Surah Al-Fajr pdf — Alaino (Malagasy)
Surah Al-Fajr pdf Malagasy — Alaino Surah Al-Fajr Fandikana. Surah Al-Fajr (Meccan) 30 Andininy.
Related
- Surah Al-Fajr FandikanaMalagasy
- Surah Al-Fajr mp3Henoy
- Quran Index Malagasy114
More Surah PDF
Surah Al-Fajr

ﭤﭥ
89:1
Mianiana aho ny amin'ny maraina vao mangiran-dratsy.
ﭦﭧﭨ
89:2
Ny amin'ny alina folo (alin'ny volana Zol-Hijjah).
ﭩﭪﭫ
89:3
Ny amin'ny ankasa sy tsy ankasa.
ﭬﭭﭮﭯ
89:4
ny amin'ny alina rehefa mandalo.
ﭰﭱﭲﭳﭴﭵﭶ
89:5
moa va izany tsy fianianana ho an'ireo manan-tsaina ?
ﭷﭸﭹﭺﭻﭼﭽ
89:6
Moa va tsy nodinihinao ny nanaovan'I Allah ireo vahoaka'i A'ad ?
ﭾﭿﮀﮁ
89:7
Ary i Iramah izay nanana andry niankinana ?
ﮂﮃﮄﮅﮆﮇﮈ
89:8
Izay tsy nisy namboarina toa azy amin'ireo firenen-drehetra !
ﮉﮊﮋﮌﮍﮎ
89:9
Niaraka tamin'ny Samodo izay nanao lava-bato teny an-dohasaha.
ﮏﮐﮑﮒ
89:10
Ary i Farao nanana miaramila maro aman-defona.
ﮓﮔﮕﮖﮗ
89:11
Izay nihoa-pefy tao amin'ny firenen'izy ireo.
ﮘﮙﮚﮛ
89:12
Ary nampiely faharatsiana maro tao.
ﮜﮝﮞﮟﮠﮡ
89:13
Noho izany dia nandefasan'ny Tomponao kapoka mavaivay izy ireo.
ﮢﮣﮤﮥ
89:14
Tena marina ! Ny tomponao dia manara-maso fatratra.
ﮦﮧﮨﮩﮪﮫﮬﮭﮮﮯﮰﮱ
89:15
Ny olombelona rehefa notsapàn'ny Tompony ka notahiny sy nomeny fahasoavana, dia hiteny izy ireo hoe : "Nitahy ahy ny Tompoko".
ﯓﯔﯕﯖﯗﯘﯙﯚﯛﯜﯝ
89:16
Ary rehefa notsapàny koa izy ireo ka nampianjadiany fahasahiranana ; dia hiteny izy ireo hoe : "tsy norarahin'ny Tompoko aho".
ﯞﯟﯠﯡﯢﯣﯤ
89:17
Tsia ! indrisy anefa fa manao tsinotsinona ny kamboty ianareo.
ﯥﯦﯧﯨﯩﯪ
89:18
Ary tsy mifamporisika amin'ny fanomezana sakafo ireo mahantra ianareo.
ﯫﯬﯭﯮﯯ
89:19
Fa manao ampihi-mamba ny lovan'ireo kamboty.
ﯰﯱﯲﯳﯴ
89:20
Tena tia harena diso tafahoatra ianareo !
ﯵﯶﯷﯸﯹﯺﯻﯼ
89:21
Tsia ! Rehefa montsana ka hihorohoro araka izay tsy izy ny tany.
ﯽﯾﯿﰀﰁﰂ
89:22
ary ho tonga ny Tomponao sy ireo anjely hitandahatra,
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘﭙﭚﭛ
89:23
koa amin'izany andro izany dia haseho ny Afobe, dia ilay andro izay hahatsiarovan'ny olombelona, nefa inona intsony moa no ilany ny fahatsiarovana amin'izany fotoana izany ?
ﭜﭝﭞﭟﭠ
89:24
ka hiloa-bava hoe : "tahaka izay aho mba nanao hatsarana ho amin'ny fiainako ho avy !"
ﭡﭢﭣﭤﭥﭦ
89:25
Amin'izany andro izany dia tsy hisy famindram-po ny famaizan'I Tompo Allah,
ﭧﭨﭩﭪﭫ
89:26
ary tsy hisy famindram-po tahaka izany ihany koa ny famatoran-drojon'I Allah,
ﭬﭭﭮﭯ
89:27
O ry fanahy feno fahatoniana !
ﭰﭱﭲﭳﭴﭵ
89:28
Miverena ianao any amin'ny Tomponao am-pahatoniana sy feno fakansitrahana.
ﭶﭷﭸﭹ
89:29
Mandrosoa ho anisan'ny mpanompoko.
ﭺﭻﭼ
89:30
Ary midira ho ao amin'ny Paradisako.
Koraña Masina
Wednesday, September 9, 2026
Don't forget us in your sincere prayers







