Al-Qasas · 43/88
Fandikana Fanononana — Al-Qasas
وَلَقَدْ آتَيْنَا مُوسَى الْكِتَابَ مِن بَعْدِ مَا أَهْلَكْنَا الْقُرُونَ الْأُولَىٰ بَصَائِرَ لِلنَّاسِ وَهُدًى وَرَحْمَةً لَّعَلَّهُمْ يَتَذَكَّرُونَ ۝٤٣
Wa laqad aatainaa Moosal Kitaaba mim ba`di maaa ahlaknal quroonal oolaa basaaa`ira linnaasi wa hudanw wa rahmatal la`allahum yata zakkkaroon
📖 Dikany Malagasy
Ary efa nomenay an’i Mosesy ny boky, taorian’ny nandringananay ireo taranaka taloha, ho porofo hita maso ho an’ireo olona, sy ho tari-dàlana ary ho famindram-pò. Angamba ahatsiaro izy ireo.

🎧 Henoy


📜 Andininy 41-45 — Al-Qasas

41وَجَعَلْنَاهُمْ أَئِمَّةً يَدْعُونَ إِلَى النَّارِ ۖ وَيَوْمَ الْقِيَامَةِ لَا يُنصَرُونَ
Ary nataonay ho mpitarika miantso mankany amin’ny Afobe izy ireo. Ary amin’ny andron’ny fitsanganana (amin’ny maty) dia tsy avotana izy ireo.
42وَأَتْبَعْنَاهُمْ فِي هَٰذِهِ الدُّنْيَا لَعْنَةً ۖ وَيَوْمَ الْقِيَامَةِ هُم مِّنَ الْمَقْبُوحِينَ
Ary nampanarahanay azy ireo, ny ozona eto an-tany. Ary amin’ny andron’ny fitsanganana (amin’ny maty), izy ireo dia ho anisan’ny ratsy indrindra.
43وَلَقَدْ آتَيْنَا مُوسَى الْكِتَابَ مِن بَعْدِ مَا أَهْلَكْنَا الْقُرُونَ الْأُولَىٰ بَصَائِرَ لِلنَّاسِ وَهُدًى وَرَحْمَةً لَّعَلَّهُمْ يَتَذَكَّرُونَ
Ary efa nomenay an’i Mosesy ny boky, taorian’ny nandringananay ireo taranaka taloha, ho porofo hita maso ho an’ireo olona, sy ho tari-dàlana ary ho famindram-pò. Angamba ahatsiaro izy ireo.
44وَمَا كُنتَ بِجَانِبِ الْغَرْبِيِّ إِذْ قَضَيْنَا إِلَىٰ مُوسَى الْأَمْرَ وَمَا كُنتَ مِنَ الشَّاهِدِينَ
Tsy teo amin’ny ilany andrefan’ (ny tendrombohitra Sinay) ianao (ry Mohammad), rehefa namoaka ny didy tamin’i Mosesy Izahay, ary tsy anisan’ireo vavolombelona ianao.
45وَلَٰكِنَّا أَنشَأْنَا قُرُونًا فَتَطَاوَلَ عَلَيْهِمُ الْعُمُرُ ۚ وَمَا كُنتَ ثَاوِيًا فِي أَهْلِ مَدْيَنَ تَتْلُو عَلَيْهِمْ آيَاتِنَا وَلَٰكِنَّا كُنَّا مُرْسِلِينَ
Kanefa, tena marina fa nahary taranaka maro Izahay, izay nihalava tamin’izy ireo ny taona niainany (tsy misy Iraka). Ary ianao dia tsy anisan’ireo niara-monina tamin’ny vahoakan’i Madiàna ka namaky ny fanambaranay tamin’izy ireo; nefa Izahay no nandefa ireo Iraka.
Al-QasasFizahan-takila Koraña
88Andininy
MeccanRevelation
43Andininy

Fandikana — Al-Qasas 43

Surah Al-Qasas Andininy 43 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary efa nomenay an’i Mosesy ny boky, taorian’ny nandringananay ireo…

Surah Andininy 43/88 — Al-Qasas القصص (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Qasas Henoy, Al-Qasas Fandikana, Al-Qasas mp3, Al-Qasas pdf. Andininy 41–45. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers