Surah Al-Qalam pdf — Alaino (Malagasy)
Surah Al-Qalam pdf Malagasy — Alaino Surah Al-Qalam Fandikana. Surah Al-Qalam (Meccan) 52 Andininy.
Related
- Surah Al-Qalam FandikanaMalagasy
- Surah Al-Qalam mp3Henoy
- Quran Index Malagasy114
More Surah PDF
Surah Al-Qalam

ﮉﮊﮋﮌﮍﮎ
68:1
Noun; Mianiana amin'ny penina sy izay nosoratan'izy ireo aho !
ﮏﮐﮑﮒﮓﮔ
68:2
Fa tsy adala akory ianao nohon'ny fahasoavan'i Tomponao.
ﮕﮖﮗﮘﮙﮚ
68:3
Ary hamafisina fa hisy valisoa tsy hitsahatra mihitsy ho anao.
ﮛﮜﮝﮞﮟ
68:4
Hamafisina fa ianao dia ambony toetra mendrika tokoa.
ﮠﮡﮢ
68:5
Ho hitanao ary ho hitan'izy ireo ihany koa.
ﮣﮤﮥ
68:6
Fa iza aminareo no very saina ?
ﮦﮧﮨﮩﮪﮫﮬﮭﮮﮯﮰﮱ
68:7
Ny Tomponao no tena mahafantatra izay very lalana ary fantany ireo mankany amin'ny lalana mahitsy.
ﯓﯔﯕﯖ
68:8
Koa aoka ianao tsy hankato ireo mpilaza lainga.
ﯗﯘﯙﯚﯛ
68:9
Fa tian'izy ireo raha mandefitra amin'izy ireo ianao mba handeferan'izy ireo aminao.
ﯜﯝﯞﯟﯠﯡ
68:10
Koa aza mankato ireo fatra mpanozona, mendrika ho tevahina.
ﯢﯣﯤﯥ
68:11
Mpanala baraka, mpanendrikendrika.
ﯦﯧﯨﯩﯪ
68:12
Mpanakana ny tsara , mpandika lalàna , mpanota.
ﯫﯬﯭﯮﯯ
68:13
Mafy fo, ary ankoatr'izany dia tsy manan-dray.
ﯰﯱﯲﯳﯴﯵ
68:14
Na dia manana harena sy zaza maro aza izy.
ﯶﯷﯸﯹﯺﯻﯼﯽ
68:15
Koa rehefa torina aminy ny faminaniana avy Amiko dia lazainy fa angano sy ariran'ny Ntaolo izany.
ﯾﯿﰀﰁ
68:16
Asinay famantarana eo amin'ny vavany.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘﭙﭚﭛ
68:17
Nosedranay izy ireo tahaka ny nosedranay ireo Tompon'ny saha, izay niozona fa hanao fiotazana ny maraina.
ﭜﭝﭞ
68:18
Saingy tsy niteny hoe : raha sitrapon'I Allah izany.
ﭟﭠﭡﭢﭣﭤﭥﭦ
68:19
Ka nisy loza avy any amin'i Tomponao ary nilatsaka nandritra ny natorian'izy ireo.
ﭧﭨﭩ
68:20
Ary ny marina dia tahaka ny nokakasana avokoa ny zavatra rehetra.
ﭪﭫﭬ
68:21
Nifampiantso izy ireo ny maraina.
ﭭﭮﭯﭰﭱﭲﭳﭴ
68:22
Mandehana vao maraina any an-tsaha ianareo, raha te-hioty ny vokatra.
ﭵﭶﭷﭸ
68:23
Dia nandeha ary izy ireo no sady niresaka moramora hoe :
ﭹﭺﭻﭼﭽﭾﭿ
68:24
Aza avelanareo hidiran'ireo mahantra mihitsy ao androany.
ﮀﮁﮂﮃﮄ
68:25
Nandeha vao maraina izy ireo, tapa-kevitra ny hahihitra sady natoky fa fahefan'izy ireo izany.
ﮅﮆﮇﮈﮉﮊ
68:26
Ka rehefa hitan'izy ireo izany dia hoy izy ireo : Very lalana tokoa isika.
ﮋﮌﮍﮎ
68:27
Na tena niala maina isika.
ﮏﮐﮑﮒﮓﮔﮕﮖ
68:28
Hoy ny olo-marina indrindra tamin'izy ireo : "Tsy efa nolazaiko taminareo va raha mba nanome voninahitra an'I Allah mantsy ianareo"
ﮗﮘﮙﮚﮛﮜﮝ
68:29
Dia hoy izy ireo : "Voninahitra ho an'i Tomponay ! Eny nanao ny tsy rariny tokoa izahay."
ﮞﮟﮠﮡﮢﮣ
68:30
Avy eo dia nifampitodika izy ireo nifanome tsiny.
ﮤﮥﮦﮧﮨﮩ
68:31
Ka hoy izy ireo : "loza ho anay ! Nikomy tokoa izahay !"
ﮪﮫﮬﮭﮮﮯﮰﮱﯓﯔﯕ
68:32
Maniry izahay ny mba hanoloan'i Tomponay izany amin'ny zavatra tsaratsara kokoa, ny hanantona ny Tomponay no fanirianay.
ﯖﯗﯘﯙﯚﯛﯜﯝﯞﯟﯠ
68:33
Toy izany ny famaizana, fa lehibe noho izany ny famaizana any ankoatra, raha mba fantatr'izy ireo mantsy !
ﯡﯢﯣﯤﯥﯦﯧ
68:34
Fa mahazo ireo zaridainam-pahasambarana eo akaikin'i Tompony kosa ireo vontom-pinoana.
ﯨﯩﯪﯫ
68:35
Moa va ataonay tahaka ireo mpanao ratsy ireo mpankato?
ﯬﯭﯮﯯﯰ
68:36
Inona no mahazo anareo ? Fa ahoana ny fomba fitsaranareo ?
ﯱﯲﯳﯴﯵﯶ
68:37
Sa manana Boky hianarana kosa va ianareo ?
ﯷﯸﯹﯺﯻﯼ
68:38
Ka ho azonareo amin'izany izay irinareo ?
ﯽﯾﯿﰀﰁﰂﰃﰄﰅﰆﰇﰈﰉ
68:39
Sa nahazo fanomezan-toky marina avy Aminay va ianareo hatramin'ny andro fitsanganana, ka hanomezanay araka izay fanapahan-kevitrareo ?
ﰊﰋﰌﰍﰎ
68:40
Anontanio azy ireo izay hiantoka izany aminy.
ﰏﰐﰑﰒﰓﰔﰕﰖﰗ
68:41
Na koa manana mpiray antoka va izy ireo ? Aoka ary ho entin'izy ireo izany, raha tena mpilaza ny marina izy ireo !
ﰘﰙﰚﰛﰜﰝﰞﰟﰠﰡ
68:42
Amin'ny andro hiatrehan'izy ireo ny zavatra mampihorohoro, ka hiantsoana azy ireo amin'ny fiankohofana, kanefa tsy afaka hanao izany intsony izy ireo.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘﭙﭚﭛﭜﭝ
68:43
Dia hiondrika ny fijerin'izy ireo, ary hanarona azy ny fahafaham-baraka, kanefa dia nantsoina ho amin'ny fiankohofana izy ireo tamin'ny fotoana nahasalama azy ireo.
ﭞﭟﭠﭡﭢﭣﭤﭥﭦﭧﭨﭩ
68:44
Avelao ary aho hiaraka amin'izay miampanga ity lahateny ity ho lainga, fa ho entinay miandalana amin'izay tsy fantany izy ireo !
ﭪﭫﭬﭭﭮﭯﭰ
68:45
Ka omeko fe-potoana izy ireo fa tena azo antoka tokoa ny tetiko !
ﭱﭲﭳﭴﭵﭶﭷﭸ
68:46
Sa mangataka tambiny amin’izy ireo va ianao hany ka vesaran-trosa maro izy ireo ?
ﭹﭺﭻﭼﭽﭾ
68:47
Sa fantatr'izy ireo va ny zava-miafina ; ka avy amin'izany no anoratany (ny laingany).
ﭿﮀﮁﮂﮃﮄﮅﮆﮇﮈﮉﮊ
68:48
Zakao amim-paharetana ny didin'ny Tomponao, fa aza manao tahaka ilay olon'ny trondro (jonasy), izay niantso an'I Allah tao anatin'ny tebiteby mafy.
ﮋﮌﮍﮎﮏﮐﮑﮒﮓﮔﮕ
68:49
Raha tsy tonga taminy ny fitahiana avy amin'ny Tompony dia ho voatsipy, ka afa-baraka teny amin'ny tany tsy misy olona izy.
ﮖﮗﮘﮙﮚﮛ
68:50
Dia nofidin'ny Tompony izy, ka nataony ho isan'ireo olo-mendrika.
ﮜﮝﮞﮟﮠﮡﮢﮣﮤﮥﮦﮧﮨ
68:51
Kely fotsiny no tsy handratran'ireo tsy mpino anao amin'ny fijeriny (feno fahatezerana), rehefa mandre ny fampahatsiarovana izy ireo, ka miteny hoe: "Tena adala tokoa izy!"
ﮩﮪﮫﮬﮭﮮ
68:52
Ary tsy inona izany fa fampahatsiarovana ihany ho an'izao tontolo izao.
Koraña Masina
Wednesday, September 9, 2026
Don't forget us in your sincere prayers







