PDF —
42 Andininy Meccan PDF
Built right in your browser — download starts automatically

Surah Abasa pdf — Alaino (Malagasy)

Surah Abasa pdf Malagasy — Alaino Surah Abasa Fandikana. Surah Abasa (Meccan) 42 Andininy.



42 Andininy · Meccan · Malagasy
bismillah
ﭑﭒﭓ
80:1 Niketrona izy dia nihodina,
ﭔﭕﭖﭗ
80:2 satria tonga teo aminy ilay jamba,
ﭘﭙﭚﭛﭜ
80:3 tsy fantatrao angamba izy tonga mba hanadio ny fanahiny! Sao dia mba misy fahatsampan-tena ao aminy,
ﭝﭞﭟﭠﭡ
80:4 Na koa mahatsapa tena izy amin'ny fahampatsiahivana,
ﭢﭣﭤﭥ
80:5 Ho an'izay manana ny ampy kosa,
ﭦﭧﭨﭩ
80:6 dia nanatona azy am-pahazotoana ianao,
ﭪﭫﭬﭭﭮ
80:7 nefa tsy tsininao ny tsy fahadiovany,
ﭯﭰﭱﭲﭳ
80:8 fa izay tonga nanantona anao am-pahavitrihana kosa,
ﭴﭵﭶ
80:9 sady feno fahatahorana an'I Allah,
ﭷﭸﭹﭺ
80:10 dia tsy noheverinao ny momba azy,
ﭻﭼﭽﭾ
80:11 Tsia! Aza manao toy izany intsony ianao! Raha ny tena marina ity dia fampahatsiahivana fotsiny ihany,
ﭿﮀﮁﮂ
80:12 ka izay maniry izany dia hahatsiaro,
ﮃﮄﮅﮆ
80:13 izay voarakitra ao amin'ny takelaka manan-kaja,
ﮇﮈﮉ
80:14 sy manan-danja ary feno fahadiovana,
ﮊﮋﮌ
80:15 eo am-pelan-tanan'ireo anjely,
ﮍﮎﮏ
80:16 mendrika sy mpakato,
ﮐﮑﮒﮓﮔ
80:17 Loza anie ho an'izay olombelona mikomy ny amin'izany,
ﮕﮖﮗﮘﮙ
80:18 Fa avy tamin'inona moa no nahariana azy?
ﮚﮛﮜﮝﮞ
80:19 avy tamin'ny piti-dranon'aina no nahariana azy, ary avy eo dia nofaritany ny anjaran'io olona io,
ﮟﮠﮡﮢ
80:20 ary avy eo dia nakamorainy ny lalan-kombany,
ﮣﮤﮥﮦ
80:21 Dia nampandaloviny fahafatesana izy ary nalevina,
ﮧﮨﮩﮪﮫ
80:22 koa raha sitrak'I Allah dia mbola hatsangany amin'ny maty izy,
ﮬﮭﮮﮯﮰﮱ
80:23 Nefa indrisy! Fa tsy nanatanteraka ireo izay nandidiana azy izy!
ﯓﯔﯕﯖﯗ
80:24 Aoka anefa ny olombelona handinika ireo sakafo fivelomany,
ﯘﯙﯚﯛﯜ
80:25 nampidiniko ihany koa ny rano sesehena,
ﯝﯞﯟﯠﯡ
80:26 Avy eo, nataoko mba hahavokatra ny tany,
ﯢﯣﯤﯥ
80:27 ka nampitsimoako avy ao ireo voa mahavelona,
ﯦﯧﯨ
80:28 dia ny voaloboka sy ny anana amam-bilona,
ﯩﯪﯫ
80:29 ny hazo ny oliva sy ny hazo ny antrendry
ﯬﯭﯮ
80:30 ireo saha midoroboka,
ﯯﯰﯱ
80:31 voankazo sy karazan'ahitra,
ﯲﯳﯴﯵ
80:32 mba hahasoa anareo sy ireo biby fiompinareo,
ﯶﯷﯸﯹ
80:33 koa rehefa ho tonga ilay antso tsy hifandrenesana,
ﯺﯻﯼﯽﯾﯿ
80:34 amin'ny andro izay handosiran'olombelona ny rahalahiny,
ﰀﰁﰂ
80:35 ny reniny sy ny rainy;
ﰃﰄﰅ
80:36 ary ny vady aman-janany.
ﰆﰇﰈﰉﰊﰋﰌ
80:37 ny olona tsirairay amin'izy ireo, amin'izay andro izay dia ny hahasoa ny tenany no himasoany.
ﰍﰎﰏﰐ
80:38 hisy amin'izany andro izany ireo endrika feno hazavana,
ﰑﰒﰓ
80:39 faly sy mirana,
ﰔﰕﰖﰗﰘ
80:40 ao koa anefa, amin'izay andro izay, ireo endrika mihosom-bovoka,
ﭑﭒﭓ
80:41 sy mivalo mainty,
ﭔﭕﭖﭗﭘ
80:42 Izy ireo no tsy mpino sy tsy mataho-tody,

Koraña Masina


Wednesday, September 9, 2026

Don't forget us in your sincere prayers