Al-Baqarah · 162/286
Fandikana Fanononana — Al-Baqarah
خَالِدِينَ فِيهَا ۖ لَا يُخَفَّفُ عَنْهُمُ الْعَذَابُ وَلَا هُمْ يُنظَرُونَ ۝١٦٢
khaalideena feeha laa yukhaffafu `anhumul `azaabu wa laa hum yunzaroon
📖 Dikany Malagasy
Hitoetra ao mandrakizay izy ireo. tsy ho hamaivanina amin’izy ireo ny famaizana, ary tsy hisy hijery azy ireo.
🎧 Henoy

📜 Andininy 160-164 — Al-Baqarah

160إِلَّا الَّذِينَ تَابُوا وَأَصْلَحُوا وَبَيَّنُوا فَأُولَٰئِكَ أَتُوبُ عَلَيْهِمْ ۚ وَأَنَا التَّوَّابُ الرَّحِيمُ
Afa-tsy ireo izay nibebaka sy nanarina ny tenany ary nanambara ny marina, izy ireny no ekeko ny fibebahany. fa Izaho ilay mpandray ny fibebahana, ilay be fiantrana.
161إِنَّ الَّذِينَ كَفَرُوا وَمَاتُوا وَهُمْ كُفَّارٌ أُولَٰئِكَ عَلَيْهِمْ لَعْنَةُ اللَّهِ وَالْمَلَائِكَةِ وَالنَّاسِ أَجْمَعِينَ
Tena marina fa ireo izay tsy nino ka maty tsy mpino, izy ireny no iharan’ny ozon’ i Allah sy ny an’ireo Anjely ary ny an’olombelona rehetra.
162خَالِدِينَ فِيهَا ۖ لَا يُخَفَّفُ عَنْهُمُ الْعَذَابُ وَلَا هُمْ يُنظَرُونَ
Hitoetra ao mandrakizay izy ireo. tsy ho hamaivanina amin’izy ireo ny famaizana, ary tsy hisy hijery azy ireo.
163وَإِلَٰهُكُمْ إِلَٰهٌ وَاحِدٌ ۖ لَّا إِلَٰهَ إِلَّا هُوَ الرَّحْمَٰنُ الرَّحِيمُ
Ary ny Zanaharinareo dia Zanahary tokana. tsy misy Zanahary afa-tsy Izy (Allah), ilay be Indrafò, ilay be fiantrana.
164إِنَّ فِي خَلْقِ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ وَاخْتِلَافِ اللَّيْلِ وَالنَّهَارِ وَالْفُلْكِ الَّتِي تَجْرِي فِي الْبَحْرِ بِمَا يَنفَعُ النَّاسَ وَمَا أَنزَلَ اللَّهُ مِنَ السَّمَاءِ مِن مَّاءٍ فَأَحْيَا بِهِ الْأَرْضَ بَعْدَ مَوْتِهَا وَبَثَّ فِيهَا مِن كُلِّ دَابَّةٍ وَتَصْرِيفِ الرِّيَاحِ وَالسَّحَابِ الْمُسَخَّرِ بَيْنَ السَّمَاءِ وَالْأَرْضِ لَآيَاتٍ لِّقَوْمٍ يَعْقِلُونَ
Tena marina fa ao anatin’ny fanamboarana ireo lanitra sy ny tany, ny fifandimbiasan’ny alina sy ny andro, sy ny sambo izay misosa eny an-dranomasina ka feno tombotsoa ilain’ny olombelona, ny amin’ny rano izay nampidinin’i Allah avy eny an-danitra ka namelomany tamin’ny alalany ny tany taorian’ny nahafatesany (nahamaina azy), sy ny nanaparitahany ao aminy (amin'ny tany) ireo karazam-biby maro samihafa, ary ny fiovaovan’ny rivotra, sy ny rahona voarindra eo anelanelan’ny lanitra sy ny tany, dia tena famantarana lehibe ho an’ny vahoaka misaina.
Al-BaqarahFizahan-takila Koraña
286Andininy
MedinanRevelation
162Andininy

Fandikana — Al-Baqarah 162

Surah Al-Baqarah Andininy 162 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Hitoetra ao mandrakizay izy ireo. tsy ho hamaivanina amin’izy ireo…

Surah Andininy 162/286 — Al-Baqarah البقرة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Baqarah Henoy, Al-Baqarah Fandikana, Al-Baqarah mp3, Al-Baqarah pdf. Andininy 160–164. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers