Surah An-Naba pdf — Alaino (Malagasy)
Surah An-Naba pdf Malagasy — Alaino Surah An-Naba Fandikana. Surah An-Naba (Meccan) 40 Andininy.
Related
- Surah An-Naba FandikanaMalagasy
- Surah An-Naba mp3Henoy
- Quran Index Malagasy114
More Surah PDF
Surah An-Naba

ﭑﭒﭓ
78:1
Ny amin'inona moa no ifanontanian'izy ireo ?
ﭔﭕﭖﭗ
78:2
Ny amin'ilay vaovao lehibe.
ﭘﭙﭚﭛﭜ
78:3
Izay tsy mampifanaraka azy ireo.
ﭝﭞﭟ
78:4
Tsia! Mbola ho fantatr'izy ireo.
ﭠﭡﭢﭣ
78:5
Tsia! Mbola ho fantatr'izy ireo marimarina tokoa.
ﭤﭥﭦﭧﭨ
78:6
Moa ve tsy nataoko ho toeram-pialan-tsasatra ny tany?
ﭩﭪﭫ
78:7
Ary ireo tendrombohitra ho toy ny andry iankinany?
ﭬﭭﭮ
78:8
Ary nohariako ho lahy sy vavy ianareo.
ﭯﭰﭱﭲ
78:9
Ary nataoko ho fialan-tsasatra ho anareo ny torimasonareo.
ﭳﭴﭵﭶ
78:10
Ary nataoko ho toy ny firakotra ho anareo ny aizin'ny alina.
ﭷﭸﭹﭺ
78:11
Ary nataoko ho fitadiavam-pivelomana ho anareo ny atoandro.
ﭻﭼﭽﭾﭿ
78:12
Ary naoriko eo amboninareo ireo lanitra fito sosona mafy orina.
ﮀﮁﮂﮃ
78:13
Ary nasiako jiro manazava izay mafana sy mahery vaika.
ﮄﮅﮆﮇﮈﮉ
78:14
Ary narotsako avy amin'ny rahona matevina ny rano sesehana.
ﮊﮋﮌﮍﮎ
78:15
Mba hampitsiriako amin'ny alalan'izany ireo voa mahavelona sy zava-maniry isan-karazany.
ﮏﮐﮑ
78:16
Sy ireo saha mahate ho tia.
ﮒﮓﮔﮕﮖﮗ
78:17
Eny! Efa voafaritra ny andron'ny fitsarana.
ﮘﮙﮚﮛﮜﮝﮞ
78:18
Ilay andro hitsofana ny anjomara ka hahatongavanareo amin'ny andiany maro.
ﮟﮠﮡﮢﮣ
78:19
Ary ho sokafana ny lanitra ka hisian'ireo varavarana maro.
ﮤﮥﮦﮧﮨ
78:20
Ary hihetsika ireo tendrombohitra ka lasa hanana endrika mamitaka ny maso.
ﮩﮪﮫﮬﮭ
78:21
ny helo dia miambina fatratra,
ﮮﮯﮰ
78:22
mba honenan'ireo mpikomy,
ﮱﯓﯔﯕ
78:23
ka hitoetra ao izy ireo an-jato taonany maro mifanesy,
ﯖﯗﯘﯙﯚﯛﯜ
78:24
dia tsy hahatsapa hatsiaka na hanendry zava-pisotro mihitsy,
ﯝﯞﯟﯠ
78:25
afa tsy ny rano mangotraka sy ireo tsiranoka maimbo,
ﯡﯢﯣ
78:26
izany no valin'asa tsy ara-drariny
ﯤﯥﯦﯧﯨﯩ
78:27
Tsy mba nieritreritra ny fitsarana farany izy ireo,
ﯪﯫﯬﯭ
78:28
nataon'izy ireo ho lainga mandrakariva ny faminaniana nalefako,
ﯮﯯﯰﯱﯲ
78:29
Ny zava-drehetra anefa dia efa noraiketiko an-tsoratra avokoa,
ﯳﯴﯵﯶﯷﯸ
78:30
koa dia andramo ary! Tsy hanampy anareo na oviana na oviana Aho afa-tsy ny sazy,
ﭑﭒﭓﭔ
78:31
Ireo matahotra an'iAllah kosa dia hahazo ny fahombiazana,
ﭕﭖﭗ
78:32
ao ireo saha maintso mavana sy karazam-boaloboka,
ﭘﭙﭚ
78:33
ireo tovovavy ao anatin'ny hatanorana lalandava ,
ﭛﭜﭝ
78:34
ireo zava-pisotroana mitosaka nohon'ny hafenoany,
ﭞﭟﭠﭡﭢﭣﭤ
78:35
Tsy handre teny ratsy sy lainga ao izy ireo,
ﭥﭦﭧﭨﭩﭪ
78:36
Izany dia valisoa avy amin'ny tomponao, fanomezana tena ara-drariny,
ﭫﭬﭭﭮﭯﭰﭱﭲﭳﭴﭵﭶ
78:37
Ilay Tompon'ny lanitra sy ny tany; ary izay rehetra eo anelanelan'izy roa ireo, ary tsy hanam-pahefana hilao-bava ho Azy izy ireo,
ﭷﭸﭹﭺﭻﭼﭽﭾﭿﮀﮁﮂﮃﮄﮅﮆ
78:38
Amin'ny andro izay hijoroan'ny fanahy sy ireo anjely amin'ny laharana iray, ka tsy hisy hilao-bava afa-tsy izay nomen'ilay be fiantrana alalana ny amin'izany, dia ilay niteny ny mahatokana an'I Allah,
ﮇﮈﮉﮊﮋﮌﮍﮎﮏﮐﮑ
78:39
Izany andro izany no hisehoan'ny fahamarinana, koa izay mila dia mitadiava fialofana any amin'ny Tompo,
ﮒﮓﮔﮕﮖﮗﮘﮙﮚﮛﮜﮝﮞﮟﮠﮡ
78:40
Eny! Efa nampitandrina anareo Aho ny amin'ny famaizana tsy ho ela, dia ilay andro izay ahitan'ny olombelona ireo asa nataony, ka hitenenan'ny tsy mpino hoe: " Tahak'izay anie aho mba nody ho vovoka ihany! "
Koraña Masina
Wednesday, September 9, 2026
Don't forget us in your sincere prayers







