Al-Baqarah · 251/286
Fandikana Fanononana — Al-Baqarah
فَهَزَمُوهُم بِإِذْنِ اللَّهِ وَقَتَلَ دَاوُودُ جَالُوتَ وَآتَاهُ اللَّهُ الْمُلْكَ وَالْحِكْمَةَ وَعَلَّمَهُ مِمَّا يَشَاءُ ۗ وَلَوْلَا دَفْعُ اللَّهِ النَّاسَ بَعْضَهُم بِبَعْضٍ لَّفَسَدَتِ الْأَرْضُ وَلَٰكِنَّ اللَّهَ ذُو فَضْلٍ عَلَى الْعَالَمِينَ ۝٢٥١
Fahazamoohum bi iznillaahi wa qatala Daawoodu jaaloota wa aataahul laahulmulka Wal Hikmata wa `allamahoo mimmaa yashaaa`; wa law laa daf`ullaahin naasa ba`dahum biba`dil lafasadatil ardu wa laakinnal laaha zoo fadlin `alal`aalameen
📖 Dikany Malagasy
Nandresy noho ny herin’i Allah izy ireo, ary matin’i Daoda i Jalota (matin’i Davida i Goliata), ary nomen’i Allah Azy ny fanjakana sy ny fahendrena, ary nampianariny izay rehetra sitrany Izy. Ary raha tsy noho ny fiarovan'i Allah ny olombelona ankilany avy amin'ny alàlan'ny andaniny, dia tena efa simba tanteraka ny tany, nefa Allah no tompom-pahasoavana eto amin’izao tontolo izao.

🎧 Henoy


📜 Andininy 249-253 — Al-Baqarah

249فَلَمَّا فَصَلَ طَالُوتُ بِالْجُنُودِ قَالَ إِنَّ اللَّهَ مُبْتَلِيكُم بِنَهَرٍ فَمَن شَرِبَ مِنْهُ فَلَيْسَ مِنِّي وَمَن لَّمْ يَطْعَمْهُ فَإِنَّهُ مِنِّي إِلَّا مَنِ اغْتَرَفَ غُرْفَةً بِيَدِهِ ۚ فَشَرِبُوا مِنْهُ إِلَّا قَلِيلًا مِّنْهُمْ ۚ فَلَمَّا جَاوَزَهُ هُوَ وَالَّذِينَ آمَنُوا مَعَهُ قَالُوا لَا طَاقَةَ لَنَا الْيَوْمَ بِجَالُوتَ وَجُنُودِهِ ۚ قَالَ الَّذِينَ يَظُنُّونَ أَنَّهُم مُّلَاقُو اللَّهِ كَم مِّن فِئَةٍ قَلِيلَةٍ غَلَبَتْ فِئَةً كَثِيرَةً بِإِذْنِ اللَّهِ ۗ وَاللَّهُ مَعَ الصَّابِرِينَ
Koa, rehefa nivoaka ny tanàna, niaraka tamin’ireo miaramila i Talota (Mpanjaka) dia niteny izy hoe : “ Tena marina fa i Allah dia mitsapa anareo amin’ny renirano, ka izay misotro amin’izany dia tsy anisan’ny ho mpiara-dia amiko, ary izay tsy manandrana izany kosa dia tena anisan’ny ho mpiara-dia amiko, afa-tsy izay nanovo indray mandeha tamin’ny ati-tanany ”. ka nisotro izany avokoa izy ireo afa-tsy ny vitsivitsy taminy. ary rehefa nihoatra izany renirano izany izy sy ireo izay nino niaraka taminy, dia niteny hoe : ” tsy manan-kery izahay androany hanoherana an’i Jalota (Goliata) sy ny miaramilany ”.niteny kosa ireo izay resy lahatra fa tsy maintsy hifanena amin’i Allah hoe : “ Firifiry tamin’ny andian’olona vitsy no nandresy ireo andiany maro an’isa noho ny fahefan’ i Allah ! ary Allah dia miaraka amin’ireo manam-paharetana.
250وَلَمَّا بَرَزُوا لِجَالُوتَ وَجُنُودِهِ قَالُوا رَبَّنَا أَفْرِغْ عَلَيْنَا صَبْرًا وَثَبِّتْ أَقْدَامَنَا وَانصُرْنَا عَلَى الْقَوْمِ الْكَافِرِينَ
Ary rehefa niatrika an’i Jalota (Goliata) sy ireo miaramilany izy ireo dia niteny hoe :” O ! Ry Tomponay ! arotsahy aminay ny faharetana, ary hamafiso ny dianay ary avoahy ho mpandresy eo anatrehan’ireo vahoaka tsy mpino izahay ”.
251فَهَزَمُوهُم بِإِذْنِ اللَّهِ وَقَتَلَ دَاوُودُ جَالُوتَ وَآتَاهُ اللَّهُ الْمُلْكَ وَالْحِكْمَةَ وَعَلَّمَهُ مِمَّا يَشَاءُ ۗ وَلَوْلَا دَفْعُ اللَّهِ النَّاسَ بَعْضَهُم بِبَعْضٍ لَّفَسَدَتِ الْأَرْضُ وَلَٰكِنَّ اللَّهَ ذُو فَضْلٍ عَلَى الْعَالَمِينَ
Nandresy noho ny herin’i Allah izy ireo, ary matin’i Daoda i Jalota (matin’i Davida i Goliata), ary nomen’i Allah Azy ny fanjakana sy ny fahendrena, ary nampianariny izay rehetra sitrany Izy. Ary raha tsy noho ny fiarovan'i Allah ny olombelona ankilany avy amin'ny alàlan'ny andaniny, dia tena efa simba tanteraka ny tany, nefa Allah no tompom-pahasoavana eto amin’izao tontolo izao.
252تِلْكَ آيَاتُ اللَّهِ نَتْلُوهَا عَلَيْكَ بِالْحَقِّ ۚ وَإِنَّكَ لَمِنَ الْمُرْسَلِينَ
Izany rehetra izany, dia andian-teny famantarana avy amin’Allah, notanisainay taminao amim-pahamarinana. Ary hamafisina, fa ianao dia isan’ireo Iraka.
253۞ تِلْكَ الرُّسُلُ فَضَّلْنَا بَعْضَهُمْ عَلَىٰ بَعْضٍ ۘ مِّنْهُم مَّن كَلَّمَ اللَّهُ ۖ وَرَفَعَ بَعْضَهُمْ دَرَجَاتٍ ۚ وَآتَيْنَا عِيسَى ابْنَ مَرْيَمَ الْبَيِّنَاتِ وَأَيَّدْنَاهُ بِرُوحِ الْقُدُسِ ۗ وَلَوْ شَاءَ اللَّهُ مَا اقْتَتَلَ الَّذِينَ مِن بَعْدِهِم مِّن بَعْدِ مَا جَاءَتْهُمُ الْبَيِّنَاتُ وَلَٰكِنِ اخْتَلَفُوا فَمِنْهُم مَّنْ آمَنَ وَمِنْهُم مَّن كَفَرَ ۚ وَلَوْ شَاءَ اللَّهُ مَا اقْتَتَلُوا وَلَٰكِنَّ اللَّهَ يَفْعَلُ مَا يُرِيدُ
Amin'ireny Iraka ireny, dia misy sasany nomenay tombom-pahasoavana mihoatra ny hafa. Misy amin'izy ireny no notenenin'i Allah mivantana ary misy sasany tamin'izy ireny nasandratany voninahitra ary nomenay porofo miharihary i Jesoa Zanakin'i Maria ary notohananay Izy tamin'ny fanahy masina. Ary raha sitrakan'i Allah dia tsy nifamono velively ireo Olona sasany taorian'izy ireo taorian'ny nahatongavan'ireo porofo teo Aminy, ka nefa dia nifanohitra izy ireo, ka ny sasany tamin'izy ireny nisafidy ny hino, ary ny sasany kosa dia nisafidy ny tsy hino ary raha sitrakan'i Allah dia tsy nifamono velively izy ireny, saingy i Allah no manao izay tiany.
Al-BaqarahFizahan-takila Koraña
286Andininy
MedinanRevelation
251Andininy

Fandikana — Al-Baqarah 251

Surah Al-Baqarah Andininy 251 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Nandresy noho ny herin’i Allah izy ireo, ary matin’i Daoda…

Surah Andininy 251/286 — Al-Baqarah البقرة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Baqarah Henoy, Al-Baqarah Fandikana, Al-Baqarah mp3, Al-Baqarah pdf. Andininy 249–253. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers