At-Tawbah · 22/129
Fandikana Fanononana — At-Tawbah
خَالِدِينَ فِيهَا أَبَدًا ۚ إِنَّ اللَّهَ عِندَهُ أَجْرٌ عَظِيمٌ ۝٢٢
Khaalideena feehaaa abadaa; innal laaha `indahooo ajrun `azeem
📖 Dikany Malagasy
Ka hitoetra ao mandrakizay izy ireo. Marina tokoa fa any amin’i Allah no misy valisoa lehibe.
🎧 Henoy

📜 Andininy 20-24 — At-Tawbah

20الَّذِينَ آمَنُوا وَهَاجَرُوا وَجَاهَدُوا فِي سَبِيلِ اللَّهِ بِأَمْوَالِهِمْ وَأَنفُسِهِمْ أَعْظَمُ دَرَجَةً عِندَ اللَّهِ ۚ وَأُولَٰئِكَ هُمُ الْفَائِزُونَ
Ireo izay nino sy nifindra monina ary nanao ny Djihady (Ady masina) tamin’ny làlan’i Allah amin’ny alalan’ireo fananan’izy ireo sy ny tenan’izy ireo, dia ambony voninahitra lavitra eo anatrehan’i Allah, ary izy ireny no olona mahazo ny fahombiazana.
21يُبَشِّرُهُمْ رَبُّهُم بِرَحْمَةٍ مِّنْهُ وَرِضْوَانٍ وَجَنَّاتٍ لَّهُمْ فِيهَا نَعِيمٌ مُّقِيمٌ
Milaza vaovao mahafaly amin’izy ireo ny Tompony fa hahazo famindram-po sy fankasitrahana avy Aminy ary ireo zaridaina feno fahasambarana maharitra izy ireo.
22خَالِدِينَ فِيهَا أَبَدًا ۚ إِنَّ اللَّهَ عِندَهُ أَجْرٌ عَظِيمٌ
Ka hitoetra ao mandrakizay izy ireo. Marina tokoa fa any amin’i Allah no misy valisoa lehibe.
23يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا لَا تَتَّخِذُوا آبَاءَكُمْ وَإِخْوَانَكُمْ أَوْلِيَاءَ إِنِ اسْتَحَبُّوا الْكُفْرَ عَلَى الْإِيمَانِ ۚ وَمَن يَتَوَلَّهُم مِّنكُمْ فَأُولَٰئِكَ هُمُ الظَّالِمُونَ
Oh Ianareo izay nino, aza raisinareo ho mpiahy Anareo ireo ray aman-dreninareo sy ireo rahalahinareo, raha nisafidy ny tsy finoana nohon’ny finoana izy ireo. Ary n'iza n'iza Aminareo maka azy ireo ho mpiahy dia izy ireny tokoa no tena mpanao ny tsy rariny.
24قُلْ إِن كَانَ آبَاؤُكُمْ وَأَبْنَاؤُكُمْ وَإِخْوَانُكُمْ وَأَزْوَاجُكُمْ وَعَشِيرَتُكُمْ وَأَمْوَالٌ اقْتَرَفْتُمُوهَا وَتِجَارَةٌ تَخْشَوْنَ كَسَادَهَا وَمَسَاكِنُ تَرْضَوْنَهَا أَحَبَّ إِلَيْكُم مِّنَ اللَّهِ وَرَسُولِهِ وَجِهَادٍ فِي سَبِيلِهِ فَتَرَبَّصُوا حَتَّىٰ يَأْتِيَ اللَّهُ بِأَمْرِهِ ۗ وَاللَّهُ لَا يَهْدِي الْقَوْمَ الْفَاسِقِينَ
Lazao hoe, raha toa ka ny rainareo, ny zanakareo, ny rahalahinareo, ny vadinareo sy ny havanareo, ireo harena izay efa azonareo, ny varotra izay atahoranareo hihena, ary ny fonenana izay mahafinaritra anareo no tianareo kokoa mihoatra an’Allah sy ilay Irany, ary ny ady masina amin’ny làlany, dia andrasonareo àry, fa handefa aminareo ny baikony (saziny) Allah. Fa tsy mitari-dàlana ireo olona ratsy fanahy Allah.
At-TawbahFizahan-takila Koraña
129Andininy
MedinanRevelation
22Andininy

Fandikana — At-Tawbah 22

Surah At-Tawbah Andininy 22 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ka hitoetra ao mandrakizay izy ireo. Marina tokoa fa any…

Surah Andininy 22/129 — At-Tawbah التوبة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: At-Tawbah Henoy, At-Tawbah Fandikana, At-Tawbah mp3, At-Tawbah pdf. Andininy 20–24. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers