Al-Qasas · 17/88
Fandikana Fanononana — Al-Qasas
قَالَ رَبِّ بِمَا أَنْعَمْتَ عَلَيَّ فَلَنْ أَكُونَ ظَهِيرًا لِّلْمُجْرِمِينَ ۝١٧
Qaala Rabbi bimaaa an`amta `alaiya falan akoona zaheeral lilmujrimeen
📖 Dikany Malagasy
Niteny izy hoe : “Tompo ô ! Nohon'ny fahasoavana natobakao tamiko, dia tsy hanohana ireo mpanao heloka be vava intsony aho”.
🎧 Henoy

📜 Andininy 15-19 — Al-Qasas

15وَدَخَلَ الْمَدِينَةَ عَلَىٰ حِينِ غَفْلَةٍ مِّنْ أَهْلِهَا فَوَجَدَ فِيهَا رَجُلَيْنِ يَقْتَتِلَانِ هَٰذَا مِن شِيعَتِهِ وَهَٰذَا مِنْ عَدُوِّهِ ۖ فَاسْتَغَاثَهُ الَّذِي مِن شِيعَتِهِ عَلَى الَّذِي مِنْ عَدُوِّهِ فَوَكَزَهُ مُوسَىٰ فَقَضَىٰ عَلَيْهِ ۖ قَالَ هَٰذَا مِنْ عَمَلِ الشَّيْطَانِ ۖ إِنَّهُ عَدُوٌّ مُّضِلٌّ مُّبِينٌ
Ary niditra tao amin’ny tanàna izy tamin’ny fotoana nahavariana ny mponina tao aminy, ka nahita lehilahy roa izay niady tao izy, ny iray avy amin’ny andaniny mpomba azy, ary ny iray faharoa avy amin’ireo fahavalony. Niantso vonjy taminy ilay lehilahy avy amin’ny andaniny mpomba azy mba hanohitra ilay avy amin’ny fahavalony. Ka nomen’i Mosesy totohondry izay nahafaty azy izy. Niteny izy hoe : “Izany dia asan’ny satana. Tena marina fa izy dia fahavalo, mpanary miharihary.
16قَالَ رَبِّ إِنِّي ظَلَمْتُ نَفْسِي فَاغْفِرْ لِي فَغَفَرَ لَهُ ۚ إِنَّهُ هُوَ الْغَفُورُ الرَّحِيمُ
Niteny izy hoe : “Tompo ô ! Tena marina fa nanao hadisoana tamin’ny tenako ihany aho, ka mamelà ahy Ianao”. Dia namela azy Izy. Tena marina fa Izy no Ilay be Famelan-keloka, ilay be Indrafo.
17قَالَ رَبِّ بِمَا أَنْعَمْتَ عَلَيَّ فَلَنْ أَكُونَ ظَهِيرًا لِّلْمُجْرِمِينَ
Niteny izy hoe : “Tompo ô ! Nohon'ny fahasoavana natobakao tamiko, dia tsy hanohana ireo mpanao heloka be vava intsony aho”.
18فَأَصْبَحَ فِي الْمَدِينَةِ خَائِفًا يَتَرَقَّبُ فَإِذَا الَّذِي اسْتَنصَرَهُ بِالْأَمْسِ يَسْتَصْرِخُهُ ۚ قَالَ لَهُ مُوسَىٰ إِنَّكَ لَغَوِيٌّ مُّبِينٌ
Ny ampitso maraina, dia lasa natahotra ny tao an-tanàna sy mijery ny manodidina azy izy. Ka indro indray ilay nangata-bonjy taminy omaly, nihiakiaka niantso azy. Niteny taminy i Mosesy hoe : “Marina fa ianao dia tena very tokoa”.
19فَلَمَّا أَنْ أَرَادَ أَن يَبْطِشَ بِالَّذِي هُوَ عَدُوٌّ لَّهُمَا قَالَ يَا مُوسَىٰ أَتُرِيدُ أَن تَقْتُلَنِي كَمَا قَتَلْتَ نَفْسًا بِالْأَمْسِ ۖ إِن تُرِيدُ إِلَّا أَن تَكُونَ جَبَّارًا فِي الْأَرْضِ وَمَا تُرِيدُ أَن تَكُونَ مِنَ الْمُصْلِحِينَ
Ary rehefa mila hamely ilay fahavalo iombonan’izy roa lahy izy, dia niteny izy nanao hoe : “Ô ry Mosesy ! Mitady hamono ahy ve ianao tahaka ny namonoanao olona omaly ? Tsy mitady afa-tsy ho mpanao herisetra eto an-tany ianao, ary tsy mitady ho anisan’ireo mpanatsara”.
Al-QasasFizahan-takila Koraña
88Andininy
MeccanRevelation
17Andininy

Fandikana — Al-Qasas 17

Surah Al-Qasas Andininy 17 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Niteny izy hoe : “Tompo ô ! Nohon'ny fahasoavana natobakao…

Surah Andininy 17/88 — Al-Qasas القصص (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Qasas Henoy, Al-Qasas Fandikana, Al-Qasas mp3, Al-Qasas pdf. Andininy 15–19. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers