Al-An'am · 31/165
Fandikana Fanononana — Al-An'am
قَدْ خَسِرَ الَّذِينَ كَذَّبُوا بِلِقَاءِ اللَّهِ ۖ حَتَّىٰ إِذَا جَاءَتْهُمُ السَّاعَةُ بَغْتَةً قَالُوا يَا حَسْرَتَنَا عَلَىٰ مَا فَرَّطْنَا فِيهَا وَهُمْ يَحْمِلُونَ أَوْزَارَهُمْ عَلَىٰ ظُهُورِهِمْ ۚ أَلَا سَاءَ مَا يَزِرُونَ ۝٣١
Qad khasiral lazeena kazzaboo biliqaaa`il laahi hattaaa izaa jaaa`at humus Saa`atu baghtan qaaloo yaa hasratanaa `alaa maa farratnaa feehaa wa hum yahmiloona awzaarahum `alaa zuhoorihim; alaa saaa`a ma yaziroon
📖 Dikany Malagasy
Tena maty antoka tokoa ireo izay nilaza fa lainga ny fihaonana amin’I Allah. Ary raha tonga tampoka amin’izy ireo ny ora, dia hiteny izy ireo manao hoe : “Loza ho anay amin’ny tsirambina izay nataonay momba izany ! Ary izy ireo dia hitondra ny vesatra (ny fahotany) ao an-damosiny. Ary tena ratsy tokoa izany vesatra entiny izany !
🎧 Henoy

📜 Andininy 29-33 — Al-An'am

29وَقَالُوا إِنْ هِيَ إِلَّا حَيَاتُنَا الدُّنْيَا وَمَا نَحْنُ بِمَبْعُوثِينَ
Ary hoy izy ireo : “Tsy misy ho anay afa-tsy ny fiainana eto an-tany ihany ary izahay dia tsy hatsangana amin’ny maty velively.
30وَلَوْ تَرَىٰ إِذْ وُقِفُوا عَلَىٰ رَبِّهِمْ ۚ قَالَ أَلَيْسَ هَٰذَا بِالْحَقِّ ۚ قَالُوا بَلَىٰ وَرَبِّنَا ۚ قَالَ فَذُوقُوا الْعَذَابَ بِمَا كُنتُمْ تَكْفُرُونَ
Ary raha hitanao, rehefa hatsangana izy ireo eo anatrehan’ny Tompony. Hiteny Izy amin'izy ireo manao hoe : “Moa va tsy izao no fahamarinana?” Hiteny izy ireo manao hoe : “Eny ! Ary mianiana amin’ny Tomponay izahay”. Hiteny Izy manao hoe : “Ka andramonareo àry ny sazy ho setrin'ny fikomianareo.
31قَدْ خَسِرَ الَّذِينَ كَذَّبُوا بِلِقَاءِ اللَّهِ ۖ حَتَّىٰ إِذَا جَاءَتْهُمُ السَّاعَةُ بَغْتَةً قَالُوا يَا حَسْرَتَنَا عَلَىٰ مَا فَرَّطْنَا فِيهَا وَهُمْ يَحْمِلُونَ أَوْزَارَهُمْ عَلَىٰ ظُهُورِهِمْ ۚ أَلَا سَاءَ مَا يَزِرُونَ
Tena maty antoka tokoa ireo izay nilaza fa lainga ny fihaonana amin’I Allah. Ary raha tonga tampoka amin’izy ireo ny ora, dia hiteny izy ireo manao hoe : “Loza ho anay amin’ny tsirambina izay nataonay momba izany ! Ary izy ireo dia hitondra ny vesatra (ny fahotany) ao an-damosiny. Ary tena ratsy tokoa izany vesatra entiny izany !
32وَمَا الْحَيَاةُ الدُّنْيَا إِلَّا لَعِبٌ وَلَهْوٌ ۖ وَلَلدَّارُ الْآخِرَةُ خَيْرٌ لِّلَّذِينَ يَتَّقُونَ ۗ أَفَلَا تَعْقِلُونَ
Ary tsy inona akory ny fiainana eto an-tany raha tsy kilalao sy rendrarendra ihany. Ary ny fonenana any an-koatra kosa dia tsara indrindra ho an’izay matahotra. Moa ve tsy mba misaina ianareo ?
33قَدْ نَعْلَمُ إِنَّهُ لَيَحْزُنُكَ الَّذِي يَقُولُونَ ۖ فَإِنَّهُمْ لَا يُكَذِّبُونَكَ وَلَٰكِنَّ الظَّالِمِينَ بِآيَاتِ اللَّهِ يَجْحَدُونَ
Efa fantatray fa tena mampalahelo anao tokoa izay notenin’izy ireo, tena marina fa izy ireo dia tsy mampadainga anao akory, fa ireo mpanao ny tsy rariny kosa dia mitsipaka ireo famataran’i Allah.
Al-An'amFizahan-takila Koraña
165Andininy
MeccanRevelation
31Andininy

Fandikana — Al-An'am 31

Surah Al-An'am Andininy 31 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Tena maty antoka tokoa ireo izay nilaza fa lainga ny…

Surah Andininy 31/165 — Al-An'am الأنعام (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-An'am Henoy, Al-An'am Fandikana, Al-An'am mp3, Al-An'am pdf. Andininy 29–33. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers