Al-An'am · 127/165
Fandikana Fanononana — Al-An'am
۞ لَهُمْ دَارُ السَّلَامِ عِندَ رَبِّهِمْ ۖ وَهُوَ وَلِيُّهُم بِمَا كَانُوا يَعْمَلُونَ ۝١٢٧
Lahum daarus salaami `inda Rabbihim wa huwa waliyyuhum bimaa kaanoo ya`maloon
📖 Dikany Malagasy
Ho azy ireo ny fonenan’ny fiadanana eo anatrehan’ny Tompon’izy ireo, Izy no Mpiahy azy ireo nohon’ny asa izay nataony.

🎧 Henoy


📜 Andininy 125-129 — Al-An'am

125فَمَن يُرِدِ اللَّهُ أَن يَهْدِيَهُ يَشْرَحْ صَدْرَهُ لِلْإِسْلَامِ ۖ وَمَن يُرِدْ أَن يُضِلَّهُ يَجْعَلْ صَدْرَهُ ضَيِّقًا حَرَجًا كَأَنَّمَا يَصَّعَّدُ فِي السَّمَاءِ ۚ كَذَٰلِكَ يَجْعَلُ اللَّهُ الرِّجْسَ عَلَى الَّذِينَ لَا يُؤْمِنُونَ
Ary izay tian’I Allah ny hitari-dalana azy dia sokafany ny tratrany ho amin’ny silamo, ary izay tiany ho verezina kosa dia ataony tery sy voahelingelina ny tratrany toy ny miezaka miakatra eny an-danitra. Tahaka izany no hanaovan’I Allah sazy ho an’ireo izay tsy mino.
126وَهَٰذَا صِرَاطُ رَبِّكَ مُسْتَقِيمًا ۗ قَدْ فَصَّلْنَا الْآيَاتِ لِقَوْمٍ يَذَّكَّرُونَ
Izany no lalan’ny Tomponao izay mahitsy tokoa. Efa nohazavanay amin’ny antsipiriany ireo famantarana ho an’ny vahoaka izay mahatsiaro.
127۞ لَهُمْ دَارُ السَّلَامِ عِندَ رَبِّهِمْ ۖ وَهُوَ وَلِيُّهُم بِمَا كَانُوا يَعْمَلُونَ
Ho azy ireo ny fonenan’ny fiadanana eo anatrehan’ny Tompon’izy ireo, Izy no Mpiahy azy ireo nohon’ny asa izay nataony.
128وَيَوْمَ يَحْشُرُهُمْ جَمِيعًا يَا مَعْشَرَ الْجِنِّ قَدِ اسْتَكْثَرْتُم مِّنَ الْإِنسِ ۖ وَقَالَ أَوْلِيَاؤُهُم مِّنَ الْإِنسِ رَبَّنَا اسْتَمْتَعَ بَعْضُنَا بِبَعْضٍ وَبَلَغْنَا أَجَلَنَا الَّذِي أَجَّلْتَ لَنَا ۚ قَالَ النَّارُ مَثْوَاكُمْ خَالِدِينَ فِيهَا إِلَّا مَا شَاءَ اللَّهُ ۗ إِنَّ رَبَّكَ حَكِيمٌ عَلِيمٌ
Ary amin’ny andro hamoriany azy rehetra ireo : “Oh ry vondron’ny Djiny ! Nanararaotra loatra tamin’ny olombelona ianareo !” Dia hiteny ireo sakaizan’izy ireo amin’ny olombelona manao hoe : “Tomponay O ! Samy nahazo tombontsoa daholo izahay, ny andaniny sy ny ankilany. Ary tratranay ny fe-potoana izay noferanao ho anay”. Hiteny Izy manao hoe : “Ny Afobe no fonenanareo, hitoetra ao mandrakizay ianareo afa-tsy izay sitrak’I Allah”. Marina fa ny Tomponao dia be Fahendrena sy Mahalala ny zava-drehetra.
129وَكَذَٰلِكَ نُوَلِّي بَعْضَ الظَّالِمِينَ بَعْضًا بِمَا كَانُوا يَكْسِبُونَ
Tahaka izany no hanomezanay fahefana ny sasany amin’ireo mpanao ny tsy rariny manoloana ny sasany, noho izay nataon’izy ireo.
Al-An'amFizahan-takila Koraña
165Andininy
MeccanRevelation
127Andininy

Fandikana — Al-An'am 127

Surah Al-An'am Andininy 127 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ho azy ireo ny fonenan’ny fiadanana eo anatrehan’ny Tompon’izy ireo,…

Surah Andininy 127/165 — Al-An'am الأنعام (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-An'am Henoy, Al-An'am Fandikana, Al-An'am mp3, Al-An'am pdf. Andininy 125–129. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers