Al-An'am · 159/165
Fandikana Fanononana — Al-An'am
إِنَّ الَّذِينَ فَرَّقُوا دِينَهُمْ وَكَانُوا شِيَعًا لَّسْتَ مِنْهُمْ فِي شَيْءٍ ۚ إِنَّمَا أَمْرُهُمْ إِلَى اللَّهِ ثُمَّ يُنَبِّئُهُم بِمَا كَانُوا يَفْعَلُونَ ۝١٥٩
Innal lazeena farraqoo deenahum wa kaanoo shiya`allasta minhum fee shai`; innamaaa amruhum ilallaahi summma yunabbi`uhum bimaa kaanoo yaf`aloon
📖 Dikany Malagasy
Marina fa ireo izay nampizarazara ny finoan’izy ireo ka lasa nisy fizarazarana maro, tsy manan-draharahara amin’izy ireo ianao na dia kely aza. Tena marina fa ny raharaha momba azy ireo dia any amin’I Allah. Avy eo dia hilaza azy ireo Izy, amin’izay asa nataon’izy ireo.

🎧 Henoy


📜 Andininy 157-161 — Al-An'am

157أَوْ تَقُولُوا لَوْ أَنَّا أُنزِلَ عَلَيْنَا الْكِتَابُ لَكُنَّا أَهْدَىٰ مِنْهُمْ ۚ فَقَدْ جَاءَكُم بَيِّنَةٌ مِّن رَّبِّكُمْ وَهُدًى وَرَحْمَةٌ ۚ فَمَنْ أَظْلَمُ مِمَّن كَذَّبَ بِآيَاتِ اللَّهِ وَصَدَفَ عَنْهَا ۗ سَنَجْزِي الَّذِينَ يَصْدِفُونَ عَنْ آيَاتِنَا سُوءَ الْعَذَابِ بِمَا كَانُوا يَصْدِفُونَ
Na koa hiteny ianareo manao hoe : “Raha tena taminay no nampidinina ny Boky dia tena voatari-dalana mihoatra azy ireo izahay”. Ary efa tonga aminareo ny porofo avy amin’ny Tomponareo, sy ny tari-dalana ary ny famindram-po. Iza no tena manao ny tsy rariny mihoatra izay miteny fa lainga ireo fanambaran’I Allah no sady mitodi-damosina ? Ho sazinay ireo izay nitodi-damosina amin’ireo fanambaranay, amin’ny famaizana tena ratsy, noho izy ireo nitodi-damosina.
158هَلْ يَنظُرُونَ إِلَّا أَن تَأْتِيَهُمُ الْمَلَائِكَةُ أَوْ يَأْتِيَ رَبُّكَ أَوْ يَأْتِيَ بَعْضُ آيَاتِ رَبِّكَ ۗ يَوْمَ يَأْتِي بَعْضُ آيَاتِ رَبِّكَ لَا يَنفَعُ نَفْسًا إِيمَانُهَا لَمْ تَكُنْ آمَنَتْ مِن قَبْلُ أَوْ كَسَبَتْ فِي إِيمَانِهَا خَيْرًا ۗ قُلِ انتَظِرُوا إِنَّا مُنتَظِرُونَ
Moa ve hiandry izy ireo afa-tsy ny hahatongavan’ireo Anjely na ny hahatongavan’ny Tomponao na ny hahatongavan’ny sasany amin’ireo famantarana avy amin’ny Tomponao ? Amin’ny andro izay hahatongavan’ny sasany amin’ireo famantarana avy amin’ny Tomponao dia tsy hitera-boka-tsoa ho an’ny tena ny finoan’izay mbola tsy nino teo aloha, na koa izay mbola tsy nahazo fahasoavana tamin’ny finoany. Teneno hoe : “Miandrasa ary ianareo, fa izahay koa dia miandry”.
159إِنَّ الَّذِينَ فَرَّقُوا دِينَهُمْ وَكَانُوا شِيَعًا لَّسْتَ مِنْهُمْ فِي شَيْءٍ ۚ إِنَّمَا أَمْرُهُمْ إِلَى اللَّهِ ثُمَّ يُنَبِّئُهُم بِمَا كَانُوا يَفْعَلُونَ
Marina fa ireo izay nampizarazara ny finoan’izy ireo ka lasa nisy fizarazarana maro, tsy manan-draharahara amin’izy ireo ianao na dia kely aza. Tena marina fa ny raharaha momba azy ireo dia any amin’I Allah. Avy eo dia hilaza azy ireo Izy, amin’izay asa nataon’izy ireo.
160مَن جَاءَ بِالْحَسَنَةِ فَلَهُ عَشْرُ أَمْثَالِهَا ۖ وَمَن جَاءَ بِالسَّيِّئَةِ فَلَا يُجْزَىٰ إِلَّا مِثْلَهَا وَهُمْ لَا يُظْلَمُونَ
Na iza na iza tonga miaraka amin’ny asa soa, dia hahazo folo avo heny amin’izany izy ary na iza na iza tonga miaraka amin’ny asa ratsy dia tsy ho valiana izy afa-tsy ny mitovy amin’izany ihany. Ary tsy hanaovana ny tsy rariny izy ireo.
161قُلْ إِنَّنِي هَدَانِي رَبِّي إِلَىٰ صِرَاطٍ مُّسْتَقِيمٍ دِينًا قِيَمًا مِّلَّةَ إِبْرَاهِيمَ حَنِيفًا ۚ وَمَا كَانَ مِنَ الْمُشْرِكِينَ
Teneno hoe : “Tena marina fa izaho dia notarihin’ny Tompoko amin’ny lala-mahitsy, finoana izay mahitsy, finoan’i Abrahama, izay madio, ary tsy anisan’ireo mpanompo Sampy Izy.
Al-An'amFizahan-takila Koraña
165Andininy
MeccanRevelation
159Andininy

Fandikana — Al-An'am 159

Surah Al-An'am Andininy 159 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Marina fa ireo izay nampizarazara ny finoan’izy ireo ka lasa…

Surah Andininy 159/165 — Al-An'am الأنعام (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-An'am Henoy, Al-An'am Fandikana, Al-An'am mp3, Al-An'am pdf. Andininy 157–161. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers