Al-Baqarah · 87/286
Fandikana Fanononana — Al-Baqarah
وَلَقَدْ آتَيْنَا مُوسَى الْكِتَابَ وَقَفَّيْنَا مِن بَعْدِهِ بِالرُّسُلِ ۖ وَآتَيْنَا عِيسَى ابْنَ مَرْيَمَ الْبَيِّنَاتِ وَأَيَّدْنَاهُ بِرُوحِ الْقُدُسِ ۗ أَفَكُلَّمَا جَاءَكُمْ رَسُولٌ بِمَا لَا تَهْوَىٰ أَنفُسُكُمُ اسْتَكْبَرْتُمْ فَفَرِيقًا كَذَّبْتُمْ وَفَرِيقًا تَقْتُلُونَ ۝٨٧
Wa laqad aatainaa Moosal Kitaaba wa qaffainaa mim ba`dihee bir Rusuli wa aatainaa `Eesab-na-Maryamal baiyinaati wa ayyadnaahu bi Roohil Qudus; afakullamaa jaaa`akum Rasoolum bimaa laa tahwaaa anfusukumus takbartum fafareeqan kazzabtum wa fareeqan taqtuloon
📖 Dikany Malagasy
Ary efa nomenay an'i Moussa ilay Boky sy nandefa iraka maro nifandimby izahay taoriany, ary nomenay ireo porofo mibaribary i 'Issa (Jesoa) zanak'i Maryam (Maria) no notohananay tamin'ny alalan'ny Fanahy masina izy. ka isaky ny misy iraka tonga aminareo mitondra zavatra tsy mifanaraka amin'ny sitraponareo ve dia manambony tena ianareo ? ! ka nolazainareo ho mpandainga ny sasany ary novonoinareo ny sasany.
🎧 Henoy

📜 Andininy 85-89 — Al-Baqarah

85ثُمَّ أَنتُمْ هَٰؤُلَاءِ تَقْتُلُونَ أَنفُسَكُمْ وَتُخْرِجُونَ فَرِيقًا مِّنكُم مِّن دِيَارِهِمْ تَظَاهَرُونَ عَلَيْهِم بِالْإِثْمِ وَالْعُدْوَانِ وَإِن يَأْتُوكُمْ أُسَارَىٰ تُفَادُوهُمْ وَهُوَ مُحَرَّمٌ عَلَيْكُمْ إِخْرَاجُهُمْ ۚ أَفَتُؤْمِنُونَ بِبَعْضِ الْكِتَابِ وَتَكْفُرُونَ بِبَعْضٍ ۚ فَمَا جَزَاءُ مَن يَفْعَلُ ذَٰلِكَ مِنكُمْ إِلَّا خِزْيٌ فِي الْحَيَاةِ الدُّنْيَا ۖ وَيَوْمَ الْقِيَامَةِ يُرَدُّونَ إِلَىٰ أَشَدِّ الْعَذَابِ ۗ وَمَا اللَّهُ بِغَافِلٍ عَمَّا تَعْمَلُونَ
Avy eo dia iny ianareo fa nifamono ary nandroaka avy tamin'ny fonenany ny sasany taminareo; ka niara-nifarimbona tamin'ny fahavalo mihitsy ianareo nanao fahotana sy ny tsy rariny niady azy ireo. Ary raha babo (ny fahavalo) izy ireo ka tonga aminareo dia aloanareo ny vidim-panavotana ho azy ireo; nefa voarara taminareo ny fanaovana azy ireo sesitany. ka moa ve ianareo mino ny ampahany amin'ilay Boky nefa tsy mino ny ampahany hafa ? ! ka inona no valiny asetry izay manao izany aminareo afa-tsy ny fanalam-baraka (azy ireo) amin'ny fiainana eto an-tany; ary amin'ny Andron'ny fitsanganana amin'ny maty izy ireo dia alefa any amin'ny sazy tena henjana indrindra. ary Allah dia tsy variana mihitsy manoloana izay ataonareo.
86أُولَٰئِكَ الَّذِينَ اشْتَرَوُا الْحَيَاةَ الدُّنْيَا بِالْآخِرَةِ ۖ فَلَا يُخَفَّفُ عَنْهُمُ الْعَذَابُ وَلَا هُمْ يُنصَرُونَ
Izy ireo no sahy nividy ny fiainana eto an-tany amin’ny fiainana any an-koatra. Ka tsy hisy fanalefahan-tsazy ho azy ireo. Ary tsy misy famonjena ihany koa.
87وَلَقَدْ آتَيْنَا مُوسَى الْكِتَابَ وَقَفَّيْنَا مِن بَعْدِهِ بِالرُّسُلِ ۖ وَآتَيْنَا عِيسَى ابْنَ مَرْيَمَ الْبَيِّنَاتِ وَأَيَّدْنَاهُ بِرُوحِ الْقُدُسِ ۗ أَفَكُلَّمَا جَاءَكُمْ رَسُولٌ بِمَا لَا تَهْوَىٰ أَنفُسُكُمُ اسْتَكْبَرْتُمْ فَفَرِيقًا كَذَّبْتُمْ وَفَرِيقًا تَقْتُلُونَ
Ary efa nomenay an'i Moussa ilay Boky sy nandefa iraka maro nifandimby izahay taoriany, ary nomenay ireo porofo mibaribary i 'Issa (Jesoa) zanak'i Maryam (Maria) no notohananay tamin'ny alalan'ny Fanahy masina izy. ka isaky ny misy iraka tonga aminareo mitondra zavatra tsy mifanaraka amin'ny sitraponareo ve dia manambony tena ianareo ? ! ka nolazainareo ho mpandainga ny sasany ary novonoinareo ny sasany.
88وَقَالُوا قُلُوبُنَا غُلْفٌ ۚ بَل لَّعَنَهُمُ اللَّهُ بِكُفْرِهِمْ فَقَلِيلًا مَّا يُؤْمِنُونَ
Ary hoy izy ireo hoe : " Ny fonay dia efa voasarona ". Tsy izany fa efa nozonin'i Allah izy ireo noho ny tsy finoany; ka kely tokoa no inoan'izy ireo.
89وَلَمَّا جَاءَهُمْ كِتَابٌ مِّنْ عِندِ اللَّهِ مُصَدِّقٌ لِّمَا مَعَهُمْ وَكَانُوا مِن قَبْلُ يَسْتَفْتِحُونَ عَلَى الَّذِينَ كَفَرُوا فَلَمَّا جَاءَهُم مَّا عَرَفُوا كَفَرُوا بِهِ ۚ فَلَعْنَةُ اللَّهِ عَلَى الْكَافِرِينَ
Ary nony nampitaina tamin’izy ireo ny boky avy tamin’Allah izay manamafy ny efa teo am-pelatànany hatramin’izay, na dia talohan’izany aza izy ireo, nampiasa izany hanoherana ireo tsy mino tao aminy, saingy rehefa tonga tokoa ilay tena izy izay fantatr’izy ireo tsara, dia notsipahin’izy ireo izany. Koa ny ozon’Allah anie hianjady amin’ireo izay tsy mino.
Al-BaqarahFizahan-takila Koraña
286Andininy
MedinanRevelation
87Andininy

Fandikana — Al-Baqarah 87

Surah Al-Baqarah Andininy 87 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary efa nomenay an'i Moussa ilay Boky sy nandefa iraka…

Surah Andininy 87/286 — Al-Baqarah البقرة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Baqarah Henoy, Al-Baqarah Fandikana, Al-Baqarah mp3, Al-Baqarah pdf. Andininy 85–89. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers