Al-Baqarah · 163/286
Fandikana Fanononana — Al-Baqarah
وَإِلَٰهُكُمْ إِلَٰهٌ وَاحِدٌ ۖ لَّا إِلَٰهَ إِلَّا هُوَ الرَّحْمَٰنُ الرَّحِيمُ ۝١٦٣
Wa ilaahukum illaahunw waahid, laaa ilaaha illaa Huwar Rahmaanur Raheem
📖 Dikany Malagasy
Ary ny Zanaharinareo dia Zanahary tokana. tsy misy Zanahary afa-tsy Izy (Allah), ilay be Indrafò, ilay be fiantrana.
🎧 Henoy

📜 Andininy 161-165 — Al-Baqarah

161إِنَّ الَّذِينَ كَفَرُوا وَمَاتُوا وَهُمْ كُفَّارٌ أُولَٰئِكَ عَلَيْهِمْ لَعْنَةُ اللَّهِ وَالْمَلَائِكَةِ وَالنَّاسِ أَجْمَعِينَ
Tena marina fa ireo izay tsy nino ka maty tsy mpino, izy ireny no iharan’ny ozon’ i Allah sy ny an’ireo Anjely ary ny an’olombelona rehetra.
162خَالِدِينَ فِيهَا ۖ لَا يُخَفَّفُ عَنْهُمُ الْعَذَابُ وَلَا هُمْ يُنظَرُونَ
Hitoetra ao mandrakizay izy ireo. tsy ho hamaivanina amin’izy ireo ny famaizana, ary tsy hisy hijery azy ireo.
163وَإِلَٰهُكُمْ إِلَٰهٌ وَاحِدٌ ۖ لَّا إِلَٰهَ إِلَّا هُوَ الرَّحْمَٰنُ الرَّحِيمُ
Ary ny Zanaharinareo dia Zanahary tokana. tsy misy Zanahary afa-tsy Izy (Allah), ilay be Indrafò, ilay be fiantrana.
164إِنَّ فِي خَلْقِ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ وَاخْتِلَافِ اللَّيْلِ وَالنَّهَارِ وَالْفُلْكِ الَّتِي تَجْرِي فِي الْبَحْرِ بِمَا يَنفَعُ النَّاسَ وَمَا أَنزَلَ اللَّهُ مِنَ السَّمَاءِ مِن مَّاءٍ فَأَحْيَا بِهِ الْأَرْضَ بَعْدَ مَوْتِهَا وَبَثَّ فِيهَا مِن كُلِّ دَابَّةٍ وَتَصْرِيفِ الرِّيَاحِ وَالسَّحَابِ الْمُسَخَّرِ بَيْنَ السَّمَاءِ وَالْأَرْضِ لَآيَاتٍ لِّقَوْمٍ يَعْقِلُونَ
Tena marina fa ao anatin’ny fanamboarana ireo lanitra sy ny tany, ny fifandimbiasan’ny alina sy ny andro, sy ny sambo izay misosa eny an-dranomasina ka feno tombotsoa ilain’ny olombelona, ny amin’ny rano izay nampidinin’i Allah avy eny an-danitra ka namelomany tamin’ny alalany ny tany taorian’ny nahafatesany (nahamaina azy), sy ny nanaparitahany ao aminy (amin'ny tany) ireo karazam-biby maro samihafa, ary ny fiovaovan’ny rivotra, sy ny rahona voarindra eo anelanelan’ny lanitra sy ny tany, dia tena famantarana lehibe ho an’ny vahoaka misaina.
165وَمِنَ النَّاسِ مَن يَتَّخِذُ مِن دُونِ اللَّهِ أَندَادًا يُحِبُّونَهُمْ كَحُبِّ اللَّهِ ۖ وَالَّذِينَ آمَنُوا أَشَدُّ حُبًّا لِّلَّهِ ۗ وَلَوْ يَرَى الَّذِينَ ظَلَمُوا إِذْ يَرَوْنَ الْعَذَابَ أَنَّ الْقُوَّةَ لِلَّهِ جَمِيعًا وَأَنَّ اللَّهَ شَدِيدُ الْعَذَابِ
Ary misy amin’ny olombelona izay mandray zavatra hafa, ankoatran’i Allah, ka mampitovy azy Aminy, tiaviny tahaka ny fitiavana an’i Allah izany. fa ireo izay nino kosa no manana fitiavana mafy kokoa an’i Allah. ary raha hitan’ireo izay nanao ny tsy rariny, rehefa mahita ny sazy izy ireo, dia ho tsapany fa ny hery rehetra dia an’i Allah, ary tena marina fa Allah dia mahery vaika amin’ny fanasaziana.
Al-BaqarahFizahan-takila Koraña
286Andininy
MedinanRevelation
163Andininy

Fandikana — Al-Baqarah 163

Surah Al-Baqarah Andininy 163 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary ny Zanaharinareo dia Zanahary tokana. tsy misy Zanahary afa-tsy…

Surah Andininy 163/286 — Al-Baqarah البقرة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Baqarah Henoy, Al-Baqarah Fandikana, Al-Baqarah mp3, Al-Baqarah pdf. Andininy 161–165. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers