Al-Hajj · 37/78
Fandikana Fanononana — Al-Hajj
لَن يَنَالَ اللَّهَ لُحُومُهَا وَلَا دِمَاؤُهَا وَلَٰكِن يَنَالُهُ التَّقْوَىٰ مِنكُمْ ۚ كَذَٰلِكَ سَخَّرَهَا لَكُمْ لِتُكَبِّرُوا اللَّهَ عَلَىٰ مَا هَدَاكُمْ ۗ وَبَشِّرِ الْمُحْسِنِينَ ۝٣٧
Lany yanaalal laaha luhoo muhaa wa laa dimaaa`uhaa wa laakiny yanaaluhut taqwaa minkum; kazaalika sakhkharhaa lakum litukabbirul laaha `alaa ma hadaakum; wa bashshirul muhsineen
📖 Dikany Malagasy
Samy tsy ho tonga any amin’I Allah mihitsy na ny nofony na ny ràny, fa ny fatahoranareo no ho tonga any Aminy. Tahaka izany no nanaovany azy ireo ho anareo mba hideranareo ny halehiben’I Allah, satria Izy no nitarika anareo tamin’ny lala-mahitsy. Ary ilazao vaovao mahafaly ireo mpanao asa soa.
🎧 Henoy

📜 Andininy 35-39 — Al-Hajj

35الَّذِينَ إِذَا ذُكِرَ اللَّهُ وَجِلَتْ قُلُوبُهُمْ وَالصَّابِرِينَ عَلَىٰ مَا أَصَابَهُمْ وَالْمُقِيمِي الصَّلَاةِ وَمِمَّا رَزَقْنَاهُمْ يُنفِقُونَ
Ireo izay mihentam-po rehefa ampahatsiahivina mahakasika an'I Allah, sy ireo izay maharitra amin’ny voina mihatra amin’izy ireo, ary ireo mpanatanteraka ny Fivavahana sy manao fandaniana amin’izay anjara nomenay azy ireo.
36وَالْبُدْنَ جَعَلْنَاهَا لَكُم مِّن شَعَائِرِ اللَّهِ لَكُمْ فِيهَا خَيْرٌ ۖ فَاذْكُرُوا اسْمَ اللَّهِ عَلَيْهَا صَوَافَّ ۖ فَإِذَا وَجَبَتْ جُنُوبُهَا فَكُلُوا مِنْهَا وَأَطْعِمُوا الْقَانِعَ وَالْمُعْتَرَّ ۚ كَذَٰلِكَ سَخَّرْنَاهَا لَكُمْ لَعَلَّكُمْ تَشْكُرُونَ
Ary ireo rameva, dia nataonay ho anisan’ny zava-manan-kasin’I Allah ho anareo. Misy fahasoavana ho anareo amin’izany. Ary tononinareo amin’izy ireo ny anaran’I Allah rehefa voafatotra tsara izy ireo. Ary rehefa maty izy ireo dia mihinàna amin’izany ianareo, ary ampisakafoano ny mahantra, mpionona tsy mitalaho sy ireo mahantra mitalaho. Tahaka izany no nanaovanay azy ireo ho anareo, angamba hankasitraka ianareo.
37لَن يَنَالَ اللَّهَ لُحُومُهَا وَلَا دِمَاؤُهَا وَلَٰكِن يَنَالُهُ التَّقْوَىٰ مِنكُمْ ۚ كَذَٰلِكَ سَخَّرَهَا لَكُمْ لِتُكَبِّرُوا اللَّهَ عَلَىٰ مَا هَدَاكُمْ ۗ وَبَشِّرِ الْمُحْسِنِينَ
Samy tsy ho tonga any amin’I Allah mihitsy na ny nofony na ny ràny, fa ny fatahoranareo no ho tonga any Aminy. Tahaka izany no nanaovany azy ireo ho anareo mba hideranareo ny halehiben’I Allah, satria Izy no nitarika anareo tamin’ny lala-mahitsy. Ary ilazao vaovao mahafaly ireo mpanao asa soa.
38۞ إِنَّ اللَّهَ يُدَافِعُ عَنِ الَّذِينَ آمَنُوا ۗ إِنَّ اللَّهَ لَا يُحِبُّ كُلَّ خَوَّانٍ كَفُورٍ
Allah dia tena miaro tokoa ireo izay mino. Tena marina fa Allah dia tsy mitia ireo mpamadika, tsy mpankasitraka.
39أُذِنَ لِلَّذِينَ يُقَاتَلُونَ بِأَنَّهُمْ ظُلِمُوا ۚ وَإِنَّ اللَّهَ عَلَىٰ نَصْرِهِمْ لَقَدِيرٌ
Nomena alalana ireo izay voatafika (hiaro-tena), satria tena marina fa niharan’ny tsy rariny izy ireo, ary marina fa I Allah dia afaka mamonjy azy ireo.
Al-HajjFizahan-takila Koraña
78Andininy
MedinanRevelation
37Andininy

Fandikana — Al-Hajj 37

Surah Al-Hajj Andininy 37 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Samy tsy ho tonga any amin’I Allah mihitsy na ny…

Surah Andininy 37/78 — Al-Hajj الحج (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Hajj Henoy, Al-Hajj Fandikana, Al-Hajj mp3, Al-Hajj pdf. Andininy 35–39. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers