Al-Baqarah · 24/286
Fandikana Fanononana — Al-Baqarah
فَإِن لَّمْ تَفْعَلُوا وَلَن تَفْعَلُوا فَاتَّقُوا النَّارَ الَّتِي وَقُودُهَا النَّاسُ وَالْحِجَارَةُ ۖ أُعِدَّتْ لِلْكَافِرِينَ ۝٢٤
Fail lam taf`aloo wa lan taf`aloo fattaqun Naaral latee waqooduhan naasu walhijaaratu u`iddat lilkaafireen
📖 Dikany Malagasy
Fa raha tsy nataonareo izany, nefa moa ianareo tsy hahatanteraka izany rahateo, dia aoka ianareo hatahotra ilay afobe izay ny olombelona sy ny vato no ho kitay fandrehitra ao aminy, afo izay voahomana sahady ho an’ireo tsy mpino.
🎧 Henoy

📜 Andininy 22-26 — Al-Baqarah

22الَّذِي جَعَلَ لَكُمُ الْأَرْضَ فِرَاشًا وَالسَّمَاءَ بِنَاءً وَأَنزَلَ مِنَ السَّمَاءِ مَاءً فَأَخْرَجَ بِهِ مِنَ الثَّمَرَاتِ رِزْقًا لَّكُمْ ۖ فَلَا تَجْعَلُوا لِلَّهِ أَندَادًا وَأَنتُمْ تَعْلَمُونَ
Izy no Ilay nanao ny tany ho fandriana ho anareo, sy ny lanitra ho tafo; ary nampirotsaka ny ranon’orana avy any an-danitra ka nampamoa ny ampahany amin’ireo voankazo isankarazany mba ho anjara fivelomanareo. Noho izany, dia aza ataonareo ho misy mitovy Aminy i Allah, fa efa fantatrareo rahateo izany.
23وَإِن كُنتُمْ فِي رَيْبٍ مِّمَّا نَزَّلْنَا عَلَىٰ عَبْدِنَا فَأْتُوا بِسُورَةٍ مِّن مِّثْلِهِ وَادْعُوا شُهَدَاءَكُم مِّن دُونِ اللَّهِ إِن كُنتُمْ صَادِقِينَ
Fa raha misalasala ny amin’izay nampidininay tamin’ny كpanomponay kosa ianareo, dia mba mamorona antokontsoratra (Sourat) mitovy aminy ary antsoy aty ireo vavolombelonareo (ireo sampy) izay tompoinareo ankoatra an’Allah, raha tena mpilaza ny marina tokoa ianareo.
24فَإِن لَّمْ تَفْعَلُوا وَلَن تَفْعَلُوا فَاتَّقُوا النَّارَ الَّتِي وَقُودُهَا النَّاسُ وَالْحِجَارَةُ ۖ أُعِدَّتْ لِلْكَافِرِينَ
Fa raha tsy nataonareo izany, nefa moa ianareo tsy hahatanteraka izany rahateo, dia aoka ianareo hatahotra ilay afobe izay ny olombelona sy ny vato no ho kitay fandrehitra ao aminy, afo izay voahomana sahady ho an’ireo tsy mpino.
25وَبَشِّرِ الَّذِينَ آمَنُوا وَعَمِلُوا الصَّالِحَاتِ أَنَّ لَهُمْ جَنَّاتٍ تَجْرِي مِن تَحْتِهَا الْأَنْهَارُ ۖ كُلَّمَا رُزِقُوا مِنْهَا مِن ثَمَرَةٍ رِّزْقًا ۙ قَالُوا هَٰذَا الَّذِي رُزِقْنَا مِن قَبْلُ ۖ وَأُتُوا بِهِ مُتَشَابِهًا ۖ وَلَهُمْ فِيهَا أَزْوَاجٌ مُّطَهَّرَةٌ ۖ وَهُمْ فِيهَا خَالِدُونَ
Ilazao ny vaovao mahafaly kosa ireo izay nino sy nanao asa soa fa azy ireo ny Paradisa izay ikorianan’ireo renirano isankarazany avy eo ambaniny; isaka ny handrosoana voankazo iray avy ao amin’ny Paradisa izy ireo dia hiloa-bava hoe : “Ity ilay naroso anay fahiny”. Kanefa dia zavatra mitovitovy amin’izay voalazany ihany no haroso azy; ary hanana vady kanto madio izy ireo, eny! Hitoetra ao mandrakizay izy.
26۞ إِنَّ اللَّهَ لَا يَسْتَحْيِي أَن يَضْرِبَ مَثَلًا مَّا بَعُوضَةً فَمَا فَوْقَهَا ۚ فَأَمَّا الَّذِينَ آمَنُوا فَيَعْلَمُونَ أَنَّهُ الْحَقُّ مِن رَّبِّهِمْ ۖ وَأَمَّا الَّذِينَ كَفَرُوا فَيَقُولُونَ مَاذَا أَرَادَ اللَّهُ بِهَٰذَا مَثَلًا ۘ يُضِلُّ بِهِ كَثِيرًا وَيَهْدِي بِهِ كَثِيرًا ۚ وَمَا يُضِلُّ بِهِ إِلَّا الْفَاسِقِينَ
Tena marina fa Allah dia tsy menatra amin’ny fanoharana izay ataony; na amin’ny moka izany, eny fa na izay kely noho izy aza; fa ireo mpino, dia mahafantatra tsara, fa fahamarinana avy amin’ny Tompony izany; ary ireo tsy mpino kosa, dia manontany tena hoe : “Inona no tian’Allah hahatongavana amin’izao fanoharana lazainy izao?”. Amin’izany àry dia ho maro ireo diso-làlana, ary amin’izany ihany koa no hitarihany ny olona maro amin’ny làla-marina, fa tsy hisy ho diso-làlana ny amin’izany afa-tsy ireo ratsy fanahy.
Al-BaqarahFizahan-takila Koraña
286Andininy
MedinanRevelation
24Andininy

Fandikana — Al-Baqarah 24

Surah Al-Baqarah Andininy 24 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Fa raha tsy nataonareo izany, nefa moa ianareo tsy hahatanteraka…

Surah Andininy 24/286 — Al-Baqarah البقرة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Baqarah Henoy, Al-Baqarah Fandikana, Al-Baqarah mp3, Al-Baqarah pdf. Andininy 22–26. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers