Al-An'am · 78/165
Fandikana Fanononana — Al-An'am
فَلَمَّا رَأَى الشَّمْسَ بَازِغَةً قَالَ هَٰذَا رَبِّي هَٰذَا أَكْبَرُ ۖ فَلَمَّا أَفَلَتْ قَالَ يَا قَوْمِ إِنِّي بَرِيءٌ مِّمَّا تُشْرِكُونَ ۝٧٨
Falammmaa ra ashshamsa baazighatan qaala haazaa Rabbee haazaaa akbaru falammaaa afalat qaala yaa qawmi innee bareee`um mimmaa tushrikoon
📖 Dikany Malagasy
Rehefa nahita ny masoandro niposaka Izy dia niteny nanao hoe : “Ity no Tompoko ! Ity no lehibe indrindra !”. Rehefa nilentika izany dia niteny Izy nanao hoe : “Oh ry vahoakako ! Izaho dia tena mitsipaka izay rehetra akambanareo.
🎧 Henoy

📜 Andininy 76-80 — Al-An'am

76فَلَمَّا جَنَّ عَلَيْهِ اللَّيْلُ رَأَىٰ كَوْكَبًا ۖ قَالَ هَٰذَا رَبِّي ۖ فَلَمَّا أَفَلَ قَالَ لَا أُحِبُّ الْآفِلِينَ
Rehefa nanarona Azy ny alina dia nahita kintana izy ka niteny nanao hoe : “Ity no Tompoko !” Rehefa nanjavona izany dia niteny izy nanao hoe : “Tsy tia izay rehetra manjavona aho”.
77فَلَمَّا رَأَى الْقَمَرَ بَازِغًا قَالَ هَٰذَا رَبِّي ۖ فَلَمَّا أَفَلَ قَالَ لَئِن لَّمْ يَهْدِنِي رَبِّي لَأَكُونَنَّ مِنَ الْقَوْمِ الضَّالِّينَ
Rehefa nahita ny volana niseho Izy dia niteny nanao hoe : “Ity no Tompoko !” Rehefa nanjavona izany dia niteny Izy nanao hoe : “Raha tsy mitari-dàlana ahy ny Tompoko dia tena ho anisan’ireo vahoaka very làlana”.
78فَلَمَّا رَأَى الشَّمْسَ بَازِغَةً قَالَ هَٰذَا رَبِّي هَٰذَا أَكْبَرُ ۖ فَلَمَّا أَفَلَتْ قَالَ يَا قَوْمِ إِنِّي بَرِيءٌ مِّمَّا تُشْرِكُونَ
Rehefa nahita ny masoandro niposaka Izy dia niteny nanao hoe : “Ity no Tompoko ! Ity no lehibe indrindra !”. Rehefa nilentika izany dia niteny Izy nanao hoe : “Oh ry vahoakako ! Izaho dia tena mitsipaka izay rehetra akambanareo.
79إِنِّي وَجَّهْتُ وَجْهِيَ لِلَّذِي فَطَرَ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضَ حَنِيفًا ۖ وَمَا أَنَا مِنَ الْمُشْرِكِينَ
Tena marina fa atodiko ny tavako ho amin’ilay Nahary ireo lanitra sy ny tany amin’ny finoana madio, fa izaho dia tsy mba ho anisan’ireo mpanompo sampy.
80وَحَاجَّهُ قَوْمُهُ ۚ قَالَ أَتُحَاجُّونِّي فِي اللَّهِ وَقَدْ هَدَانِ ۚ وَلَا أَخَافُ مَا تُشْرِكُونَ بِهِ إِلَّا أَن يَشَاءَ رَبِّي شَيْئًا ۗ وَسِعَ رَبِّي كُلَّ شَيْءٍ عِلْمًا ۗ أَفَلَا تَتَذَكَّرُونَ
Ary niady hevitra taminy ny vahoakany ; niteny izy nanao hoe : “Moa hiady hevitra amiko ve ianareo mahakasik’I Allah, nefa efa nitari-dalana ahy Izy ? Ary tsy matahotra ireo akambanareo Aminy aho, afa-tsy izay sitraky ny Tompoko. Manerana ny zava-drehetra ny Fahalalan’ny Tompoko. Ka tsy mba mahatsiaro tena ve ianareo ?
Al-An'amFizahan-takila Koraña
165Andininy
MeccanRevelation
78Andininy

Fandikana — Al-An'am 78

Surah Al-An'am Andininy 78 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Rehefa nahita ny masoandro niposaka Izy dia niteny nanao hoe…

Surah Andininy 78/165 — Al-An'am الأنعام (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-An'am Henoy, Al-An'am Fandikana, Al-An'am mp3, Al-An'am pdf. Andininy 76–80. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers