Al-Baqarah · 128/286
Fandikana Fanononana — Surah Al-Baqarah
رَبَّنَا وَاجْعَلْنَا مُسْلِمَيْنِ لَكَ وَمِن ذُرِّيَّتِنَا أُمَّةً مُّسْلِمَةً لَّكَ وَأَرِنَا مَنَاسِكَنَا وَتُبْ عَلَيْنَا ۖ إِنَّكَ أَنتَ التَّوَّابُ الرَّحِيمُ ۝١٢٨
Rabbanaa waj`alnaa muslimaini laka wa min zurriyyatinaaa ummatam muslimatal laka wa arinaa manaasikanaa wa tub `alainaa innaka antat Tawwaabur Raheem
📖 Dikany Malagasy
Tomponay ô ! Ataovy ho mpanolo-tena ho Anao Izahay roa, ary amin’ireo taranakay ihany koa mba hisy vahoaka mpanolo-tena ho Anao. asehoy anay ny fomba hanaovanay ny fanompoanay; ary raiso ny fibebahana izay nataonay, fa Ianao tokoa ilay Mpandray ny fibebahana sy Be fiantrana.

🎧 Henoy


📜 Andininy 126-130 — Surah Al-Baqarah

126وَإِذْ قَالَ إِبْرَاهِيمُ رَبِّ اجْعَلْ هَٰذَا بَلَدًا آمِنًا وَارْزُقْ أَهْلَهُ مِنَ الثَّمَرَاتِ مَنْ آمَنَ مِنْهُم بِاللَّهِ وَالْيَوْمِ الْآخِرِ ۖ قَالَ وَمَن كَفَرَ فَأُمَتِّعُهُ قَلِيلًا ثُمَّ أَضْطَرُّهُ إِلَىٰ عَذَابِ النَّارِ ۖ وَبِئْسَ الْمَصِيرُ
Ary tsarovy raha niteny i Mpaminany Ibrahim (A.s) ka nanao hoe : " Tompo ô ! Ataovy feno fandriampahalemana ity tanàna ity, ary omeo anjara amin’ireo voankazo ny mponina ao aminy, izay mino an’i Tompo Allah sy ny Andro farany amin'izy ireo ".Dia niteny Izy i Tompo Allah fa hoe : " Fa izay mikomy kosa dia homeko fahafinaretana kely ihany, ary avy eo hotereko ho any amin’ny famaizan’ny Afobe izy. ka izany tokoa no fiafarana ratsy indrindra izay hiafarany izany ! ".
127وَإِذْ يَرْفَعُ إِبْرَاهِيمُ الْقَوَاعِدَ مِنَ الْبَيْتِ وَإِسْمَاعِيلُ رَبَّنَا تَقَبَّلْ مِنَّا ۖ إِنَّكَ أَنتَ السَّمِيعُ الْعَلِيمُ
Ary raha nampiakatra ilay andritrano i Ibrahim sy Ismail ka niteny hoe : “Tomponay ô! Ekeo ny asa vitanay! Fa Ianao ilay Mandre sy Mahalala ny zavatra rehetra”.
128رَبَّنَا وَاجْعَلْنَا مُسْلِمَيْنِ لَكَ وَمِن ذُرِّيَّتِنَا أُمَّةً مُّسْلِمَةً لَّكَ وَأَرِنَا مَنَاسِكَنَا وَتُبْ عَلَيْنَا ۖ إِنَّكَ أَنتَ التَّوَّابُ الرَّحِيمُ
Tomponay ô ! Ataovy ho mpanolo-tena ho Anao Izahay roa, ary amin’ireo taranakay ihany koa mba hisy vahoaka mpanolo-tena ho Anao. asehoy anay ny fomba hanaovanay ny fanompoanay; ary raiso ny fibebahana izay nataonay, fa Ianao tokoa ilay Mpandray ny fibebahana sy Be fiantrana.
129رَبَّنَا وَابْعَثْ فِيهِمْ رَسُولًا مِّنْهُمْ يَتْلُو عَلَيْهِمْ آيَاتِكَ وَيُعَلِّمُهُمُ الْكِتَابَ وَالْحِكْمَةَ وَيُزَكِّيهِمْ ۚ إِنَّكَ أَنتَ الْعَزِيزُ الْحَكِيمُ
Tomponay ô ! mba andefaso Iraka avy amin'ny foko sy firazanan'izy ireo ihany, mba ho tonga hamaky amin’izy ireo, ireo fanambarana avy Aminao, sy hampianatra azy ireo ny Boky sy ny fahendrena ary hanadio azy ireo; fa Ianao tokoa no ilay avo Tsitoha, ilay Be fahendrena.
130وَمَن يَرْغَبُ عَن مِّلَّةِ إِبْرَاهِيمَ إِلَّا مَن سَفِهَ نَفْسَهُ ۚ وَلَقَدِ اصْطَفَيْنَاهُ فِي الدُّنْيَا ۖ وَإِنَّهُ فِي الْآخِرَةِ لَمِنَ الصَّالِحِينَ
Ary iza no tsy mankasitraka ny finoan'i Mpaminany Ibrahim (A.s) raha tsy olona izay nanambany ny fisainany ? ! Efa nofidinay manokana izy teto an-tany; ary any ankoatra dia ho anisan'ireo olona mendrika tokoa Izy.
Al-BaqarahFizahan-takila Koraña
286Andininy
MedinanRevelation
128Andininy

Fandikana — Al-Baqarah 128

Surah Al-Baqarah Andininy 128 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Tomponay ô ! Ataovy ho mpanolo-tena ho Anao Izahay roa,…

Surah Andininy 128/286 — Surah Al-Baqarah البقرة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Surah Al-Baqarah Henoy, Surah Al-Baqarah Fandikana, Surah Al-Baqarah mp3, Surah Al-Baqarah pdf. Andininy 126–130. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Monday, September 7, 2026

Don't forget us in your sincere prayers