ve izy ireo no…

Surah Andininy 53/120 — Surah Al-Maidah المائدة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Surah Al-Maidah Henoy, Surah Al-Maidah Fandikana, Surah Al-Maidah mp3, Surah Al-Maidah pdf. Andininy 51–55. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Monday, September 7, 2026

Don't forget us in your sincere prayers