Al-An'am · 137/165
Fandikana Fanononana — Al-An'am
وَكَذَٰلِكَ زَيَّنَ لِكَثِيرٍ مِّنَ الْمُشْرِكِينَ قَتْلَ أَوْلَادِهِمْ شُرَكَاؤُهُمْ لِيُرْدُوهُمْ وَلِيَلْبِسُوا عَلَيْهِمْ دِينَهُمْ ۖ وَلَوْ شَاءَ اللَّهُ مَا فَعَلُوهُ ۖ فَذَرْهُمْ وَمَا يَفْتَرُونَ ۝١٣٧
Wa kazaalika zaiyana likaseerim minal mushrikeena qatla awlaadihim shurakaaa`uhum liyurdoohum wa liyalbisoo `alaihim deenahum wa law shaaa`al laahu maa fa`aloohu fazarhum wa maa yaftaroon
📖 Dikany Malagasy
Ary toy izany no nampihaingoan’ireo Sampin’izy ireo ho an’ny maro tamin’ireo mpanompo sampy ny famonoana ireo zanany, mba handringanany azy ireo sy hanovany ny finoan’izy ireo. Raha sitrak’I Allah dia tsy nanao izany izy ireo, avelao izy ireo sy ny lainga izay noforoniny.
🎧 Henoy

📜 Andininy 135-139 — Al-An'am

135قُلْ يَا قَوْمِ اعْمَلُوا عَلَىٰ مَكَانَتِكُمْ إِنِّي عَامِلٌ ۖ فَسَوْفَ تَعْلَمُونَ مَن تَكُونُ لَهُ عَاقِبَةُ الدَّارِ ۗ إِنَّهُ لَا يُفْلِحُ الظَّالِمُونَ
Teneno hoe : “Oh ry vahoakako ! Miasà ianareo araka ny fomba fiasanareo, ary izaho koa dia hiasa araka ny fomba fiasako. Ka ho fantatrareo tsy ho ela iza no hahazo ny fiafaran-toerana tsara. Tena marina fa tsy hahita fahombiazana mihitsy ireo mpanao ny tsy rariny.
136وَجَعَلُوا لِلَّهِ مِمَّا ذَرَأَ مِنَ الْحَرْثِ وَالْأَنْعَامِ نَصِيبًا فَقَالُوا هَٰذَا لِلَّهِ بِزَعْمِهِمْ وَهَٰذَا لِشُرَكَائِنَا ۖ فَمَا كَانَ لِشُرَكَائِهِمْ فَلَا يَصِلُ إِلَى اللَّهِ ۖ وَمَا كَانَ لِلَّهِ فَهُوَ يَصِلُ إِلَىٰ شُرَكَائِهِمْ ۗ سَاءَ مَا يَحْكُمُونَ
Ary natokan’izy ireo ho an’I Allah ny ampahany tamin’izay nohariany amin’ny vokatra sy ireo biby fiompy, ka niteny izy ireo nanao hoe : Ity dia ho an’I Allah araka ny hambon’izy ireo, ary ity kosa ho an’ny Sampinay”. Ka izay natokana ho an’ny sampin’izy ireo dia tsy ho tonga any amin’I Allah, fa izay natokana ho an’I Allah kosa dia ho tonga any amin’ny sampin’izy ireo, ratsy tokoa izany fitsaran’izy ireo izany !
137وَكَذَٰلِكَ زَيَّنَ لِكَثِيرٍ مِّنَ الْمُشْرِكِينَ قَتْلَ أَوْلَادِهِمْ شُرَكَاؤُهُمْ لِيُرْدُوهُمْ وَلِيَلْبِسُوا عَلَيْهِمْ دِينَهُمْ ۖ وَلَوْ شَاءَ اللَّهُ مَا فَعَلُوهُ ۖ فَذَرْهُمْ وَمَا يَفْتَرُونَ
Ary toy izany no nampihaingoan’ireo Sampin’izy ireo ho an’ny maro tamin’ireo mpanompo sampy ny famonoana ireo zanany, mba handringanany azy ireo sy hanovany ny finoan’izy ireo. Raha sitrak’I Allah dia tsy nanao izany izy ireo, avelao izy ireo sy ny lainga izay noforoniny.
138وَقَالُوا هَٰذِهِ أَنْعَامٌ وَحَرْثٌ حِجْرٌ لَّا يَطْعَمُهَا إِلَّا مَن نَّشَاءُ بِزَعْمِهِمْ وَأَنْعَامٌ حُرِّمَتْ ظُهُورُهَا وَأَنْعَامٌ لَّا يَذْكُرُونَ اسْمَ اللَّهِ عَلَيْهَا افْتِرَاءً عَلَيْهِ ۚ سَيَجْزِيهِم بِمَا كَانُوا يَفْتَرُونَ
Ary niteny izy ireo nanao hoe : “Ireto dia andiam-biby sy vokatra voarara, tsy misy mahazo mihinana amin’izany raha tsy sitrakay”, araka ny hambon’izy ireo, ary andiam-biby izay voarara ny fitaingenana azy, ary koa andiam-biby tsy hanononan’izy ireo ny anaran’I Allah eo aminy, mba ho famoronan-dainga Aminy. Hamaly azy ireo Izy nohon'ny lainga izay noforonin’izy ireo.
139وَقَالُوا مَا فِي بُطُونِ هَٰذِهِ الْأَنْعَامِ خَالِصَةٌ لِّذُكُورِنَا وَمُحَرَّمٌ عَلَىٰ أَزْوَاجِنَا ۖ وَإِن يَكُن مَّيْتَةً فَهُمْ فِيهِ شُرَكَاءُ ۚ سَيَجْزِيهِمْ وَصْفَهُمْ ۚ إِنَّهُ حَكِيمٌ عَلِيمٌ
Ary niteny izy ireo nanao hoe : “Izay ao anaty kibon’ireto andiam-biby ireto dia voatokana ho an’ny lehilahy aminay, fa voarara kosa amin’ireo vadinay”. Raha maty kosa izany dia hikambanan’izy rehetra. Tsy ho ela dia hamaly azy ireo Izy nohon'ny filazana nataon’izy ireo izany. Tena marina fa Izy dia be Fahendrena sy Mahalala ny zava-drehetra.
Al-An'amFizahan-takila Koraña
165Andininy
MeccanRevelation
137Andininy

Fandikana — Al-An'am 137

Surah Al-An'am Andininy 137 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary toy izany no nampihaingoan’ireo Sampin’izy ireo ho an’ny maro…

Surah Andininy 137/165 — Al-An'am الأنعام (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-An'am Henoy, Al-An'am Fandikana, Al-An'am mp3, Al-An'am pdf. Andininy 135–139. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers