PDF —
46 Andininy Meccan PDF
Built right in your browser — download starts automatically

Surah An-Nazi'at pdf — Alaino (Malagasy)

Surah An-Nazi'at pdf Malagasy — Alaino Surah An-Nazi'at Fandikana. Surah An-Nazi'at (Meccan) 46 Andininy.

← An-NabaSurah An-Nazi'at Abasa →


46 Andininy · Meccan · Malagasy
bismillah
ﮢﮣﮤ
79:1 Mianiana Aho amin'ireo anjely izay manongotra amin-kery ny aina,
ﮥﮦﮧ
79:2 sy amin'ireo anjely izay manala malefaka ny aina;
ﮨﮩﮪ
79:3 amin'ireo anjely mpivezivezy mpamita iraka,
ﮫﮬﮭ
79:4 amin'ireo anjely izay mitari-dalana ireo fanahin'ireo mpino,
ﮮﮯﮰ
79:5 ary mandrindra ny zava-drehetra,
ﮱﯓﯔﯕ
79:6 amin'ny andro izay hisian'ny horohoro nohon'ny fidoboky ny anjomara voalohany,
ﯖﯗﯘ
79:7 hanaraka izany koa ny fidoboky ny anjomara faharoa,
ﯙﯚﯛﯜ
79:8 amin'izay andro izay dia ho feno tebiteby ny fo,
ﯝﯞﯟ
79:9 ary ny fijerin'izy ireo dia hitanondrika,
ﯠﯡﯢﯣﯤﯥ
79:10 Hiteny izy ireo hoe: "Ahoana no hiverenantsika ho toy ny teo aloha indray?";
ﯦﯧﯨﯩﯪ
79:11 " Raha toa isika ka ho taolana sy ho vovoka feno fahalovana? "
ﯫﯬﯭﯮﯯﯰ
79:12 hilaza izy ireo hoe: " Dia ho fiverenana hamono antoka izany "
ﯱﯲﯳﯴﯵ
79:13 Aza mangataka ny hanalavitra fa tsy hisy afa-tsy antso tokana ihany izany.
ﯶﯷﯸﯹ
79:14 Ary dia indro izy ireo ho eo ambonin'ny tanim-pitsarana
ﯺﯻﯼﯽﯾ
79:15 Moa ve tonga taminao ny tantaran'i Moosa?
ﯿﰀﰁﰂﰃﰄﰅ
79:16 Tamin'ny niantsoan'ny Tompony azy tao an-dohasaha masin'i To'a?
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖ
79:17 Mandehana ianao any amin'ny Farao, fa raha ny tena marina dia efa mpikomy izy.
ﭗﭘﭙﭚﭛﭜﭝ
79:18 Ary lazao azy hoe: " Manana faniriana hanadio tena ve ianao?
ﭞﭟﭠﭡﭢ
79:19 Ka hotarihiko ho amin'ny fanompoana ny tomponao mba hanampahatahorana Azy ?
ﭣﭤﭥﭦ
79:20 Ary dia nasehony azy ny famantarana lehibe.
ﭧﭨﭩ
79:21 Nihevitra izany ho lainga anefa izy ka dia tsy nankato,
ﭪﭫﭬﭭ
79:22 Fa nihodina nanda ny finoana izy ireo ary lasa faingana nanao ny faharatsiana
ﭮﭯﭰ
79:23 Dia namory ireo olony izy ary nanao fanambarana.
ﭱﭲﭳﭴﭵ
79:24 ka nilaza hoe: " Izaho no tomponareo, ilay avo indrindra."
ﭶﭷﭸﭹﭺﭻ
79:25 Nohon'izany dia nampiharin'I Allah taminy ny sazy teto an-tany ary homeny koa ny any an-koatra,
ﭼﭽﭾﭿﮀﮁﮂ
79:26 Izany toe-javatra izany dia fampieritreretana lehibe tokoa ho an'izay manana fahatahorana an'I Allah.
ﮃﮄﮅﮆﮇﮈﮉﮊ
79:27 Moa ve ny fahariana anareo dia nanao sarotra tokoa nohon'ny nahariana ny lanitra izay naoriny.
ﮋﮌﮍﮎ
79:28 Nataony ho ambony toerana ary vita mitovy tantana,
ﮏﮐﮑﮒﮓ
79:29 Nataony ho maizina ny alina ary nohazavany ny androny,
ﮔﮕﮖﮗﮘ
79:30 Ary ny tany kosa taorian'izany dia nataony midadasika,
ﮙﮚﮛﮜﮝ
79:31 ka avy taminy no namoahany ny rano sy ny kijana firaofanan'ny biby.
ﮞﮟﮠ
79:32 Ary ireo tendrombohitra dia nataony andry iankinany;
ﮡﮢﮣﮤ
79:33 Mba hahasoa anareo sy ireo biby fiompinareo,
ﮥﮦﮧﮨﮩ
79:34 rehefa ho tonga ny fikorontanana lehibe,
ﮪﮫﮬﮭﮮﮯ
79:35 amin'ny andro izay hahatsiarovan'ny olombelona ny asa rehetra nataony,
ﮰﮱﯓﯔﯕ
79:36 dia hibaribary amin'izay mijery ny Afo be,
ﯖﯗﯘﯙ
79:37 Fa izay nikomy tsy nankato an'I Allah kosa
ﯚﯛﯜﯝ
79:38 sy nifidy ny fiainana eto ambonin'ny tany,
ﯞﯟﯠﯡﯢ
79:39 dia ny Afo be no hitoeran'izy ireo,
ﯣﯤﯥﯦﯧﯨﯩﯪﯫﯬ
79:40 Ary ho an'izay natahotra ny fihaonan'izy ireo eo anoloan'ny Tompony sy nitandrina ny tenany tamin'ny filan-dratsin'ny nofo kosa;
ﯭﯮﯯﯰﯱ
79:41 dia ny paradisa no ho fonenan'izy ireo,
ﯲﯳﯴﯵﯶﯷ
79:42 Hanontany anao ny amin'ny andro farany izy ireo hoe: "Rahoviana anga no ahatongavan'izany? "
ﯸﯹﯺﯻﯼ
79:43 Amin'ny fomba ahoana no hilazanao izany amin'izy ireo?
ﯽﯾﯿﰀ
79:44 any amin'ny Tomponao ny fahalalana izany.
ﰁﰂﰃﰄﰅﰆ
79:45 Satria ianao dia mpampitandrina ihany an'izay manana fahatahorana an'izany,
ﰇﰈﰉﰊﰋﰌﰍﰎﰏﰐ
79:46 Amin'ny andro izay hahitan'izy ireo ny andro farany dia tahaka ny tsy nonina tety an-tany afa-tsy indray maraina na indray hariva fotsiny izy ireo,

Koraña Masina


Wednesday, September 9, 2026

Don't forget us in your sincere prayers