Al-Baqarah · 263/286
Fandikana Fanononana — Al-Baqarah
۞ قَوْلٌ مَّعْرُوفٌ وَمَغْفِرَةٌ خَيْرٌ مِّن صَدَقَةٍ يَتْبَعُهَا أَذًى ۗ وَاللَّهُ غَنِيٌّ حَلِيمٌ ۝٢٦٣
Qawlum ma`roofunw wa maghfiratun khairum min sadaqatiny yatba`uhaaa azaa; wallaahu Ghaniyyun Haleem
📖 Dikany Malagasy
Ny teny mendrika sy ny famelan-keloka dia tsara noho ny fanomezana arahana fanafintohinana. Ary i Allah dia Manan-karena sy Malemy fanahy.
🎧 Henoy

📜 Andininy 261-265 — Al-Baqarah

261مَّثَلُ الَّذِينَ يُنفِقُونَ أَمْوَالَهُمْ فِي سَبِيلِ اللَّهِ كَمَثَلِ حَبَّةٍ أَنبَتَتْ سَبْعَ سَنَابِلَ فِي كُلِّ سُنبُلَةٍ مِّائَةُ حَبَّةٍ ۗ وَاللَّهُ يُضَاعِفُ لِمَن يَشَاءُ ۗ وَاللَّهُ وَاسِعٌ عَلِيمٌ
Ireo izay mandany ny harenany amin’ny làlan’i Allah, dia mitovy amin’ny voa iray namoaka sampana fito, ka isaka ny sampana iray dia manome voa zato. Ary i Allah dia mampitombo avo eny ho an’izay sitrany, ary i Allah dia Malàla-tànana sy Mahalala ny zava-drehetra.
262الَّذِينَ يُنفِقُونَ أَمْوَالَهُمْ فِي سَبِيلِ اللَّهِ ثُمَّ لَا يُتْبِعُونَ مَا أَنفَقُوا مَنًّا وَلَا أَذًى ۙ لَّهُمْ أَجْرُهُمْ عِندَ رَبِّهِمْ وَلَا خَوْفٌ عَلَيْهِمْ وَلَا هُمْ يَحْزَنُونَ
Ireo izay mandany ny hareny amin’ny làlan’i Allah, ka tsy mampanaraka fampahatsiahivana na fanafintohinana amin'izay nolaniany, dia ho azy ireo ny valin-kasasarany eo anatrehan’ny Tompony, ary tsy hisy hampatahotra azy ireo, ary tsy halahelo izy ireo.
263۞ قَوْلٌ مَّعْرُوفٌ وَمَغْفِرَةٌ خَيْرٌ مِّن صَدَقَةٍ يَتْبَعُهَا أَذًى ۗ وَاللَّهُ غَنِيٌّ حَلِيمٌ
Ny teny mendrika sy ny famelan-keloka dia tsara noho ny fanomezana arahana fanafintohinana. Ary i Allah dia Manan-karena sy Malemy fanahy.
264يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا لَا تُبْطِلُوا صَدَقَاتِكُم بِالْمَنِّ وَالْأَذَىٰ كَالَّذِي يُنفِقُ مَالَهُ رِئَاءَ النَّاسِ وَلَا يُؤْمِنُ بِاللَّهِ وَالْيَوْمِ الْآخِرِ ۖ فَمَثَلُهُ كَمَثَلِ صَفْوَانٍ عَلَيْهِ تُرَابٌ فَأَصَابَهُ وَابِلٌ فَتَرَكَهُ صَلْدًا ۖ لَّا يَقْدِرُونَ عَلَىٰ شَيْءٍ مِّمَّا كَسَبُوا ۗ وَاللَّهُ لَا يَهْدِي الْقَوْمَ الْكَافِرِينَ
O ianareo mpino! Aza simbana amin’ny teny feno latsa sy mandratra fo ny fanomezana ataonareo, tahaka izay mahafoy ny fananany noho ny fisehosehoana eo imason’ny olona, nefa tsy mino an’Allah na ny andro farany akory izy. Ny toa azy, dia toy ny haram-bato rakofan’ny tany manify, ka rehefa nikija taminy ny oram-baratra nikaoka ny tany dia nametraka azy ho vato malama. Tsy afaka nanao na inona na inona tamin’izay azony izy ireo. Ary tsy mba mitari-dàlana ireo vahoaka tsy mpino Azy Allah
265وَمَثَلُ الَّذِينَ يُنفِقُونَ أَمْوَالَهُمُ ابْتِغَاءَ مَرْضَاتِ اللَّهِ وَتَثْبِيتًا مِّنْ أَنفُسِهِمْ كَمَثَلِ جَنَّةٍ بِرَبْوَةٍ أَصَابَهَا وَابِلٌ فَآتَتْ أُكُلَهَا ضِعْفَيْنِ فَإِن لَّمْ يُصِبْهَا وَابِلٌ فَطَلٌّ ۗ وَاللَّهُ بِمَا تَعْمَلُونَ بَصِيرٌ
Ary ireo izay mahafoy ny fananany tao anaty ny fikatsahana ny hafalian’Allah, sy fanamafisan’orina ny fanahin’izy ireo, dia sahala amin’ny tanimboly eny amin’ny tany avo. Ka rehefa nirotsaka taminy ny oram-baratra, dia vao mainka nampitombo ny vokatra teo aminy avo roa heny izany; fa raha tsy nanondraka azy kosa ny oram-baratra, dia ho avy ny andon’ny maraina. Fa hitan’Allah avokoa izay rehetra ataonareo.
Al-BaqarahFizahan-takila Koraña
286Andininy
MedinanRevelation
263Andininy

Fandikana — Al-Baqarah 263

Surah Al-Baqarah Andininy 263 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ny teny mendrika sy ny famelan-keloka dia tsara noho ny…

Surah Andininy 263/286 — Al-Baqarah البقرة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Baqarah Henoy, Al-Baqarah Fandikana, Al-Baqarah mp3, Al-Baqarah pdf. Andininy 261–265. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers