At-Taghabun · 7/18
Fandikana Fanononana — Surah At-Taghabun
زَعَمَ الَّذِينَ كَفَرُوا أَن لَّن يُبْعَثُوا ۚ قُلْ بَلَىٰ وَرَبِّي لَتُبْعَثُنَّ ثُمَّ لَتُنَبَّؤُنَّ بِمَا عَمِلْتُمْ ۚ وَذَٰلِكَ عَلَى اللَّهِ يَسِيرٌ ۝٧
Za`amal lazeena kafarooo al-lany yub`asoo; qul balaa wa rabbee latub`asunna summa latunabba`unna bimaa `amiltum; wa zaalika `alal laahi yaseer
📖 Dikany Malagasy
Nilaza ireo tsy mpino fa tsy hitsangana amin’ny maty izy ireo. Koa valio hoe : Eny amin’ny anaran’ny Tompoko ! Tsy maintsy hatsangana amin’ny maty tokoa ianareo, ka hilazana izay nataonareo fa mora amin’Allah izany.

🎧 Henoy


📜 Andininy 5-9 — Surah At-Taghabun

5أَلَمْ يَأْتِكُمْ نَبَأُ الَّذِينَ كَفَرُوا مِن قَبْلُ فَذَاقُوا وَبَالَ أَمْرِهِمْ وَلَهُمْ عَذَابٌ أَلِيمٌ
Tsy tonga taminareo va, ny vaovao mikasika ireo tsy nino taloha, ka nanandrana ny voka-dratsin’izay nataony ; ary mbola hahazo famaizana mamirifiry izy ireo.
6ذَٰلِكَ بِأَنَّهُ كَانَت تَّأْتِيهِمْ رُسُلُهُم بِالْبَيِّنَاتِ فَقَالُوا أَبَشَرٌ يَهْدُونَنَا فَكَفَرُوا وَتَوَلَّوا ۚ وَّاسْتَغْنَى اللَّهُ ۚ وَاللَّهُ غَنِيٌّ حَمِيدٌ
Toy izany no niseho satria tonga niaraka tamin’ny porofo mazava ireo Iraka, ka hoy izy ireo : Olombelona va no hitari-dalana anay ? Tsy nino izy ireo, ka nivily lalana. Tsy nila azy ireo anefa Allah, fa Tompon’ny harena sy mendri-piderana Izy.
7زَعَمَ الَّذِينَ كَفَرُوا أَن لَّن يُبْعَثُوا ۚ قُلْ بَلَىٰ وَرَبِّي لَتُبْعَثُنَّ ثُمَّ لَتُنَبَّؤُنَّ بِمَا عَمِلْتُمْ ۚ وَذَٰلِكَ عَلَى اللَّهِ يَسِيرٌ
Nilaza ireo tsy mpino fa tsy hitsangana amin’ny maty izy ireo. Koa valio hoe : Eny amin’ny anaran’ny Tompoko ! Tsy maintsy hatsangana amin’ny maty tokoa ianareo, ka hilazana izay nataonareo fa mora amin’Allah izany.
8فَآمِنُوا بِاللَّهِ وَرَسُولِهِ وَالنُّورِ الَّذِي أَنزَلْنَا ۚ وَاللَّهُ بِمَا تَعْمَلُونَ خَبِيرٌ
Minoa an’I Allah sy ny Irany àry ianareo, ary ny fahazavana izay nampidininay fa mahafantatra tanteraka izay ataonareo Allah.
9يَوْمَ يَجْمَعُكُمْ لِيَوْمِ الْجَمْعِ ۖ ذَٰلِكَ يَوْمُ التَّغَابُنِ ۗ وَمَن يُؤْمِن بِاللَّهِ وَيَعْمَلْ صَالِحًا يُكَفِّرْ عَنْهُ سَيِّئَاتِهِ وَيُدْخِلْهُ جَنَّاتٍ تَجْرِي مِن تَحْتِهَا الْأَنْهَارُ خَالِدِينَ فِيهَا أَبَدًا ۚ ذَٰلِكَ الْفَوْزُ الْعَظِيمُ
Ny andro hamoriany anareo amin’ilay andro fivoriana dia izany no andron’ny fatiantoka lehibe fa izay mino an’Allah sy manao asa soa, dia ho foana ireo asa ratsiny, ka hampidiriny ao amin’ireo zaridaina misy renirano mikoriana eo ambaniny izy ireo, izay honenany mandrakizay doria. Izany no fahombiazana lehibe indrindra !
At-TaghabunFizahan-takila Koraña
18Andininy
MedinanRevelation
7Andininy

Fandikana — At-Taghabun 7

Surah At-Taghabun Andininy 7 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Nilaza ireo tsy mpino fa tsy hitsangana amin’ny maty izy…

Surah Andininy 7/18 — Surah At-Taghabun التغابن (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Surah At-Taghabun Henoy, Surah At-Taghabun Fandikana, Surah At-Taghabun mp3, Surah At-Taghabun pdf. Andininy 5–9. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Monday, September 7, 2026

Don't forget us in your sincere prayers