Al-A'raf · 129/206
Fandikana Fanononana — Al-A'raf
قَالُوا أُوذِينَا مِن قَبْلِ أَن تَأْتِيَنَا وَمِن بَعْدِ مَا جِئْتَنَا ۚ قَالَ عَسَىٰ رَبُّكُمْ أَن يُهْلِكَ عَدُوَّكُمْ وَيَسْتَخْلِفَكُمْ فِي الْأَرْضِ فَيَنظُرَ كَيْفَ تَعْمَلُونَ ۝١٢٩
Qaaloo oozeenaa min qabli an taatiyanaa wa mim ba`di maa ji`tanaa; qaala `asaa Rabbukum ai yuhlika `aduwwakum wa yastakhli fakum fil ardi fayanzura kaifa ta`maloon
📖 Dikany Malagasy
Niteny izy ireo nanao hoe : “Nampijaliana izahay talohan’ny nahatongavanao taminay, ary taorian’ny nahatongavanao koa”. Niteny Izy nanao hoe : “Angamba ny Tomponareo handringana ny fahavalonareo ary hanome anareo fitantanana eto an-tany, ary hijery manao ahoana ny ho fiasanareo”.
🎧 Henoy

📜 Andininy 127-131 — Al-A'raf

127وَقَالَ الْمَلَأُ مِن قَوْمِ فِرْعَوْنَ أَتَذَرُ مُوسَىٰ وَقَوْمَهُ لِيُفْسِدُوا فِي الْأَرْضِ وَيَذَرَكَ وَآلِهَتَكَ ۚ قَالَ سَنُقَتِّلُ أَبْنَاءَهُمْ وَنَسْتَحْيِي نِسَاءَهُمْ وَإِنَّا فَوْقَهُمْ قَاهِرُونَ
Ary niteny ireo loholona avy amin’ny vahoakan’i Faraona nanao hoe : “Moa ve avelanao i Mosesy sy ny vahoakany hanao asa fanimbana eto an-tany, ary handao anao sy ireo zanaharinao izy ?”. Niteny izy nanao hoe : “Ho vonointsika ny zanaka lahin’izy ireo ary avelantsika ho velona ny vehivavin’izy ireo, ary marina fa isika dia ambonin’izy ireo sy manjaka.
128قَالَ مُوسَىٰ لِقَوْمِهِ اسْتَعِينُوا بِاللَّهِ وَاصْبِرُوا ۖ إِنَّ الْأَرْضَ لِلَّهِ يُورِثُهَا مَن يَشَاءُ مِنْ عِبَادِهِ ۖ وَالْعَاقِبَةُ لِلْمُتَّقِينَ
Niteny i Mosesy tamin’ny vahoakany nanao hoe : “Mangataha vonjy amin’I Allah ianareo, ary mahareta, marina fa ny tany dia an’I Allah. Ampandovàny izay sitrany amin’ireo mpanompony. Ny fiafarana tsara dia ho an’ireo manam-patahorana”.
129قَالُوا أُوذِينَا مِن قَبْلِ أَن تَأْتِيَنَا وَمِن بَعْدِ مَا جِئْتَنَا ۚ قَالَ عَسَىٰ رَبُّكُمْ أَن يُهْلِكَ عَدُوَّكُمْ وَيَسْتَخْلِفَكُمْ فِي الْأَرْضِ فَيَنظُرَ كَيْفَ تَعْمَلُونَ
Niteny izy ireo nanao hoe : “Nampijaliana izahay talohan’ny nahatongavanao taminay, ary taorian’ny nahatongavanao koa”. Niteny Izy nanao hoe : “Angamba ny Tomponareo handringana ny fahavalonareo ary hanome anareo fitantanana eto an-tany, ary hijery manao ahoana ny ho fiasanareo”.
130وَلَقَدْ أَخَذْنَا آلَ فِرْعَوْنَ بِالسِّنِينَ وَنَقْصٍ مِّنَ الثَّمَرَاتِ لَعَلَّهُمْ يَذَّكَّرُونَ
Ary efa notsapainay mandritry ny taona maro tamin’ny alalan’ny hain-tany sy ny fihenan’ny vokatra ireo vahoakan’i Faraona. Angamba hahatsiaro tena izy ireo.
131فَإِذَا جَاءَتْهُمُ الْحَسَنَةُ قَالُوا لَنَا هَٰذِهِ ۖ وَإِن تُصِبْهُمْ سَيِّئَةٌ يَطَّيَّرُوا بِمُوسَىٰ وَمَن مَّعَهُ ۗ أَلَا إِنَّمَا طَائِرُهُمْ عِندَ اللَّهِ وَلَٰكِنَّ أَكْثَرَهُمْ لَا يَعْلَمُونَ
Ary rehefa tonga tamin’izy ireo ny fahasoavana, dia niteny izy ireo nanao hoe : “Ity dia anjara ho anay” raha tojo haratsiana kosa izy ireo dia nataony fa avy amin’i Mosesy sy ireo mpiara-dia aminy no mahatonga izao, raha ny marina dia miankina amin’I Allah irery ihany ny anjaran’izy ireo, nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mahafantatra izany.
Al-A'rafFizahan-takila Koraña
206Andininy
MeccanRevelation
129Andininy

Fandikana — Al-A'raf 129

Surah Al-A'raf Andininy 129 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Niteny izy ireo nanao hoe : “Nampijaliana izahay talohan’ny nahatongavanao…

Surah Andininy 129/206 — Al-A'raf الأعراف (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-A'raf Henoy, Al-A'raf Fandikana, Al-A'raf mp3, Al-A'raf pdf. Andininy 127–131. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers