Al-Maidah · 10/120
Fandikana Fanononana — Al-Maidah
وَالَّذِينَ كَفَرُوا وَكَذَّبُوا بِآيَاتِنَا أُولَٰئِكَ أَصْحَابُ الْجَحِيمِ ۝١٠
Wallazeena kafaroo wa kazzaboo bi Aayaatinaaa ulaaa`ika Ashaabul Jaheem
📖 Dikany Malagasy
Ary ireo izay tsy nino sy nampandainga ireo fanambaranay, izy ireny no olon’ny afobe.

🎧 Henoy


📜 Andininy 8-12 — Al-Maidah

8يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا كُونُوا قَوَّامِينَ لِلَّهِ شُهَدَاءَ بِالْقِسْطِ ۖ وَلَا يَجْرِمَنَّكُمْ شَنَآنُ قَوْمٍ عَلَىٰ أَلَّا تَعْدِلُوا ۚ اعْدِلُوا هُوَ أَقْرَبُ لِلتَّقْوَىٰ ۖ وَاتَّقُوا اللَّهَ ۚ إِنَّ اللَّهَ خَبِيرٌ بِمَا تَعْمَلُونَ
O ianareo izay nino! Aoka ianareo hijoro am-pahamarinana ho an’I Allah, ary ho vavolombelona amin’ny rariny. Ary aoka ny hatezeranareo amin’ny vahoaka iray tsy hamporisika anareo amin’ny tsy fampiharana ny fahamarinana. Ampiharonareo ny fahamarinana, fa izany no tena akaiky indrindra amin’ny fatahorana an’I Allah. Ary matahora an’I Allah ianareo .Tena marina fa I Allah dia mahafantatra tokoa izay rehetra ataonareo.
9وَعَدَ اللَّهُ الَّذِينَ آمَنُوا وَعَمِلُوا الصَّالِحَاتِ ۙ لَهُم مَّغْفِرَةٌ وَأَجْرٌ عَظِيمٌ
Ary Allah dia nampanantena ireo izay mino sy manao ireo asa soa, fa ho azy ireo ny famelan-keloka sy ny valin-kasasarana lehibe.
10وَالَّذِينَ كَفَرُوا وَكَذَّبُوا بِآيَاتِنَا أُولَٰئِكَ أَصْحَابُ الْجَحِيمِ
Ary ireo izay tsy nino sy nampandainga ireo fanambaranay, izy ireny no olon’ny afobe.
11يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا اذْكُرُوا نِعْمَتَ اللَّهِ عَلَيْكُمْ إِذْ هَمَّ قَوْمٌ أَن يَبْسُطُوا إِلَيْكُمْ أَيْدِيَهُمْ فَكَفَّ أَيْدِيَهُمْ عَنكُمْ ۖ وَاتَّقُوا اللَّهَ ۚ وَعَلَى اللَّهِ فَلْيَتَوَكَّلِ الْمُؤْمِنُونَ
O Ianareo izay nino! Tsarovinareo ny fahasoavan’I Allah aminareo, rehefa niomana mafy ireo vahoaka hanenjana ny tanany aminareo, ka nosakanany ny tanan’izy ireo mba tsy hahakasika anareo. Ary matahora an’I Allah ianareo, ary amin’I Allah no tokony hanankinan’ireo mpino ny momba azy rehetra.
12۞ وَلَقَدْ أَخَذَ اللَّهُ مِيثَاقَ بَنِي إِسْرَائِيلَ وَبَعَثْنَا مِنْهُمُ اثْنَيْ عَشَرَ نَقِيبًا ۖ وَقَالَ اللَّهُ إِنِّي مَعَكُمْ ۖ لَئِنْ أَقَمْتُمُ الصَّلَاةَ وَآتَيْتُمُ الزَّكَاةَ وَآمَنتُم بِرُسُلِي وَعَزَّرْتُمُوهُمْ وَأَقْرَضْتُمُ اللَّهَ قَرْضًا حَسَنًا لَّأُكَفِّرَنَّ عَنكُمْ سَيِّئَاتِكُمْ وَلَأُدْخِلَنَّكُمْ جَنَّاتٍ تَجْرِي مِن تَحْتِهَا الْأَنْهَارُ ۚ فَمَن كَفَرَ بَعْدَ ذَٰلِكَ مِنكُمْ فَقَدْ ضَلَّ سَوَاءَ السَّبِيلِ
Ary tena marina fa noraisin’I Allah ny fanekena tamin’ireo zanak’Israely. Ary notendrenay ny tale roambinifolo avy tamin’izy ireo, ary niteny I Allah hoe: “Izaho dia miaraka aminareo hatrany, raha toa ka manangana ny fivavahana ara-dalàna sy mamoaka ny fanomezana an-tsitram-po ianareo, ary mino ireo Iraka sy manampy azy ireo, sy mampindrana an’I Allah ny fampindramana tsara, dia tena hofafako tokoa ireo asa ratsy vitanareo ary hampidiriko ianareo ao anatin’ireo zaridaina izay misy renirano maro mikoriana ao ambaniny. Ary izay tsy nino aorian’izany aminareo dia efa tena very niala amin’ny lalana mahitsy.
Al-MaidahFizahan-takila Koraña
120Andininy
MedinanRevelation
10Andininy

Fandikana — Al-Maidah 10

Surah Al-Maidah Andininy 10 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary ireo izay tsy nino sy nampandainga ireo fanambaranay, izy…

Surah Andininy 10/120 — Al-Maidah المائدة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Maidah Henoy, Al-Maidah Fandikana, Al-Maidah mp3, Al-Maidah pdf. Andininy 8–12. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers