Al-An'am · 71/165
Fandikana Fanononana — Al-An'am
قُلْ أَنَدْعُو مِن دُونِ اللَّهِ مَا لَا يَنفَعُنَا وَلَا يَضُرُّنَا وَنُرَدُّ عَلَىٰ أَعْقَابِنَا بَعْدَ إِذْ هَدَانَا اللَّهُ كَالَّذِي اسْتَهْوَتْهُ الشَّيَاطِينُ فِي الْأَرْضِ حَيْرَانَ لَهُ أَصْحَابٌ يَدْعُونَهُ إِلَى الْهُدَى ائْتِنَا ۗ قُلْ إِنَّ هُدَى اللَّهِ هُوَ الْهُدَىٰ ۖ وَأُمِرْنَا لِنُسْلِمَ لِرَبِّ الْعَالَمِينَ ۝٧١
Qul anad`oo min doonil laahi maa laa yanfa`unaa wa laa yadurrunaa wa nuraddu `alaaa a`qaabina ba`da iz hadaanal laahu kallazis tahwat hush Shayaateenu fil ardi hairaana lahooo ashaabuny yad`oo nahooo ilal huda` tinaa; qul inna hudal laahi huwal hudaa wa umirnaa linuslima li Rabbil `aalameen
📖 Dikany Malagasy
Teneno hoe : “Moa ve hitalaho ankoatr’I Allah izahay, izay tsy afaka hanasoa anay na hanaratsy anay ? Ary haverina amin’ny vody tongotray (hiverin-dàlana) izahay taorian’ny notarihan’I Allah làlana anay, tahaka izay norebireben’ireo satana eto an-tany, sanganehana, na dia misy namana miantso azy izy ho amin’ny tari-dàlana : “Tongava aty aminay ianao”. Teneno hoe : “Ny tari-dalan’I Allah no tena tari-dàlana. Ary nodidiana izahay mba hanaiky tanteraka ny Tompon’izao Tontolo izao”.
🎧 Henoy

📜 Andininy 69-73 — Al-An'am

69وَمَا عَلَى الَّذِينَ يَتَّقُونَ مِنْ حِسَابِهِم مِّن شَيْءٍ وَلَٰكِن ذِكْرَىٰ لَعَلَّهُمْ يَتَّقُونَ
Tsy anjaran’ireo izay manam-patahorana ny fitsarana azy ireo na dia kely aza. Fa ny fampahatsiahivana ihany. Angamba hanam-patahorana izy ireo.
70وَذَرِ الَّذِينَ اتَّخَذُوا دِينَهُمْ لَعِبًا وَلَهْوًا وَغَرَّتْهُمُ الْحَيَاةُ الدُّنْيَا ۚ وَذَكِّرْ بِهِ أَن تُبْسَلَ نَفْسٌ بِمَا كَسَبَتْ لَيْسَ لَهَا مِن دُونِ اللَّهِ وَلِيٌّ وَلَا شَفِيعٌ وَإِن تَعْدِلْ كُلَّ عَدْلٍ لَّا يُؤْخَذْ مِنْهَا ۗ أُولَٰئِكَ الَّذِينَ أُبْسِلُوا بِمَا كَسَبُوا ۖ لَهُمْ شَرَابٌ مِّنْ حَمِيمٍ وَعَذَابٌ أَلِيمٌ بِمَا كَانُوا يَكْفُرُونَ
Ary avelao ireo izay manao ny finoany ho kilalao sy rendrarendra, ary nofitahin’ny fiainana eto an-tany. Ary ampahatsiahivo amin’ny alalany (Koro’any) Ianao mba tsy hisy olona maty antoka nohon'ny asa vitany, tsy hanana mpiahy na mpanelanelana izy ankoatr’I Allah. Ary na inona na inona ny onitra atolony dia tsy ho raisina avy aminy izany. Izy ireny no olona maty antoka amin’ny asa vitany. Ho azy ireo ny zava-pisotro mangotraka sy ny sazy mamirifiry noho izy ireo tsy nino.
71قُلْ أَنَدْعُو مِن دُونِ اللَّهِ مَا لَا يَنفَعُنَا وَلَا يَضُرُّنَا وَنُرَدُّ عَلَىٰ أَعْقَابِنَا بَعْدَ إِذْ هَدَانَا اللَّهُ كَالَّذِي اسْتَهْوَتْهُ الشَّيَاطِينُ فِي الْأَرْضِ حَيْرَانَ لَهُ أَصْحَابٌ يَدْعُونَهُ إِلَى الْهُدَى ائْتِنَا ۗ قُلْ إِنَّ هُدَى اللَّهِ هُوَ الْهُدَىٰ ۖ وَأُمِرْنَا لِنُسْلِمَ لِرَبِّ الْعَالَمِينَ
Teneno hoe : “Moa ve hitalaho ankoatr’I Allah izahay, izay tsy afaka hanasoa anay na hanaratsy anay ? Ary haverina amin’ny vody tongotray (hiverin-dàlana) izahay taorian’ny notarihan’I Allah làlana anay, tahaka izay norebireben’ireo satana eto an-tany, sanganehana, na dia misy namana miantso azy izy ho amin’ny tari-dàlana : “Tongava aty aminay ianao”. Teneno hoe : “Ny tari-dalan’I Allah no tena tari-dàlana. Ary nodidiana izahay mba hanaiky tanteraka ny Tompon’izao Tontolo izao”.
72وَأَنْ أَقِيمُوا الصَّلَاةَ وَاتَّقُوهُ ۚ وَهُوَ الَّذِي إِلَيْهِ تُحْشَرُونَ
Ary aoka mba ho tanterahanareo ny vavaka fanompoana ary matahora Azy ianareo. Ary any Aminy no hamoriana anareo.
73وَهُوَ الَّذِي خَلَقَ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضَ بِالْحَقِّ ۖ وَيَوْمَ يَقُولُ كُن فَيَكُونُ ۚ قَوْلُهُ الْحَقُّ ۚ وَلَهُ الْمُلْكُ يَوْمَ يُنفَخُ فِي الصُّورِ ۚ عَالِمُ الْغَيْبِ وَالشَّهَادَةِ ۚ وَهُوَ الْحَكِيمُ الْخَبِيرُ
Ary Izy no nahary ireo lanitra sy ny tany amim-pahamarinana. Ary amin’ny andro hitenenany hoe : “Misia” dia misy izany, ny Teniny dia fahamarinana, ary Azy ny fanjakana amin’ny andro hitsofana ny Anjomara, ilay Mahalala ny miafina sy ny miharihary. Ary izy Ilay be Fahendrena, Ilay Mahafantatra ny zava-drehetra.
Al-An'amFizahan-takila Koraña
165Andininy
MeccanRevelation
71Andininy

Fandikana — Al-An'am 71

Surah Al-An'am Andininy 71 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Teneno hoe : “Moa ve hitalaho ankoatr’I Allah izahay, izay…

Surah Andininy 71/165 — Al-An'am الأنعام (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-An'am Henoy, Al-An'am Fandikana, Al-An'am mp3, Al-An'am pdf. Andininy 69–73. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers