Al-Qasas · 18/88
Fandikana Fanononana — Al-Qasas
فَأَصْبَحَ فِي الْمَدِينَةِ خَائِفًا يَتَرَقَّبُ فَإِذَا الَّذِي اسْتَنصَرَهُ بِالْأَمْسِ يَسْتَصْرِخُهُ ۚ قَالَ لَهُ مُوسَىٰ إِنَّكَ لَغَوِيٌّ مُّبِينٌ ۝١٨
Fa asbaha fil madeenati khaaa`ifany yataraqqabu fa izal lazis tansarahoo bil amsi yastasrikhuh; qaala lahoo moosaaa innaka laghawiyyum mubeen
📖 Dikany Malagasy
Ny ampitso maraina, dia lasa natahotra ny tao an-tanàna sy mijery ny manodidina azy izy. Ka indro indray ilay nangata-bonjy taminy omaly, nihiakiaka niantso azy. Niteny taminy i Mosesy hoe : “Marina fa ianao dia tena very tokoa”.

🎧 Henoy


📜 Andininy 16-20 — Al-Qasas

16قَالَ رَبِّ إِنِّي ظَلَمْتُ نَفْسِي فَاغْفِرْ لِي فَغَفَرَ لَهُ ۚ إِنَّهُ هُوَ الْغَفُورُ الرَّحِيمُ
Niteny izy hoe : “Tompo ô ! Tena marina fa nanao hadisoana tamin’ny tenako ihany aho, ka mamelà ahy Ianao”. Dia namela azy Izy. Tena marina fa Izy no Ilay be Famelan-keloka, ilay be Indrafo.
17قَالَ رَبِّ بِمَا أَنْعَمْتَ عَلَيَّ فَلَنْ أَكُونَ ظَهِيرًا لِّلْمُجْرِمِينَ
Niteny izy hoe : “Tompo ô ! Nohon'ny fahasoavana natobakao tamiko, dia tsy hanohana ireo mpanao heloka be vava intsony aho”.
18فَأَصْبَحَ فِي الْمَدِينَةِ خَائِفًا يَتَرَقَّبُ فَإِذَا الَّذِي اسْتَنصَرَهُ بِالْأَمْسِ يَسْتَصْرِخُهُ ۚ قَالَ لَهُ مُوسَىٰ إِنَّكَ لَغَوِيٌّ مُّبِينٌ
Ny ampitso maraina, dia lasa natahotra ny tao an-tanàna sy mijery ny manodidina azy izy. Ka indro indray ilay nangata-bonjy taminy omaly, nihiakiaka niantso azy. Niteny taminy i Mosesy hoe : “Marina fa ianao dia tena very tokoa”.
19فَلَمَّا أَنْ أَرَادَ أَن يَبْطِشَ بِالَّذِي هُوَ عَدُوٌّ لَّهُمَا قَالَ يَا مُوسَىٰ أَتُرِيدُ أَن تَقْتُلَنِي كَمَا قَتَلْتَ نَفْسًا بِالْأَمْسِ ۖ إِن تُرِيدُ إِلَّا أَن تَكُونَ جَبَّارًا فِي الْأَرْضِ وَمَا تُرِيدُ أَن تَكُونَ مِنَ الْمُصْلِحِينَ
Ary rehefa mila hamely ilay fahavalo iombonan’izy roa lahy izy, dia niteny izy nanao hoe : “Ô ry Mosesy ! Mitady hamono ahy ve ianao tahaka ny namonoanao olona omaly ? Tsy mitady afa-tsy ho mpanao herisetra eto an-tany ianao, ary tsy mitady ho anisan’ireo mpanatsara”.
20وَجَاءَ رَجُلٌ مِّنْ أَقْصَى الْمَدِينَةِ يَسْعَىٰ قَالَ يَا مُوسَىٰ إِنَّ الْمَلَأَ يَأْتَمِرُونَ بِكَ لِيَقْتُلُوكَ فَاخْرُجْ إِنِّي لَكَ مِنَ النَّاصِحِينَ
Ary dia indro tonga am-pihazakazahana ny lehilahy anankiray avy amin’ny faran’ny tanàna, niteny hoe : “Ô ry Mosesy ! Ireo loholona dia eo am-pikaonan-doha mifandinika momba ny hamonoan’izy ireo anao. Ka mivoaha ianao ! Anisan’ireo mpanoro hevitra anao aho”.
Al-QasasFizahan-takila Koraña
88Andininy
MeccanRevelation
18Andininy

Fandikana — Al-Qasas 18

Surah Al-Qasas Andininy 18 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ny ampitso maraina, dia lasa natahotra ny tao an-tanàna sy…

Surah Andininy 18/88 — Al-Qasas القصص (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Qasas Henoy, Al-Qasas Fandikana, Al-Qasas mp3, Al-Qasas pdf. Andininy 16–20. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers