Al-An'am · 33/165
Fandikana Fanononana — Surah Al-An'am
قَدْ نَعْلَمُ إِنَّهُ لَيَحْزُنُكَ الَّذِي يَقُولُونَ ۖ فَإِنَّهُمْ لَا يُكَذِّبُونَكَ وَلَٰكِنَّ الظَّالِمِينَ بِآيَاتِ اللَّهِ يَجْحَدُونَ ۝٣٣
Qad na`lamu innahoo layahzunukal lazee yaqooloona fa innahum laa yukazziboonaka wa laakinnaz zaalimeena bi Aayaatil laahi yajhadoon
📖 Dikany Malagasy
Efa fantatray fa tena mampalahelo anao tokoa izay notenin’izy ireo, tena marina fa izy ireo dia tsy mampadainga anao akory, fa ireo mpanao ny tsy rariny kosa dia mitsipaka ireo famataran’i Allah.

🎧 Henoy


📜 Andininy 31-35 — Surah Al-An'am

31قَدْ خَسِرَ الَّذِينَ كَذَّبُوا بِلِقَاءِ اللَّهِ ۖ حَتَّىٰ إِذَا جَاءَتْهُمُ السَّاعَةُ بَغْتَةً قَالُوا يَا حَسْرَتَنَا عَلَىٰ مَا فَرَّطْنَا فِيهَا وَهُمْ يَحْمِلُونَ أَوْزَارَهُمْ عَلَىٰ ظُهُورِهِمْ ۚ أَلَا سَاءَ مَا يَزِرُونَ
Tena maty antoka tokoa ireo izay nilaza fa lainga ny fihaonana amin’I Allah. Ary raha tonga tampoka amin’izy ireo ny ora, dia hiteny izy ireo manao hoe : “Loza ho anay amin’ny tsirambina izay nataonay momba izany ! Ary izy ireo dia hitondra ny vesatra (ny fahotany) ao an-damosiny. Ary tena ratsy tokoa izany vesatra entiny izany !
32وَمَا الْحَيَاةُ الدُّنْيَا إِلَّا لَعِبٌ وَلَهْوٌ ۖ وَلَلدَّارُ الْآخِرَةُ خَيْرٌ لِّلَّذِينَ يَتَّقُونَ ۗ أَفَلَا تَعْقِلُونَ
Ary tsy inona akory ny fiainana eto an-tany raha tsy kilalao sy rendrarendra ihany. Ary ny fonenana any an-koatra kosa dia tsara indrindra ho an’izay matahotra. Moa ve tsy mba misaina ianareo ?
33قَدْ نَعْلَمُ إِنَّهُ لَيَحْزُنُكَ الَّذِي يَقُولُونَ ۖ فَإِنَّهُمْ لَا يُكَذِّبُونَكَ وَلَٰكِنَّ الظَّالِمِينَ بِآيَاتِ اللَّهِ يَجْحَدُونَ
Efa fantatray fa tena mampalahelo anao tokoa izay notenin’izy ireo, tena marina fa izy ireo dia tsy mampadainga anao akory, fa ireo mpanao ny tsy rariny kosa dia mitsipaka ireo famataran’i Allah.
34وَلَقَدْ كُذِّبَتْ رُسُلٌ مِّن قَبْلِكَ فَصَبَرُوا عَلَىٰ مَا كُذِّبُوا وَأُوذُوا حَتَّىٰ أَتَاهُمْ نَصْرُنَا ۚ وَلَا مُبَدِّلَ لِكَلِمَاتِ اللَّهِ ۚ وَلَقَدْ جَاءَكَ مِن نَّبَإِ الْمُرْسَلِينَ
Ary efa nolazaina ho mpandainga ireo iraka teo alohanao, ka niharitra izy ireo tamin’ny nilazana azy ireo ho mpandainga sy tamin’ny fampijaliana nanjo azy ireo, mandra-pahatonga ny famonjena Taminay. Ary tsy misy afaka manova ireo tenin’I Allah, ary efa tonga taminao ny ampahan’ny tantaran’ireo Iraka.
35وَإِن كَانَ كَبُرَ عَلَيْكَ إِعْرَاضُهُمْ فَإِنِ اسْتَطَعْتَ أَن تَبْتَغِيَ نَفَقًا فِي الْأَرْضِ أَوْ سُلَّمًا فِي السَّمَاءِ فَتَأْتِيَهُم بِآيَةٍ ۚ وَلَوْ شَاءَ اللَّهُ لَجَمَعَهُمْ عَلَى الْهُدَىٰ ۚ فَلَا تَكُونَنَّ مِنَ الْجَاهِلِينَ
Na dia mafy taminao aza ny fitsipahan’izy ireo, koa raha afaka hitady lalana any ambanin’ny tany ianao, na tohatra hiakarana any an-danitra mba hitondranao amin’izy ireo ny fahagagana, (dia ataovy àry izany). Raha sitrak’I Allah dia navoriny tamin’ny lala-mahitsy izy ireo, aoka ianao tsy ho anisan’ireo olona bado !
Al-An'amFizahan-takila Koraña
165Andininy
MeccanRevelation
33Andininy

Fandikana — Al-An'am 33

Surah Al-An'am Andininy 33 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Efa fantatray fa tena mampalahelo anao tokoa izay notenin’izy ireo,…

Surah Andininy 33/165 — Surah Al-An'am الأنعام (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Surah Al-An'am Henoy, Surah Al-An'am Fandikana, Surah Al-An'am mp3, Surah Al-An'am pdf. Andininy 31–35. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Monday, September 7, 2026

Don't forget us in your sincere prayers