Surah An-Nazi'at amin'ny teny Arabo sy Malagasy

Vakio ny Surah An-Nazi'at miaraka amin'ny fandikana malagasy feno, fanononana ary feo fitononana. Dikan-teny isaky ny andininy. (46 Andininy — مكية). An-Nazi'at Henoy, An-Nazi'at Fandikana, An-Nazi'at mp3, An-Nazi'at pdf.

Vakio sy Henoy ny Surah An-Nazi'at

🎧 Andininy
M Mishary Rashid Alafasy
M Mahmoud Khalil Al-Husary
A Abdurrahman As-Sudais
M Mohamed Siddiq Al-Minshawi
A Abdul Basit Abdul Samad
A Ali Al-Hudhaify
A Ahmed ibn Ali al-Ajamy
A Abu Bakr Ash-Shaatree
M Muhammad Ayyoub
A Abdullah Basfar
A Abdullah Al-Juhani
M Maher Al Muaiqly
x1
وَالنَّازِعَاتِ غَرْقًا ۝١
📖 Fandikana Andininy 1
Mianiana Aho amin'ireo anjely izay manongotra amin-kery ny aina,
وَالنَّاشِطَاتِ نَشْطًا ۝٢
📖 Fandikana Andininy 2
sy amin'ireo anjely izay manala malefaka ny aina;
وَالسَّابِحَاتِ سَبْحًا ۝٣
📖 Fandikana Andininy 3
amin'ireo anjely mpivezivezy mpamita iraka,
فَالسَّابِقَاتِ سَبْقًا ۝٤
📖 Fandikana Andininy 4
amin'ireo anjely izay mitari-dalana ireo fanahin'ireo mpino,
فَالْمُدَبِّرَاتِ أَمْرًا ۝٥
📖 Fandikana Andininy 5
ary mandrindra ny zava-drehetra,
يَوْمَ تَرْجُفُ الرَّاجِفَةُ ۝٦
📖 Fandikana Andininy 6
amin'ny andro izay hisian'ny horohoro nohon'ny fidoboky ny anjomara voalohany,
تَتْبَعُهَا الرَّادِفَةُ ۝٧
📖 Fandikana Andininy 7
hanaraka izany koa ny fidoboky ny anjomara faharoa,
قُلُوبٌ يَوْمَئِذٍ وَاجِفَةٌ ۝٨
📖 Fandikana Andininy 8
amin'izay andro izay dia ho feno tebiteby ny fo,
أَبْصَارُهَا خَاشِعَةٌ ۝٩
📖 Fandikana Andininy 9
ary ny fijerin'izy ireo dia hitanondrika,
يَقُولُونَ أَإِنَّا لَمَرْدُودُونَ فِي الْحَافِرَةِ ۝١٠
📖 Fandikana Andininy 10
Hiteny izy ireo hoe: "Ahoana no hiverenantsika ho toy ny teo aloha indray?";
أَإِذَا كُنَّا عِظَامًا نَّخِرَةً ۝١١
📖 Fandikana Andininy 11
" Raha toa isika ka ho taolana sy ho vovoka feno fahalovana? "
قَالُوا تِلْكَ إِذًا كَرَّةٌ خَاسِرَةٌ ۝١٢
📖 Fandikana Andininy 12
hilaza izy ireo hoe: " Dia ho fiverenana hamono antoka izany "
فَإِنَّمَا هِيَ زَجْرَةٌ وَاحِدَةٌ ۝١٣
📖 Fandikana Andininy 13
Aza mangataka ny hanalavitra fa tsy hisy afa-tsy antso tokana ihany izany.
فَإِذَا هُم بِالسَّاهِرَةِ ۝١٤
📖 Fandikana Andininy 14
Ary dia indro izy ireo ho eo ambonin'ny tanim-pitsarana
هَلْ أَتَاكَ حَدِيثُ مُوسَىٰ ۝١٥
📖 Fandikana Andininy 15
Moa ve tonga taminao ny tantaran'i Moosa?
إِذْ نَادَاهُ رَبُّهُ بِالْوَادِ الْمُقَدَّسِ طُوًى ۝١٦
📖 Fandikana Andininy 16
Tamin'ny niantsoan'ny Tompony azy tao an-dohasaha masin'i To'a?
اذْهَبْ إِلَىٰ فِرْعَوْنَ إِنَّهُ طَغَىٰ ۝١٧
📖 Fandikana Andininy 17
Mandehana ianao any amin'ny Farao, fa raha ny tena marina dia efa mpikomy izy.
فَقُلْ هَل لَّكَ إِلَىٰ أَن تَزَكَّىٰ ۝١٨
📖 Fandikana Andininy 18
Ary lazao azy hoe: " Manana faniriana hanadio tena ve ianao?
وَأَهْدِيَكَ إِلَىٰ رَبِّكَ فَتَخْشَىٰ ۝١٩
📖 Fandikana Andininy 19
Ka hotarihiko ho amin'ny fanompoana ny tomponao mba hanampahatahorana Azy ?
فَأَرَاهُ الْآيَةَ الْكُبْرَىٰ ۝٢٠
📖 Fandikana Andininy 20
Ary dia nasehony azy ny famantarana lehibe.
فَكَذَّبَ وَعَصَىٰ ۝٢١
📖 Fandikana Andininy 21
Nihevitra izany ho lainga anefa izy ka dia tsy nankato,
ثُمَّ أَدْبَرَ يَسْعَىٰ ۝٢٢
📖 Fandikana Andininy 22
Fa nihodina nanda ny finoana izy ireo ary lasa faingana nanao ny faharatsiana
فَحَشَرَ فَنَادَىٰ ۝٢٣
📖 Fandikana Andininy 23
Dia namory ireo olony izy ary nanao fanambarana.
فَقَالَ أَنَا رَبُّكُمُ الْأَعْلَىٰ ۝٢٤
📖 Fandikana Andininy 24
ka nilaza hoe: " Izaho no tomponareo, ilay avo indrindra."
فَأَخَذَهُ اللَّهُ نَكَالَ الْآخِرَةِ وَالْأُولَىٰ ۝٢٥
📖 Fandikana Andininy 25
Nohon'izany dia nampiharin'I Allah taminy ny sazy teto an-tany ary homeny koa ny any an-koatra,
إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَعِبْرَةً لِّمَن يَخْشَىٰ ۝٢٦
📖 Fandikana Andininy 26
Izany toe-javatra izany dia fampieritreretana lehibe tokoa ho an'izay manana fahatahorana an'I Allah.
أَأَنتُمْ أَشَدُّ خَلْقًا أَمِ السَّمَاءُ ۚ بَنَاهَا ۝٢٧
📖 Fandikana Andininy 27
Moa ve ny fahariana anareo dia nanao sarotra tokoa nohon'ny nahariana ny lanitra izay naoriny.
رَفَعَ سَمْكَهَا فَسَوَّاهَا ۝٢٨
📖 Fandikana Andininy 28
Nataony ho ambony toerana ary vita mitovy tantana,
وَأَغْطَشَ لَيْلَهَا وَأَخْرَجَ ضُحَاهَا ۝٢٩
📖 Fandikana Andininy 29
Nataony ho maizina ny alina ary nohazavany ny androny,
وَالْأَرْضَ بَعْدَ ذَٰلِكَ دَحَاهَا ۝٣٠
📖 Fandikana Andininy 30
Ary ny tany kosa taorian'izany dia nataony midadasika,
أَخْرَجَ مِنْهَا مَاءَهَا وَمَرْعَاهَا ۝٣١
📖 Fandikana Andininy 31
ka avy taminy no namoahany ny rano sy ny kijana firaofanan'ny biby.
وَالْجِبَالَ أَرْسَاهَا ۝٣٢
📖 Fandikana Andininy 32
Ary ireo tendrombohitra dia nataony andry iankinany;
مَتَاعًا لَّكُمْ وَلِأَنْعَامِكُمْ ۝٣٣
📖 Fandikana Andininy 33
Mba hahasoa anareo sy ireo biby fiompinareo,
فَإِذَا جَاءَتِ الطَّامَّةُ الْكُبْرَىٰ ۝٣٤
📖 Fandikana Andininy 34
rehefa ho tonga ny fikorontanana lehibe,
يَوْمَ يَتَذَكَّرُ الْإِنسَانُ مَا سَعَىٰ ۝٣٥
📖 Fandikana Andininy 35
amin'ny andro izay hahatsiarovan'ny olombelona ny asa rehetra nataony,
وَبُرِّزَتِ الْجَحِيمُ لِمَن يَرَىٰ ۝٣٦
📖 Fandikana Andininy 36
dia hibaribary amin'izay mijery ny Afo be,
فَأَمَّا مَن طَغَىٰ ۝٣٧
📖 Fandikana Andininy 37
Fa izay nikomy tsy nankato an'I Allah kosa
وَآثَرَ الْحَيَاةَ الدُّنْيَا ۝٣٨
📖 Fandikana Andininy 38
sy nifidy ny fiainana eto ambonin'ny tany,
فَإِنَّ الْجَحِيمَ هِيَ الْمَأْوَىٰ ۝٣٩
📖 Fandikana Andininy 39
dia ny Afo be no hitoeran'izy ireo,
وَأَمَّا مَنْ خَافَ مَقَامَ رَبِّهِ وَنَهَى النَّفْسَ عَنِ الْهَوَىٰ ۝٤٠
📖 Fandikana Andininy 40
Ary ho an'izay natahotra ny fihaonan'izy ireo eo anoloan'ny Tompony sy nitandrina ny tenany tamin'ny filan-dratsin'ny nofo kosa;
فَإِنَّ الْجَنَّةَ هِيَ الْمَأْوَىٰ ۝٤١
📖 Fandikana Andininy 41
dia ny paradisa no ho fonenan'izy ireo,
يَسْأَلُونَكَ عَنِ السَّاعَةِ أَيَّانَ مُرْسَاهَا ۝٤٢
📖 Fandikana Andininy 42
Hanontany anao ny amin'ny andro farany izy ireo hoe: "Rahoviana anga no ahatongavan'izany? "
فِيمَ أَنتَ مِن ذِكْرَاهَا ۝٤٣
📖 Fandikana Andininy 43
Amin'ny fomba ahoana no hilazanao izany amin'izy ireo?
إِلَىٰ رَبِّكَ مُنتَهَاهَا ۝٤٤
📖 Fandikana Andininy 44
any amin'ny Tomponao ny fahalalana izany.
إِنَّمَا أَنتَ مُنذِرُ مَن يَخْشَاهَا ۝٤٥
📖 Fandikana Andininy 45
Satria ianao dia mpampitandrina ihany an'izay manana fahatahorana an'izany,
كَأَنَّهُمْ يَوْمَ يَرَوْنَهَا لَمْ يَلْبَثُوا إِلَّا عَشِيَّةً أَوْ ضُحَاهَا ۝٤٦
📖 Fandikana Andininy 46
Amin'ny andro izay hahitan'izy ireo ny andro farany dia tahaka ny tsy nonina tety an-tany afa-tsy indray maraina na indray hariva fotsiny izy ireo,
← 78 An-Nazi'at (79/114) 80 →
Vakio Surah An-Nazi'at Malagasy – Fandikana, Fanononana ary Feo

79النازعات An-Nazi'at 📚 46 Andininy مكية

Andininy isan-tsokajy – Surah An-Nazi'at — 46 Andininy




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers