Al-A'raf · 144/206
Fandikana Fanononana — Al-A'raf
قَالَ يَا مُوسَىٰ إِنِّي اصْطَفَيْتُكَ عَلَى النَّاسِ بِرِسَالَاتِي وَبِكَلَامِي فَخُذْ مَا آتَيْتُكَ وَكُن مِّنَ الشَّاكِرِينَ ۝١٤٤
Qaala yaa Moosaaa innis tafaituka `alan naasi bi Risaalaatee wa bi kalaamee fakhuz maaa aataituka wa kum minash shaakireen
📖 Dikany Malagasy
Ary niteny Izy (Allah) : “Ry Mosesy ! Tena nisafidy anao Aho tamin’ireo olombelona mba hitondra ny hafatro sy ny teniko. Koa raiso izay omeko anao, ary aoka ianao ho anisan’ireo mpankasitraka.
🎧 Henoy

📜 Andininy 142-146 — Al-A'raf

142۞ وَوَاعَدْنَا مُوسَىٰ ثَلَاثِينَ لَيْلَةً وَأَتْمَمْنَاهَا بِعَشْرٍ فَتَمَّ مِيقَاتُ رَبِّهِ أَرْبَعِينَ لَيْلَةً ۚ وَقَالَ مُوسَىٰ لِأَخِيهِ هَارُونَ اخْلُفْنِي فِي قَوْمِي وَأَصْلِحْ وَلَا تَتَّبِعْ سَبِيلَ الْمُفْسِدِينَ
Ary nampanantenanay fihaonana telopolo alina i Mosesy ary nampianay folo izany ka feno efapolo alina ny fihaonana tamin’ny Tompony. Niteny i Mosesy tamin’i Harona rahalahiny hoe : “Soloy aho eo anatrehan’ireo vahoakako, ary manaova ny tsara fa aza manaraka ny làlan’ireo mpanao ny fanimbana”.
143وَلَمَّا جَاءَ مُوسَىٰ لِمِيقَاتِنَا وَكَلَّمَهُ رَبُّهُ قَالَ رَبِّ أَرِنِي أَنظُرْ إِلَيْكَ ۚ قَالَ لَن تَرَانِي وَلَٰكِنِ انظُرْ إِلَى الْجَبَلِ فَإِنِ اسْتَقَرَّ مَكَانَهُ فَسَوْفَ تَرَانِي ۚ فَلَمَّا تَجَلَّىٰ رَبُّهُ لِلْجَبَلِ جَعَلَهُ دَكًّا وَخَرَّ مُوسَىٰ صَعِقًا ۚ فَلَمَّا أَفَاقَ قَالَ سُبْحَانَكَ تُبْتُ إِلَيْكَ وَأَنَا أَوَّلُ الْمُؤْمِنِينَ
Nony tonga tamin’ny toerana nanaovanay ny fihaonana i Mosesy, dia niresaka taminy ny Tompony, ary niteny izy hoe : “Tompoko, misehoa amiko Ianao mba ho itako!” Dia niteny Izy hoe : “Tsy hahita Ahy velively ianao, fa jereo kosa irý tendrombohitra irý raha mbola miorina eo amin’ny toerany, dia hahita Ahy ianao”. Rehefa niseho tamin’ny tendrombohitra ny Tompony dia nataony potipotika izany, ary nianjera i Mosesy sady torana. Rehefa nahatsiaro tena izy dia niteny hoe : “Voninahitra anie ho Anao, mibebaka Aminao aho, ary izaho no voalohany amin’ireo olona mpino”.
144قَالَ يَا مُوسَىٰ إِنِّي اصْطَفَيْتُكَ عَلَى النَّاسِ بِرِسَالَاتِي وَبِكَلَامِي فَخُذْ مَا آتَيْتُكَ وَكُن مِّنَ الشَّاكِرِينَ
Ary niteny Izy (Allah) : “Ry Mosesy ! Tena nisafidy anao Aho tamin’ireo olombelona mba hitondra ny hafatro sy ny teniko. Koa raiso izay omeko anao, ary aoka ianao ho anisan’ireo mpankasitraka.
145وَكَتَبْنَا لَهُ فِي الْأَلْوَاحِ مِن كُلِّ شَيْءٍ مَّوْعِظَةً وَتَفْصِيلًا لِّكُلِّ شَيْءٍ فَخُذْهَا بِقُوَّةٍ وَأْمُرْ قَوْمَكَ يَأْخُذُوا بِأَحْسَنِهَا ۚ سَأُرِيكُمْ دَارَ الْفَاسِقِينَ
Ary nosoratanay ho Azy, tamin’ny takela-bato, ny fananarana mikasika ny zava-drehetra sy ny fanazavana amin’ny antsipiriany. Raiso izany ary tazony mafy, ka didio ny vahoakanao handray izany amin’ny tsara indrindra. Tsy ho ela dia hasehoko anareo ny fonenan’ireo mpanao asa ratsy.
146سَأَصْرِفُ عَنْ آيَاتِيَ الَّذِينَ يَتَكَبَّرُونَ فِي الْأَرْضِ بِغَيْرِ الْحَقِّ وَإِن يَرَوْا كُلَّ آيَةٍ لَّا يُؤْمِنُوا بِهَا وَإِن يَرَوْا سَبِيلَ الرُّشْدِ لَا يَتَّخِذُوهُ سَبِيلًا وَإِن يَرَوْا سَبِيلَ الْغَيِّ يَتَّخِذُوهُ سَبِيلًا ۚ ذَٰلِكَ بِأَنَّهُمْ كَذَّبُوا بِآيَاتِنَا وَكَانُوا عَنْهَا غَافِلِينَ
Halaviriko amin’ireo famantarana avy Amiko ireo izay miavonavona tsy amim-pahamarinana eto an-tany. Na dia mahita ny fahagagana rehetra aza izy ireo dia tsy hino izany. Ary na dia mahita ny lalana tsara aza izy ireo, dia tsy handray izany ho lalan-kaleha. Fa raha mahita ny lalan’ny fahaverezana izy ireo, dia raisin’izy ireo ho lalan-kaleha izany. Izany dia satria, milaza ireo famantarana avy Aminay ho lainga izy ireo ka tsy miraharaha izany.
Al-A'rafFizahan-takila Koraña
206Andininy
MeccanRevelation
144Andininy

Fandikana — Al-A'raf 144

Surah Al-A'raf Andininy 144 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary niteny Izy (Allah) : “Ry Mosesy ! Tena nisafidy…

Surah Andininy 144/206 — Al-A'raf الأعراف (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-A'raf Henoy, Al-A'raf Fandikana, Al-A'raf mp3, Al-A'raf pdf. Andininy 142–146. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers