Al-A'raf · 141/206
Fandikana Fanononana — Al-A'raf
وَإِذْ أَنجَيْنَاكُم مِّنْ آلِ فِرْعَوْنَ يَسُومُونَكُمْ سُوءَ الْعَذَابِ ۖ يُقَتِّلُونَ أَبْنَاءَكُمْ وَيَسْتَحْيُونَ نِسَاءَكُمْ ۚ وَفِي ذَٰلِكُم بَلَاءٌ مِّن رَّبِّكُمْ عَظِيمٌ ۝١٤١
Wa iz anjainaakum min Aali Fir`awna yasoomoo nakum sooo`al `azaab, yuqattiloona abnaaa`akum wa yastahyoona nisaaa`akum; wa fee zaalikum balaaa`um mir Rabbikum `azeem
📖 Dikany Malagasy
Ary tsarovinareo ny nanavotanay anareo tamin'ireo olon'i Faraona, izay nampitondra faisana anareo tamin'ny fampijaliana mahatsiravina; notapahan'izy ireo tenda ireo zanaka lahinareo ary navelan'izy ireo velona ireo vehivavinareo. Ary izany dia mifono fitsapana lehibe avy tamin'ny Tomponareo.
🎧 Henoy

📜 Andininy 139-143 — Al-A'raf

139إِنَّ هَٰؤُلَاءِ مُتَبَّرٌ مَّا هُمْ فِيهِ وَبَاطِلٌ مَّا كَانُوا يَعْمَلُونَ
Ny fomba fivavahana izay ianteheran’izy ireo dia ho rava, ary ho zava-poana izay rehetra ataon’izy ireo.
140قَالَ أَغَيْرَ اللَّهِ أَبْغِيكُمْ إِلَٰهًا وَهُوَ فَضَّلَكُمْ عَلَى الْعَالَمِينَ
Niteny Izy nanao hoe : “Izaho ve no hitady zanahary hafa ho anareo ankoatr’I Allah nefa Izy no nanome anareo tombom-pahasoavana teo amin’izao Tontolo izao ?”
141وَإِذْ أَنجَيْنَاكُم مِّنْ آلِ فِرْعَوْنَ يَسُومُونَكُمْ سُوءَ الْعَذَابِ ۖ يُقَتِّلُونَ أَبْنَاءَكُمْ وَيَسْتَحْيُونَ نِسَاءَكُمْ ۚ وَفِي ذَٰلِكُم بَلَاءٌ مِّن رَّبِّكُمْ عَظِيمٌ
Ary tsarovinareo ny nanavotanay anareo tamin'ireo olon'i Faraona, izay nampitondra faisana anareo tamin'ny fampijaliana mahatsiravina; notapahan'izy ireo tenda ireo zanaka lahinareo ary navelan'izy ireo velona ireo vehivavinareo. Ary izany dia mifono fitsapana lehibe avy tamin'ny Tomponareo.
142۞ وَوَاعَدْنَا مُوسَىٰ ثَلَاثِينَ لَيْلَةً وَأَتْمَمْنَاهَا بِعَشْرٍ فَتَمَّ مِيقَاتُ رَبِّهِ أَرْبَعِينَ لَيْلَةً ۚ وَقَالَ مُوسَىٰ لِأَخِيهِ هَارُونَ اخْلُفْنِي فِي قَوْمِي وَأَصْلِحْ وَلَا تَتَّبِعْ سَبِيلَ الْمُفْسِدِينَ
Ary nampanantenanay fihaonana telopolo alina i Mosesy ary nampianay folo izany ka feno efapolo alina ny fihaonana tamin’ny Tompony. Niteny i Mosesy tamin’i Harona rahalahiny hoe : “Soloy aho eo anatrehan’ireo vahoakako, ary manaova ny tsara fa aza manaraka ny làlan’ireo mpanao ny fanimbana”.
143وَلَمَّا جَاءَ مُوسَىٰ لِمِيقَاتِنَا وَكَلَّمَهُ رَبُّهُ قَالَ رَبِّ أَرِنِي أَنظُرْ إِلَيْكَ ۚ قَالَ لَن تَرَانِي وَلَٰكِنِ انظُرْ إِلَى الْجَبَلِ فَإِنِ اسْتَقَرَّ مَكَانَهُ فَسَوْفَ تَرَانِي ۚ فَلَمَّا تَجَلَّىٰ رَبُّهُ لِلْجَبَلِ جَعَلَهُ دَكًّا وَخَرَّ مُوسَىٰ صَعِقًا ۚ فَلَمَّا أَفَاقَ قَالَ سُبْحَانَكَ تُبْتُ إِلَيْكَ وَأَنَا أَوَّلُ الْمُؤْمِنِينَ
Nony tonga tamin’ny toerana nanaovanay ny fihaonana i Mosesy, dia niresaka taminy ny Tompony, ary niteny izy hoe : “Tompoko, misehoa amiko Ianao mba ho itako!” Dia niteny Izy hoe : “Tsy hahita Ahy velively ianao, fa jereo kosa irý tendrombohitra irý raha mbola miorina eo amin’ny toerany, dia hahita Ahy ianao”. Rehefa niseho tamin’ny tendrombohitra ny Tompony dia nataony potipotika izany, ary nianjera i Mosesy sady torana. Rehefa nahatsiaro tena izy dia niteny hoe : “Voninahitra anie ho Anao, mibebaka Aminao aho, ary izaho no voalohany amin’ireo olona mpino”.
Al-A'rafFizahan-takila Koraña
206Andininy
MeccanRevelation
141Andininy

Fandikana — Al-A'raf 141

Surah Al-A'raf Andininy 141 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary tsarovinareo ny nanavotanay anareo tamin'ireo olon'i Faraona, izay nampitondra…

Surah Andininy 141/206 — Al-A'raf الأعراف (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-A'raf Henoy, Al-A'raf Fandikana, Al-A'raf mp3, Al-A'raf pdf. Andininy 139–143. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers