Al-A'raf · 34/206
Fandikana Fanononana — Al-A'raf
وَلِكُلِّ أُمَّةٍ أَجَلٌ ۖ فَإِذَا جَاءَ أَجَلُهُمْ لَا يَسْتَأْخِرُونَ سَاعَةً ۖ وَلَا يَسْتَقْدِمُونَ ۝٣٤
Wa likulli ummatin ajalun fa izaa jaaa`a ajaluhum laa yastaakhiroona saa`atanw wa laa yastaqdimoon
📖 Dikany Malagasy
Ary ny vahoaka tsirairay dia manana fiafarany. Ka raha tonga ny fe-potoana farany ho azy ireo dia tsy vitan’izy ireo intsony ny hanemotra izany na dia ora iray monja aza, ary tsy vitan’izy ireo ihany koa ny hanafaingana izany.
🎧 Henoy

📜 Andininy 32-36 — Al-A'raf

32قُلْ مَنْ حَرَّمَ زِينَةَ اللَّهِ الَّتِي أَخْرَجَ لِعِبَادِهِ وَالطَّيِّبَاتِ مِنَ الرِّزْقِ ۚ قُلْ هِيَ لِلَّذِينَ آمَنُوا فِي الْحَيَاةِ الدُّنْيَا خَالِصَةً يَوْمَ الْقِيَامَةِ ۗ كَذَٰلِكَ نُفَصِّلُ الْآيَاتِ لِقَوْمٍ يَعْلَمُونَ
Teneno hoe : “Iza no nandrara ny haingo (fitafiana) avy amin’I Allah, izay navoakany ho an’ireo mpanompony sy ireo tsara amin’ny anjara sakafo ?” Teneno hoe : “Izy ireo dia ho an’ireo izay nino eto amin’ny fiainana ambonin’ny tany ary ho azy ireo manokana amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty”. Tahaka izany no hanazavanay amin’ny antsipiriany ireo fanambarana ho an’ireo vahoaka manam-pahalalana.
33قُلْ إِنَّمَا حَرَّمَ رَبِّيَ الْفَوَاحِشَ مَا ظَهَرَ مِنْهَا وَمَا بَطَنَ وَالْإِثْمَ وَالْبَغْيَ بِغَيْرِ الْحَقِّ وَأَن تُشْرِكُوا بِاللَّهِ مَا لَمْ يُنَزِّلْ بِهِ سُلْطَانًا وَأَن تَقُولُوا عَلَى اللَّهِ مَا لَا تَعْلَمُونَ
Teneno hoe : “Tena marina fa noraran’ny Tompoko ireo asa vetaveta, na ny miharihary Aminy izany na ny miafina sy ny fahotana, ny fihetraketrahana tsy amim-pahahamarinana, sy ny fanakambananareo Allah amin’ny zavatra izay tsy nampidinany porofo na dia kely aza ary ny fitenenanareo mahakasik’I Allah amin’izay tsy anananareo fahalalana”.
34وَلِكُلِّ أُمَّةٍ أَجَلٌ ۖ فَإِذَا جَاءَ أَجَلُهُمْ لَا يَسْتَأْخِرُونَ سَاعَةً ۖ وَلَا يَسْتَقْدِمُونَ
Ary ny vahoaka tsirairay dia manana fiafarany. Ka raha tonga ny fe-potoana farany ho azy ireo dia tsy vitan’izy ireo intsony ny hanemotra izany na dia ora iray monja aza, ary tsy vitan’izy ireo ihany koa ny hanafaingana izany.
35يَا بَنِي آدَمَ إِمَّا يَأْتِيَنَّكُمْ رُسُلٌ مِّنكُمْ يَقُصُّونَ عَلَيْكُمْ آيَاتِي ۙ فَمَنِ اتَّقَىٰ وَأَصْلَحَ فَلَا خَوْفٌ عَلَيْهِمْ وَلَا هُمْ يَحْزَنُونَ
Oh ry taranak’i Adama ! Raha misy ireo iraka (voafidy) avy aminareo tonga mitantara aminareo ireo fanambarako, izay natahotra sy nanarina ny tenany, dia tsy hisy tahotra izy ireo ary tsy halahelo ihany koa.
36وَالَّذِينَ كَذَّبُوا بِآيَاتِنَا وَاسْتَكْبَرُوا عَنْهَا أُولَٰئِكَ أَصْحَابُ النَّارِ ۖ هُمْ فِيهَا خَالِدُونَ
Fa ireo izay tsy nino sy nampandainga ireo fanambaranay kosa, dia izy ireo no olon'ny Afobe izay hitoetra ao mandrakizay.
Al-A'rafFizahan-takila Koraña
206Andininy
MeccanRevelation
34Andininy

Fandikana — Al-A'raf 34

Surah Al-A'raf Andininy 34 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary ny vahoaka tsirairay dia manana fiafarany. Ka raha tonga…

Surah Andininy 34/206 — Al-A'raf الأعراف (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-A'raf Henoy, Al-A'raf Fandikana, Al-A'raf mp3, Al-A'raf pdf. Andininy 32–36. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers