Al-A'raf · 39/206
Fandikana Fanononana — Al-A'raf
وَقَالَتْ أُولَاهُمْ لِأُخْرَاهُمْ فَمَا كَانَ لَكُمْ عَلَيْنَا مِن فَضْلٍ فَذُوقُوا الْعَذَابَ بِمَا كُنتُمْ تَكْسِبُونَ ۝٣٩
Wa qaalat oolaahum li ukhraahum famaa kaana lakum `alainaa min fadlin fazooqul azaaba bimaa kuntum taksiboon
📖 Dikany Malagasy
Ary ireo voalohany amin’izy ireo dia hiteny amin’ireo farany manao hoe : “Tsy nanana tombony amboninay na dia kely aza ianareo, ka andramonareo àry ny famaizana noho (ny asa ratsy) izay nataonareo”.
🎧 Henoy

📜 Andininy 37-41 — Al-A'raf

37فَمَنْ أَظْلَمُ مِمَّنِ افْتَرَىٰ عَلَى اللَّهِ كَذِبًا أَوْ كَذَّبَ بِآيَاتِهِ ۚ أُولَٰئِكَ يَنَالُهُمْ نَصِيبُهُم مِّنَ الْكِتَابِ ۖ حَتَّىٰ إِذَا جَاءَتْهُمْ رُسُلُنَا يَتَوَفَّوْنَهُمْ قَالُوا أَيْنَ مَا كُنتُمْ تَدْعُونَ مِن دُونِ اللَّهِ ۖ قَالُوا ضَلُّوا عَنَّا وَشَهِدُوا عَلَىٰ أَنفُسِهِمْ أَنَّهُمْ كَانُوا كَافِرِينَ
Ka iza ihany koa no manao ny tsy rariny mihoatra izay namoron-dainga mahakasik'I Allah, na koa nilaza fa lainga ireo famantarany ? Izy ireny dia hahazo ny anjarany amin’izay voasoratra mandra-pahatongan’ireo Irakay amin’izy ireo hanala ny fofon'ain’izy ireo no sady hiteny izy ireo manao hoe : “Aiza ireo izay nantsoinareo ankoatr’I Allah ?” Hiteny izy ireo manao hoe : “Nandao anay izy ireo”. Ary hijoro vavolombelona eo anatrehan’ny tenany izy ireo fa tsy mpino.
38قَالَ ادْخُلُوا فِي أُمَمٍ قَدْ خَلَتْ مِن قَبْلِكُم مِّنَ الْجِنِّ وَالْإِنسِ فِي النَّارِ ۖ كُلَّمَا دَخَلَتْ أُمَّةٌ لَّعَنَتْ أُخْتَهَا ۖ حَتَّىٰ إِذَا ادَّارَكُوا فِيهَا جَمِيعًا قَالَتْ أُخْرَاهُمْ لِأُولَاهُمْ رَبَّنَا هَٰؤُلَاءِ أَضَلُّونَا فَآتِهِمْ عَذَابًا ضِعْفًا مِّنَ النَّارِ ۖ قَالَ لِكُلٍّ ضِعْفٌ وَلَٰكِن لَّا تَعْلَمُونَ
Hiteny Izy (Allah) manao hoe : “Midira ianareo, miaraka amin’ireo vahoaka efa nandao teo alohanareo amin’ny Djiny sy ny olombelona, ao anaty Afobe”. Isaky ny misy vahoaka iray miditra ao dia hanozona izay nialoha làlana azy. Rehefa tafahaona tao daholo izy rehetra dia hiteny amin’ireo voalohany ny farany manao hoe : “Tomponay oh ! Izy ireo no namery anay, ka omeo famaizana avo roa heny amin’ny Afobe izy ireo”. Dia hiteny Izy (Allah) manao hoe : “Ho an’ny tsirairay avy ny avo roa heny (amin’ny sazy), nefa tsy mahafantatra ianareo”.
39وَقَالَتْ أُولَاهُمْ لِأُخْرَاهُمْ فَمَا كَانَ لَكُمْ عَلَيْنَا مِن فَضْلٍ فَذُوقُوا الْعَذَابَ بِمَا كُنتُمْ تَكْسِبُونَ
Ary ireo voalohany amin’izy ireo dia hiteny amin’ireo farany manao hoe : “Tsy nanana tombony amboninay na dia kely aza ianareo, ka andramonareo àry ny famaizana noho (ny asa ratsy) izay nataonareo”.
40إِنَّ الَّذِينَ كَذَّبُوا بِآيَاتِنَا وَاسْتَكْبَرُوا عَنْهَا لَا تُفَتَّحُ لَهُمْ أَبْوَابُ السَّمَاءِ وَلَا يَدْخُلُونَ الْجَنَّةَ حَتَّىٰ يَلِجَ الْجَمَلُ فِي سَمِّ الْخِيَاطِ ۚ وَكَذَٰلِكَ نَجْزِي الْمُجْرِمِينَ
Marina fa ireo izay nilaza fa lainga ny fanambaranay ary nanalavitra azy amim-panambonian-tena, dia tsy ho sokafana ho azy ireo, ireo varavaran’ny lanitra ary tsy hiditra amin’ny Paradisa koa izy ireo mandra-pidiran’ny rameva amin’ny vody fanjaitra. Ary tahaka izany no hamalianay ireo mpanao heloka bevava.
41لَهُم مِّن جَهَنَّمَ مِهَادٌ وَمِن فَوْقِهِمْ غَوَاشٍ ۚ وَكَذَٰلِكَ نَجْزِي الظَّالِمِينَ
Ho azy ireo ny fandriana avy amin’ny Afobe, ary misy firakotra eo ambonin’izy ireo. Ary tahaka izany no hamalinay ireo mpanao ny tsy rariny.
Al-A'rafFizahan-takila Koraña
206Andininy
MeccanRevelation
39Andininy

Fandikana — Al-A'raf 39

Surah Al-A'raf Andininy 39 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary ireo voalohany amin’izy ireo dia hiteny amin’ireo farany manao…

Surah Andininy 39/206 — Al-A'raf الأعراف (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-A'raf Henoy, Al-A'raf Fandikana, Al-A'raf mp3, Al-A'raf pdf. Andininy 37–41. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers