Surah At-Tariq pdf — Alaino (Malagasy)
Surah At-Tariq pdf Malagasy — Alaino Surah At-Tariq Fandikana. Surah At-Tariq (Meccan) 17 Andininy.
Related
- Surah At-Tariq FandikanaMalagasy
- Surah At-Tariq mp3Henoy
- Quran Index Malagasy114
More Surah PDF
Surah At-Tariq

ﭑﭒﭓ
86:1
Mianiana amin’ny lanitra, sy amin’ny kintana fitarik’andro Aho.
ﭔﭕﭖﭗﭘ
86:2
Moa mba fantatrao va izany kintana fitarik’andro izany?
ﭙﭚﭛ
86:3
Ilay kintana feno famirapiratana.
ﭜﭝﭞﭟﭠﭡﭢ
86:4
Eny! Tsy misy fanahy ka tsy manana mpiambina,
ﭣﭤﭥﭦﭧ
86:5
Koa tokony handinika ny olombelona, avy amin'inona tokoa moa no nahariana azy?
ﭨﭩﭪﭫﭬ
86:6
Nohariana avy amin'ny ranon'aina mifantsitsitra izy.
ﭭﭮﭯﭰﭱﭲ
86:7
izay mivoaka avy eo anelanelan'ny taolan-damosina sy ny tehezana.
ﭳﭴﭵﭶﭷ
86:8
tena marina fa Izy Allah dia mahafehy amin'ny fananganana azy amin'ny maty,
ﭸﭹﭺﭻ
86:9
amin'ny Andro izay hamborahana ireo miafina rehetra tao am-po,
ﭼﭽﭾﭿﮀﮁﮂ
86:10
ka tsy hananan'ny olombelona hery sy mpamonjy,
ﮃﮄﮅﮆ
86:11
Mianiana Aho amin'ny lanitra izay mampisy ny orana,
ﮇﮈﮉﮊ
86:12
sy ny tany izay mampitsiry ireo zava-maniry,
ﮋﮌﮍﮎ
86:13
fa ny Koroany masina dia teny manavaka ny marina amin'ny lainga,
ﮏﮐﮑﮒ
86:14
ary tsy vazivazy tsy misy fotony velively akory,
ﮓﮔﮕﮖ
86:15
Mampiasa ny hafetsen-dratsiny tokoa izy ireo (ireo tsy mpino),
ﮗﮘﮙ
86:16
Izaho koa anefa dia mamaly azy ireo ny amin'izany,
ﮚﮛﮜﮝﮞ
86:17
Koa omeo fe-potoana ireo tsy mpino, fe-potoana kely ihany.
Koraña Masina
Wednesday, September 9, 2026
Don't forget us in your sincere prayers







