Surah Al-Anbiya amin'ny teny Arabo sy Malagasy
Vakio ny Surah Al-Anbiya miaraka amin'ny fandikana malagasy feno, fanononana ary feo fitononana. Dikan-teny isaky ny andininy. (112 Andininy — مكية). Al-Anbiya Henoy, Al-Anbiya Fandikana, Al-Anbiya mp3, Al-Anbiya pdf.Vakio sy Henoy ny Surah Al-Anbiya
🎧 Andininy
M
Mishary Rashid Alafasy
✓
Mishary Rashid Alafasy
✓
M
Mahmoud Khalil Al-Husary
✓
Mahmoud Khalil Al-Husary
✓
A
Abdurrahman As-Sudais
✓
Abdurrahman As-Sudais
✓
M
Mohamed Siddiq Al-Minshawi
✓
Mohamed Siddiq Al-Minshawi
✓
A
Abdul Basit Abdul Samad
✓
Abdul Basit Abdul Samad
✓
A
Ali Al-Hudhaify
✓
Ali Al-Hudhaify
✓
A
Ahmed ibn Ali al-Ajamy
✓
Ahmed ibn Ali al-Ajamy
✓
A
Abu Bakr Ash-Shaatree
✓
Abu Bakr Ash-Shaatree
✓
M
Muhammad Ayyoub
✓
Muhammad Ayyoub
✓
A
Abdullah Basfar
✓
Abdullah Basfar
✓
A
Abdullah Al-Juhani
✓
Abdullah Al-Juhani
✓
M
Maher Al Muaiqly
✓
Maher Al Muaiqly
✓
—
x1
اقْتَرَبَ لِلنَّاسِ حِسَابُهُمْ وَهُمْ فِي غَفْلَةٍ مُّعْرِضُونَ ١
📖 Fandikana
Andininy 1
Manakaiky ny olombelona ny fitsarana azy kanefa izy ireo dia mitodi-damosina ao anatin’ny fanadinoana.
مَا يَأْتِيهِم مِّن ذِكْرٍ مِّن رَّبِّهِم مُّحْدَثٍ إِلَّا اسْتَمَعُوهُ وَهُمْ يَلْعَبُونَ ٢
📖 Fandikana
Andininy 2
Tsy misy fampahatsiahivana vao haingana tonga tamin’izy ireo avy tamin’ny Tompony, afa-tsy nohenoin’izy ireo tamim-pivazivaziana izany.
لَاهِيَةً قُلُوبُهُمْ ۗ وَأَسَرُّوا النَّجْوَى الَّذِينَ ظَلَمُوا هَلْ هَٰذَا إِلَّا بَشَرٌ مِّثْلُكُمْ ۖ أَفَتَأْتُونَ السِّحْرَ وَأَنتُمْ تُبْصِرُونَ ٣
📖 Fandikana
Andininy 3
Varimbariana ny fon’izy ireo ; ary ireo izay manao ny tsy rariny dia manao konokonon-dresaka hoe : “Moa tsy olombelona tahaka anareo ihany ve izy ? Ka hanaraka ny majika ve ianareo kanefa ianareo mahita tsara izany ?”
قَالَ رَبِّي يَعْلَمُ الْقَوْلَ فِي السَّمَاءِ وَالْأَرْضِ ۖ وَهُوَ السَّمِيعُ الْعَلِيمُ ٤
📖 Fandikana
Andininy 4
Niteny izy (Mohammad) hoe : “Ny Tompoko dia mahafantatra ny teny rehetra izay lazaina any an-danitra sy ety an-tany. Ary Izy Ilay Maheno, Ilay Mahalala ny zava-drehetra”.
بَلْ قَالُوا أَضْغَاثُ أَحْلَامٍ بَلِ افْتَرَاهُ بَلْ هُوَ شَاعِرٌ فَلْيَأْتِنَا بِآيَةٍ كَمَا أُرْسِلَ الْأَوَّلُونَ ٥
📖 Fandikana
Andininy 5
Ary mbola niteny izy ireo hoe: “Izany ka nofinofy, mety koa noforonony izany, na koa tena poeta izy! Ka aoka izy hitondra famantarana aminay toy ny nentin'ireo (iraka) teo aloha.
مَا آمَنَتْ قَبْلَهُم مِّن قَرْيَةٍ أَهْلَكْنَاهَا ۖ أَفَهُمْ يُؤْمِنُونَ ٦
📖 Fandikana
Andininy 6
Nisy tamin’ny tanàna talohan’izy ireo no tsy nino (tamin’ny fahitana ireo fahagagana) dia naringanay izy ireo ka moa ve mba nino izy ireo?
وَمَا أَرْسَلْنَا قَبْلَكَ إِلَّا رِجَالًا نُّوحِي إِلَيْهِمْ ۖ فَاسْأَلُوا أَهْلَ الذِّكْرِ إِن كُنتُمْ لَا تَعْلَمُونَ ٧
📖 Fandikana
Andininy 7
Tsy nandefa iraka talohanao Izahay (ry Mohammady) afa tsy olombelona izay nandefasanay ny fanambarana. Koa anontanio àry ireo olona lalim-pahalalana raha toa ka tsy mahafantatra ianareo.
وَمَا جَعَلْنَاهُمْ جَسَدًا لَّا يَأْكُلُونَ الطَّعَامَ وَمَا كَانُوا خَالِدِينَ ٨
📖 Fandikana
Andininy 8
Tsy nataonay vatana tsy mihinan-kanina izy ireo, ary tsy natao hiaina mandrakizay ihany koa.
ثُمَّ صَدَقْنَاهُمُ الْوَعْدَ فَأَنجَيْنَاهُمْ وَمَن نَّشَاءُ وَأَهْلَكْنَا الْمُسْرِفِينَ ٩
📖 Fandikana
Andininy 9
Avy eo dia notanterahinay tamin’izy ireo ny fampanantenana, ka navotanay izy ireo sy izay sitrakay ary naringanay ireo mpihoam-pefy.
لَقَدْ أَنزَلْنَا إِلَيْكُمْ كِتَابًا فِيهِ ذِكْرُكُمْ ۖ أَفَلَا تَعْقِلُونَ ١٠
📖 Fandikana
Andininy 10
Efa nampidininay aminareo tokoa ilay Boky mirakitra ny fampahatsiarovana, moa ve tsy mba misaina ianareo?
وَكَمْ قَصَمْنَا مِن قَرْيَةٍ كَانَتْ ظَالِمَةً وَأَنشَأْنَا بَعْدَهَا قَوْمًا آخَرِينَ ١١
📖 Fandikana
Andininy 11
Firy tamin’ny tanàna izay nanao ny tsy rariny no nopotehinay ! Ary namorona vahoaka hafa Izahay taorian’izy ireo.
فَلَمَّا أَحَسُّوا بَأْسَنَا إِذَا هُم مِّنْهَا يَرْكُضُونَ ١٢
📖 Fandikana
Andininy 12
Rehefa nahatsapa ny hamafin’ny sazinay izy ireo dia lasa nandositra haingana niala tao.
لَا تَرْكُضُوا وَارْجِعُوا إِلَىٰ مَا أُتْرِفْتُمْ فِيهِ وَمَسَاكِنِكُمْ لَعَلَّكُمْ تُسْأَلُونَ ١٣
📖 Fandikana
Andininy 13
Aza mandositra ianareo! Miverena amin’ny hatsaram-piainana izay nahafinaritra anareo ny aminy sy amin’ny toeram-ponenanareo. Angamba hanontaniana ianareo!
قَالُوا يَا وَيْلَنَا إِنَّا كُنَّا ظَالِمِينَ ١٤
📖 Fandikana
Andininy 14
Niteny izy ireo hoe: “Loza ho anay! Tena mpanao ny tsy rariny tokoa izahay”.
فَمَا زَالَت تِّلْكَ دَعْوَاهُمْ حَتَّىٰ جَعَلْنَاهُمْ حَصِيدًا خَامِدِينَ ١٥
📖 Fandikana
Andininy 15
Tsy nitsahatra mihitsy ny antso-mpitarainan’izy ireo mandra-pijijanay azy ireo tsy afa-mihetsika.
وَمَا خَلَقْنَا السَّمَاءَ وَالْأَرْضَ وَمَا بَيْنَهُمَا لَاعِبِينَ ١٦
📖 Fandikana
Andininy 16
Tsy kilalao no naharianay ny lanitra sy ny tany ary koa izay rehetra eo anelanelan’izy ireo.
لَوْ أَرَدْنَا أَن نَّتَّخِذَ لَهْوًا لَّاتَّخَذْنَاهُ مِن لَّدُنَّا إِن كُنَّا فَاعِلِينَ ١٧
📖 Fandikana
Andininy 17
Raha tianay ny hiala voly dia tena notanterahinay taty Aminay ihany izany raha toa hanao izany tokoa Izahay.
بَلْ نَقْذِفُ بِالْحَقِّ عَلَى الْبَاطِلِ فَيَدْمَغُهُ فَإِذَا هُوَ زَاهِقٌ ۚ وَلَكُمُ الْوَيْلُ مِمَّا تَصِفُونَ ١٨
📖 Fandikana
Andininy 18
Tsy izany anefa ! Atsipinay hanohitra ny hadisoana ny fahamarinana izay hitelina azy, ary indro izy fa rava. Ary ho aminareo ny loza nohon’ny zavatra izay notanisainareo (mahakasika an'I Allah).
وَلَهُ مَن فِي السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ ۚ وَمَنْ عِندَهُ لَا يَسْتَكْبِرُونَ عَنْ عِبَادَتِهِ وَلَا يَسْتَحْسِرُونَ ١٩
📖 Fandikana
Andininy 19
Ho Azy irery avokoa izay rehetra any amin’ireo lanitra sy ny tany. Ireo izay eo akaikiny (ireo Anjely) dia tsy manambony tena amin’ny fanompoana Azy, ary tsy mba sasatra izy ireo.
يُسَبِّحُونَ اللَّيْلَ وَالنَّهَارَ لَا يَفْتُرُونَ ٢٠
📖 Fandikana
Andininy 20
Midera ny voninahiny amin’ny alina sy atoandro tsy an-kijanona mihitsy izy ireo.
أَمِ اتَّخَذُوا آلِهَةً مِّنَ الْأَرْضِ هُمْ يُنشِرُونَ ٢١
📖 Fandikana
Andininy 21
Moa ve nandray zanahary hafa avy amin'ny tany afaka manangana ireo maty izy ireo ?
لَوْ كَانَ فِيهِمَا آلِهَةٌ إِلَّا اللَّهُ لَفَسَدَتَا ۚ فَسُبْحَانَ اللَّهِ رَبِّ الْعَرْشِ عَمَّا يَصِفُونَ ٢٢
📖 Fandikana
Andininy 22
Raha ohatra ka nisy zanahary hafa any amin'izy roa ireo (lanitra sy ny tany) ankoatr'I Allah, dia tena marina fa nikorontana izy roa ireo. Voninahitra anie ho an'I Allah, Tompon'ilay Seza fiandrianana ; ary Izy dia lavitra amin'izay nofaritan'izy ireo.
لَا يُسْأَلُ عَمَّا يَفْعَلُ وَهُمْ يُسْأَلُونَ ٢٣
📖 Fandikana
Andininy 23
Tsy hanontaniana amin’izay ataony Izy, nefa izy ireo no hanontaniana (amin’ny asa nataon’izy ireo).
أَمِ اتَّخَذُوا مِن دُونِهِ آلِهَةً ۖ قُلْ هَاتُوا بُرْهَانَكُمْ ۖ هَٰذَا ذِكْرُ مَن مَّعِيَ وَذِكْرُ مَن قَبْلِي ۗ بَلْ أَكْثَرُهُمْ لَا يَعْلَمُونَ الْحَقَّ ۖ فَهُم مُّعْرِضُونَ ٢٤
📖 Fandikana
Andininy 24
Moa ve nandray zanahary hafa ankoatr'Azy (Allah) izy ireo ? Teneno hoe : “Ento ny porofonareo ! Ity dia fampahatsiahivana ho an’ireo izay miaraka amiko, sy fampahatsiahivana ihany koa ho an’ireo talohako”. Nefa maro amin’izy ireo no tsy mahafantatra ny fahamarinana, ary mpanohitra izy ireo.
وَمَا أَرْسَلْنَا مِن قَبْلِكَ مِن رَّسُولٍ إِلَّا نُوحِي إِلَيْهِ أَنَّهُ لَا إِلَٰهَ إِلَّا أَنَا فَاعْبُدُونِ ٢٥
📖 Fandikana
Andininy 25
Tsy nandefa iraka Izahay na dia iray aza talohanao (ry Mohammady), ka tsy nambaranay azy hoe : “Tsy misy zanahary hafa afa-tsy Izaho ihany ; aoka hanompo Ahy irery ihany ianareo !”
وَقَالُوا اتَّخَذَ الرَّحْمَٰنُ وَلَدًا ۗ سُبْحَانَهُ ۚ بَلْ عِبَادٌ مُّكْرَمُونَ ٢٦
📖 Fandikana
Andininy 26
Ary niteny izy ireo hoe : “Ilay Be indrafo dia nandray zazalahy ho zanaka”. Voninahitra anie ho Azy ! Fa mpanompo mendri-kaja ihany izy ireo !
لَا يَسْبِقُونَهُ بِالْقَوْلِ وَهُم بِأَمْرِهِ يَعْمَلُونَ ٢٧
📖 Fandikana
Andininy 27
Tsy mialoha ny Teniny izy ireo fa manatanteraka kosa ny asa araka ny Didiny.
يَعْلَمُ مَا بَيْنَ أَيْدِيهِمْ وَمَا خَلْفَهُمْ وَلَا يَشْفَعُونَ إِلَّا لِمَنِ ارْتَضَىٰ وَهُم مِّنْ خَشْيَتِهِ مُشْفِقُونَ ٢٨
📖 Fandikana
Andininy 28
Mahafantatra izay talohan’izy ireo sy izay aorian’izy ireo Izy. Ary tsy afaka manelanelana izy ireo raha tsy amin’izay ankasitrahany, izy ireo dia tena mangovitra nohon'ny fatahorana Azy.
۞ وَمَن يَقُلْ مِنْهُمْ إِنِّي إِلَٰهٌ مِّن دُونِهِ فَذَٰلِكَ نَجْزِيهِ جَهَنَّمَ ۚ كَذَٰلِكَ نَجْزِي الظَّالِمِينَ ٢٩
📖 Fandikana
Andininy 29
Ary na iza na iza amin’izy ireo miteny hoe :“Tena marina fa izaho no zanahary ankoatr'Azy”. Koa ny valiny omenay azy dia ny afobe ary tahaka izany no hamalinay ireo mpanao ny tsy rariny.
أَوَلَمْ يَرَ الَّذِينَ كَفَرُوا أَنَّ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضَ كَانَتَا رَتْقًا فَفَتَقْنَاهُمَا ۖ وَجَعَلْنَا مِنَ الْمَاءِ كُلَّ شَيْءٍ حَيٍّ ۖ أَفَلَا يُؤْمِنُونَ ٣٠
📖 Fandikana
Andininy 30
Moa ve tsy hitan’ireo izay tsy nino fa nitambatra, hivainga iray ihany ireo lanitra sy ny tany ? Ka nosarahinay roa izany, ary nataonay ho velona avy amin’ny rano ny zava-manan’aina rehetra. Tsy mino izany va ianareo ?
وَجَعَلْنَا فِي الْأَرْضِ رَوَاسِيَ أَن تَمِيدَ بِهِمْ وَجَعَلْنَا فِيهَا فِجَاجًا سُبُلًا لَّعَلَّهُمْ يَهْتَدُونَ ٣١
📖 Fandikana
Andininy 31
Ary nasinay tendrombohitra eo amin’ny tany (ho andry) mba tsy hampihozongozona azy, ary nasinay zohin-dalana maro eo aminy (mba hampiasaina amin’ ny zotra aleha). Angamba ahazo tari-dalana izy ireo.
وَجَعَلْنَا السَّمَاءَ سَقْفًا مَّحْفُوظًا ۖ وَهُمْ عَنْ آيَاتِهَا مُعْرِضُونَ ٣٢
📖 Fandikana
Andininy 32
Ary nataonay tafo voaaro ny lanitra nefa mbola manohitra ihany izy ireo amin’izany famantarana izany.
وَهُوَ الَّذِي خَلَقَ اللَّيْلَ وَالنَّهَارَ وَالشَّمْسَ وَالْقَمَرَ ۖ كُلٌّ فِي فَلَكٍ يَسْبَحُونَ ٣٣
📖 Fandikana
Andininy 33
Ary Izy no nahary ny alina sy ny andro, ny masoandro sy ny volana, ny tsirairay dia samy misosa amin’ny sori-dalana ihodinany avy.
وَمَا جَعَلْنَا لِبَشَرٍ مِّن قَبْلِكَ الْخُلْدَ ۖ أَفَإِن مِّتَّ فَهُمُ الْخَالِدُونَ ٣٤
📖 Fandikana
Andininy 34
Ary tsy misy olombelona na dia iray aza nataonay teo alohanao (ry Mohammady) ho mandrakizay. Moa ve raha maty ianao dia ho mandrakizay ve izy ireo ?
كُلُّ نَفْسٍ ذَائِقَةُ الْمَوْتِ ۗ وَنَبْلُوكُم بِالشَّرِّ وَالْخَيْرِ فِتْنَةً ۖ وَإِلَيْنَا تُرْجَعُونَ ٣٥
📖 Fandikana
Andininy 35
Ny zava-manan'aina rehetra dia samy hanandrana fahafatesana. Hosedrainay amin’ny ratsy sy amin’ny tsara ianareo mba ho fitsapana. Ary aty Aminay no hamerenana anareo.
وَإِذَا رَآكَ الَّذِينَ كَفَرُوا إِن يَتَّخِذُونَكَ إِلَّا هُزُوًا أَهَٰذَا الَّذِي يَذْكُرُ آلِهَتَكُمْ وَهُم بِذِكْرِ الرَّحْمَٰنِ هُمْ كَافِرُونَ ٣٦
📖 Fandikana
Andininy 36
Raha mahita anao ireo izay tsy nino (ry Mohammad), dia tsy hanao afa-tsy ny fanesohesoana anao (sady hiteny) hoe : “Moa ve ity ilay maniratsira ireo zanaharinareo ?” Nefa izy ireo dia mandà ny fampahatsiahivan’Ilay Be Indrafo.
خُلِقَ الْإِنسَانُ مِنْ عَجَلٍ ۚ سَأُرِيكُمْ آيَاتِي فَلَا تَسْتَعْجِلُونِ ٣٧
📖 Fandikana
Andininy 37
Toetra voajanahary ho an’ny olombelona ny fahamaikana. Hasehoko anareo ireo famantarana avy aty Amiko, koa aza terenareo ho faingana Aho.
وَيَقُولُونَ مَتَىٰ هَٰذَا الْوَعْدُ إِن كُنتُمْ صَادِقِينَ ٣٨
📖 Fandikana
Andininy 38
Ary miteny izy ireo hoe : “Rahoviana no ho tanteraka izany fampanantenana izany, raha marina tokoa ianareo ?”
لَوْ يَعْلَمُ الَّذِينَ كَفَرُوا حِينَ لَا يَكُفُّونَ عَن وُجُوهِهِمُ النَّارَ وَلَا عَن ظُهُورِهِمْ وَلَا هُمْ يُنصَرُونَ ٣٩
📖 Fandikana
Andininy 39
Raha mba fantatr’ireo tsy mpino ny fotoana izay tsy ahafahan’izy ireo misakana ny afo tsy ho eny amin’ny tarehin’izy ireo, na amin’ny lamosin’izy ireo, ary tsy hisy hanavotra izy ireo !
بَلْ تَأْتِيهِم بَغْتَةً فَتَبْهَتُهُمْ فَلَا يَسْتَطِيعُونَ رَدَّهَا وَلَا هُمْ يُنظَرُونَ ٤٠
📖 Fandikana
Andininy 40
Tsy izany anefa ! Fa ho tonga tampoka amin’izy ireo izany, ary ho gaga izy ireo ; kanefa tsy afaka hanohana izany izy ireo ary tsy misy fe-potoana fanampiny omena azy ireo.
وَلَقَدِ اسْتُهْزِئَ بِرُسُلٍ مِّن قَبْلِكَ فَحَاقَ بِالَّذِينَ سَخِرُوا مِنْهُم مَّا كَانُوا بِهِ يَسْتَهْزِئُونَ ٤١
📖 Fandikana
Andininy 41
Ary efa nohesohesoina tokoa ireo iraka teo alohanao (ry Mohammady) fa ireo izay nanesoheso azy ireo dia niharan’ny sazy nohon’ny hesoheso izay nataony.
قُلْ مَن يَكْلَؤُكُم بِاللَّيْلِ وَالنَّهَارِ مِنَ الرَّحْمَٰنِ ۗ بَلْ هُمْ عَن ذِكْرِ رَبِّهِم مُّعْرِضُونَ ٤٢
📖 Fandikana
Andininy 42
Teneno hoe : “Iza no miaro anareo andro aman’alina amin’Ilay be Indrafo ?” Nefa izy ireo dia mandà ny fampahatsiahivana nataon’ny Tompon’izy ireo.
أَمْ لَهُمْ آلِهَةٌ تَمْنَعُهُم مِّن دُونِنَا ۚ لَا يَسْتَطِيعُونَ نَصْرَ أَنفُسِهِمْ وَلَا هُم مِّنَّا يُصْحَبُونَ ٤٣
📖 Fandikana
Andininy 43
Moa ve manana zanahary hafa ankoatra Anay afaka manakana izy ireo ? Nefa izy ireo dia tsy afaka mamonjy ny tenany no tsy afaka manontrona azy ireo eo anatrehanay.
بَلْ مَتَّعْنَا هَٰؤُلَاءِ وَآبَاءَهُمْ حَتَّىٰ طَالَ عَلَيْهِمُ الْعُمُرُ ۗ أَفَلَا يَرَوْنَ أَنَّا نَأْتِي الْأَرْضَ نَنقُصُهَا مِنْ أَطْرَافِهَا ۚ أَفَهُمُ الْغَالِبُونَ ٤٤
📖 Fandikana
Andininy 44
Tsy izany anefa fa nomenay fahafinaretana izy ireo sy ireo razambeny nandritra ny andro lava niainan’izy ireo. Moa tsy hitan’izy ireo fa ho avy eny amin’ny tany Izahay ka ho kikisanay izany avy amin’ny sisiny rehetra ! Ho mpandresy va izy ireo ?
قُلْ إِنَّمَا أُنذِرُكُم بِالْوَحْيِ ۚ وَلَا يَسْمَعُ الصُّمُّ الدُّعَاءَ إِذَا مَا يُنذَرُونَ ٤٥
📖 Fandikana
Andininy 45
Teneno hoe : “Izaho dia tsy manao afa-tsy mampitandrina anareo amin’ny alalan’ny fanambarana”; ary ny marenina dia tsy maheno ny antso rehefa ampitandremana.
وَلَئِن مَّسَّتْهُمْ نَفْحَةٌ مِّنْ عَذَابِ رَبِّكَ لَيَقُولُنَّ يَا وَيْلَنَا إِنَّا كُنَّا ظَالِمِينَ ٤٦
📖 Fandikana
Andininy 46
Raha mikasika azy ireo ny kely amin’ny famaizan’ny Tomponao, dia hiteny izy ireo hoe : “Loza ho anay ! Marina fa izahay dia mpanao ny tsy rariny tokoa”.
وَنَضَعُ الْمَوَازِينَ الْقِسْطَ لِيَوْمِ الْقِيَامَةِ فَلَا تُظْلَمُ نَفْسٌ شَيْئًا ۖ وَإِن كَانَ مِثْقَالَ حَبَّةٍ مِّنْ خَرْدَلٍ أَتَيْنَا بِهَا ۗ وَكَفَىٰ بِنَا حَاسِبِينَ ٤٧
📖 Fandikana
Andininy 47
Ary hapetrakay ho amin’ny Andro fitsanganana ireo mizàna tena marina, ka tsy hisy olona ho tratran’ny fiangarana na dia kely aza, na dia tahaka ny lanjan’ny voatsinapy aza dia ho asehonay. Ampy ho mpitsara tokoa Izahay.
وَلَقَدْ آتَيْنَا مُوسَىٰ وَهَارُونَ الْفُرْقَانَ وَضِيَاءً وَذِكْرًا لِّلْمُتَّقِينَ ٤٨
📖 Fandikana
Andininy 48
Ary efa nomenay an’i Mosesy sy Harona tokoa ny boky fanavahana (ny tsara sy ny ratsy) sy ho fahazavana ary ho fampahatsiahivana ho an’ireo izay manam-patahorana.
الَّذِينَ يَخْشَوْنَ رَبَّهُم بِالْغَيْبِ وَهُم مِّنَ السَّاعَةِ مُشْفِقُونَ ٤٩
📖 Fandikana
Andininy 49
Ary ho an’izay matahotra ny Tompon’izy ireo na dia tsy hitan'ny maso aza, sy matahotra ny Ora (Andro farany).
وَهَٰذَا ذِكْرٌ مُّبَارَكٌ أَنزَلْنَاهُ ۚ أَفَأَنتُمْ لَهُ مُنكِرُونَ ٥٠
📖 Fandikana
Andininy 50
Ary ity (koro’any) ity dia fampahatsiahivana feno fahasoavana nampidininay, ka moa ve handà izany ianareo ?
۞ وَلَقَدْ آتَيْنَا إِبْرَاهِيمَ رُشْدَهُ مِن قَبْلُ وَكُنَّا بِهِ عَالِمِينَ ٥١
📖 Fandikana
Andininy 51
Ary efa nomenay toro-lalana mahitsy i Abrahama teo aloha ary tena mahalala tsara izany Izahay.
إِذْ قَالَ لِأَبِيهِ وَقَوْمِهِ مَا هَٰذِهِ التَّمَاثِيلُ الَّتِي أَنتُمْ لَهَا عَاكِفُونَ ٥٢
📖 Fandikana
Andininy 52
Raha niteny izy tamin-drainy sy ny vahoakany hoe : “Inona ireto sary vongana izay tena ifikiranareo ireto ?”
قَالُوا وَجَدْنَا آبَاءَنَا لَهَا عَابِدِينَ ٥٣
📖 Fandikana
Andininy 53
Namaly izy ireo hoe : efa hitanay nanompo azy ireo ny razambenay.
قَالَ لَقَدْ كُنتُمْ أَنتُمْ وَآبَاؤُكُمْ فِي ضَلَالٍ مُّبِينٍ ٥٤
📖 Fandikana
Andininy 54
Niteny izy hoe : “Marina tokoa, fa ianareo sy ireo razambenareo dia efa tena ao anatin’ny fahaverezana miharihary”.
قَالُوا أَجِئْتَنَا بِالْحَقِّ أَمْ أَنتَ مِنَ اللَّاعِبِينَ ٥٥
📖 Fandikana
Andininy 55
Niteny izy ireo hoe : “Moa tonga eto aminay miaraka amin’ny fahamarinana va ianao ? Sa anisan’ ireo mpananihany ianao ?
قَالَ بَل رَّبُّكُمْ رَبُّ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ الَّذِي فَطَرَهُنَّ وَأَنَا عَلَىٰ ذَٰلِكُم مِّنَ الشَّاهِدِينَ ٥٦
📖 Fandikana
Andininy 56
Niteny izy : “tsia ! Fa ny Tomponareo, ilay tompon’ireo lanitra sy ny tany izay nahary azy ireo, ary izaho amin’izany dia anisan’ireo vavolombelona”.
وَتَاللَّهِ لَأَكِيدَنَّ أَصْنَامَكُم بَعْدَ أَن تُوَلُّوا مُدْبِرِينَ ٥٧
📖 Fandikana
Andininy 57
Mianiana amin’I Allah aho fa tsy maintsy hanaovako tetika ireo sampinareo ireo aorian’ny fotoana ivoahanareo eto.
فَجَعَلَهُمْ جُذَاذًا إِلَّا كَبِيرًا لَّهُمْ لَعَلَّهُمْ إِلَيْهِ يَرْجِعُونَ ٥٨
📖 Fandikana
Andininy 58
Ka nopotipotehiny tokoa izy ireo (ireo sary vongana) afa-tsy ilay lehibe. Angamba hiverina aminy izy ireo.
قَالُوا مَن فَعَلَ هَٰذَا بِآلِهَتِنَا إِنَّهُ لَمِنَ الظَّالِمِينَ ٥٩
📖 Fandikana
Andininy 59
Niteny izy ireo hoe : “izay no nahavita izao tamin’ireo zanaharinay dia tena anisan’ireo mpanao ny tsy rariny izy”.
قَالُوا سَمِعْنَا فَتًى يَذْكُرُهُمْ يُقَالُ لَهُ إِبْرَاهِيمُ ٦٠
📖 Fandikana
Andininy 60
Niteny izy ireo hoe : “Naheno tovolahy iray izahay antsoina hoe Abrahama manaratsy azy ireo.
قَالُوا فَأْتُوا بِهِ عَلَىٰ أَعْيُنِ النَّاسِ لَعَلَّهُمْ يَشْهَدُونَ ٦١
📖 Fandikana
Andininy 61
Niteny izy ireo hoe : “Ento mankatý” ho eo imason’ny olona rehetra izy ; angamba hijoro vavolombelona izy ireo.
قَالُوا أَأَنتَ فَعَلْتَ هَٰذَا بِآلِهَتِنَا يَا إِبْرَاهِيمُ ٦٢
📖 Fandikana
Andininy 62
Niteny taminy izy ireo hoe : “Ianao tokoa va ry Abrahama no nahavita izao tamin’ireo zanaharinay ireo ?”
قَالَ بَلْ فَعَلَهُ كَبِيرُهُمْ هَٰذَا فَاسْأَلُوهُمْ إِن كَانُوا يَنطِقُونَ ٦٣
📖 Fandikana
Andininy 63
Niteny izy hoe : “Tsia, ity lehibe indrindra amin’izy ireo ity, izy no nahavita izany koa anontanianareo àry raha afaka miteny izy ireo !”
فَرَجَعُوا إِلَىٰ أَنفُسِهِمْ فَقَالُوا إِنَّكُمْ أَنتُمُ الظَّالِمُونَ ٦٤
📖 Fandikana
Andininy 64
Ka nandinin-tena izy ireo ary niteny an’eritreritra hoe : “Ianareo no tena mpanao ny tsy rariny !”
ثُمَّ نُكِسُوا عَلَىٰ رُءُوسِهِمْ لَقَدْ عَلِمْتَ مَا هَٰؤُلَاءِ يَنطِقُونَ ٦٥
📖 Fandikana
Andininy 65
Avy eo dia niondri-doha izy ireo sy (niteny tamin’i Abrahama hoe) : “Fantatrao tsara fa izy ireo dia tsy miteny”.
قَالَ أَفَتَعْبُدُونَ مِن دُونِ اللَّهِ مَا لَا يَنفَعُكُمْ شَيْئًا وَلَا يَضُرُّكُمْ ٦٦
📖 Fandikana
Andininy 66
Niteny izy : “Manompo zavatra hafa ankoatr'I Allah va ianareo, izay tsy afaka hanao soa anareo mihitsy ary tsy afaka hanao ratsy aminareo koa izy ireo ?”
أُفٍّ لَّكُمْ وَلِمَا تَعْبُدُونَ مِن دُونِ اللَّهِ ۖ أَفَلَا تَعْقِلُونَ ٦٧
📖 Fandikana
Andininy 67
“Eisy e ! Ity ianareo sy izay tompoinareo ankoatr'I Allah ! Tsy mba mandinika va ianareo ?”
قَالُوا حَرِّقُوهُ وَانصُرُوا آلِهَتَكُمْ إِن كُنتُمْ فَاعِلِينَ ٦٨
📖 Fandikana
Andininy 68
Niteny izy ireo hoe : “Doroinareo izy ! Ary ampandresenareo ny zanaharinareo, raha tena hihetsika ianareo”.
قُلْنَا يَا نَارُ كُونِي بَرْدًا وَسَلَامًا عَلَىٰ إِبْرَاهِيمَ ٦٩
📖 Fandikana
Andininy 69
Niteny Izahay hoe : “Ry afo, Meteza ianao ho mangatsiatsiaka sy fandriampahalemana amin’i Abrahama”!
وَأَرَادُوا بِهِ كَيْدًا فَجَعَلْنَاهُمُ الْأَخْسَرِينَ ٧٠
📖 Fandikana
Andininy 70
Dia naniry ny hanao teti-dratsy taminy izy ireo, nefa izy ireo no tena nataonay maty antoka indrindra.
وَنَجَّيْنَاهُ وَلُوطًا إِلَى الْأَرْضِ الَّتِي بَارَكْنَا فِيهَا لِلْعَالَمِينَ ٧١
📖 Fandikana
Andininy 71
Ary navotanay izy, sy i Lota ihany koa, nankany amin’ny tany izay nosoavinay ao anatiny ho an’izao tontolo izao.
وَوَهَبْنَا لَهُ إِسْحَاقَ وَيَعْقُوبَ نَافِلَةً ۖ وَكُلًّا جَعَلْنَا صَالِحِينَ ٧٢
📖 Fandikana
Andininy 72
Ary nomenay azy i Isaaka, ary i Jakoba ho fanampiny, ka nataonay olona mendrika avokoa izy ireo.
وَجَعَلْنَاهُمْ أَئِمَّةً يَهْدُونَ بِأَمْرِنَا وَأَوْحَيْنَا إِلَيْهِمْ فِعْلَ الْخَيْرَاتِ وَإِقَامَ الصَّلَاةِ وَإِيتَاءَ الزَّكَاةِ ۖ وَكَانُوا لَنَا عَابِدِينَ ٧٣
📖 Fandikana
Andininy 73
Ary nataonay ho mpitondra izay hitari-dalana araka ny Didinay izy ireo. Ary nanambara tamin’izy ireo Izahay mba hanao ny tsara, sy hanatanteraka ny Soalat, hanome ny Zakat. Ary izy ireo dia mpanomponay.
وَلُوطًا آتَيْنَاهُ حُكْمًا وَعِلْمًا وَنَجَّيْنَاهُ مِنَ الْقَرْيَةِ الَّتِي كَانَت تَّعْمَلُ الْخَبَائِثَ ۗ إِنَّهُمْ كَانُوا قَوْمَ سَوْءٍ فَاسِقِينَ ٧٤
📖 Fandikana
Andininy 74
Ary i Lota ! Dia nomenay azy ny fahendrena sy ny fahalalana, ary navotanay izy tamin’ilay tanàna izay nanaovana ny asa maloto. Tena marina fa izy ireo dia vahoaka ratsy sy maloto fitondran-tena.
وَأَدْخَلْنَاهُ فِي رَحْمَتِنَا ۖ إِنَّهُ مِنَ الصَّالِحِينَ ٧٥
📖 Fandikana
Andininy 75
Ary nampidininay ao anatin’ny famindram-ponay izy satria tena anisan’ireo olo-mendrika tokoa.
وَنُوحًا إِذْ نَادَىٰ مِن قَبْلُ فَاسْتَجَبْنَا لَهُ فَنَجَّيْنَاهُ وَأَهْلَهُ مِنَ الْكَرْبِ الْعَظِيمِ ٧٦
📖 Fandikana
Andininy 76
Ary i Noa, raha nitalaho izy teo aloha dia novalianay sy novonjenay izy sy ny fianakaviany tamin’ilay tebiteby lehibe.
وَنَصَرْنَاهُ مِنَ الْقَوْمِ الَّذِينَ كَذَّبُوا بِآيَاتِنَا ۚ إِنَّهُمْ كَانُوا قَوْمَ سَوْءٍ فَأَغْرَقْنَاهُمْ أَجْمَعِينَ ٧٧
📖 Fandikana
Andininy 77
Ary navotanay izy tamin’ny vahoaka izay nilaza fa lainga ireo famantarana avy aty Aminay.Tena marina fa vahoaka ratsy izy ireo, ka narendrikay avokoa izy rehetra.
وَدَاوُودَ وَسُلَيْمَانَ إِذْ يَحْكُمَانِ فِي الْحَرْثِ إِذْ نَفَشَتْ فِيهِ غَنَمُ الْقَوْمِ وَكُنَّا لِحُكْمِهِمْ شَاهِدِينَ ٧٨
📖 Fandikana
Andininy 78
Ary i Davida sy i Salomona, raha izy roa ireo nitsara mahakasika ny tany voavoly izay nandehanan’ny ondrin’ny vahoaka, niraoka voly tao amin’izany (tamin’ny alina). Ary vavolombelona tamin’ny fitsaran’izy ireo Izahay.
فَفَهَّمْنَاهَا سُلَيْمَانَ ۚ وَكُلًّا آتَيْنَا حُكْمًا وَعِلْمًا ۚ وَسَخَّرْنَا مَعَ دَاوُودَ الْجِبَالَ يُسَبِّحْنَ وَالطَّيْرَ ۚ وَكُنَّا فَاعِلِينَ ٧٩
📖 Fandikana
Andininy 79
Nampahafantarinay an’i Salomona izany. Ary samy nomenay fahendrena hitsara sy fahalalana avokoa izy roa. Ary nataonay hiaraka hidera (ny Voninahitray) amin’i Davida ireo tendrombohitra sy ny voro-manidina. Ary Izahay tokoa no nanao izany.
وَعَلَّمْنَاهُ صَنْعَةَ لَبُوسٍ لَّكُمْ لِتُحْصِنَكُم مِّن بَأْسِكُمْ ۖ فَهَلْ أَنتُمْ شَاكِرُونَ ٨٠
📖 Fandikana
Andininy 80
Ary nampianarinay azy ny fanamboarana akanjo vy ho anareo mba hahafahanareo miaro tena amin’ny ady ataonareo. Moa ve ho mpankasitraka ianareo ?
وَلِسُلَيْمَانَ الرِّيحَ عَاصِفَةً تَجْرِي بِأَمْرِهِ إِلَى الْأَرْضِ الَّتِي بَارَكْنَا فِيهَا ۚ وَكُنَّا بِكُلِّ شَيْءٍ عَالِمِينَ ٨١
📖 Fandikana
Andininy 81
(Ary nataonay) teo ambany fifehezan’i Salomona ny rivo-mahery izay mitsoka araka ny baikony mankany amin’ny tany izay misy fahasoavana avy Aminay. Izahay no mpahalala ny zava-drehetra.
وَمِنَ الشَّيَاطِينِ مَن يَغُوصُونَ لَهُ وَيَعْمَلُونَ عَمَلًا دُونَ ذَٰلِكَ ۖ وَكُنَّا لَهُمْ حَافِظِينَ ٨٢
📖 Fandikana
Andininy 82
Ary misy amin’ireo Satana no misitrika (any an-dranomasina) miasa ho azy, ary manao asa hafa ankoatr'izany, Ary marina fa Izahay ihany no mpiaro azy ireny.
۞ وَأَيُّوبَ إِذْ نَادَىٰ رَبَّهُ أَنِّي مَسَّنِيَ الضُّرُّ وَأَنتَ أَرْحَمُ الرَّاحِمِينَ ٨٣
📖 Fandikana
Andininy 83
Ary i Joba, raha nitalaho tamin’ny Tompony izy nanao hoe : “Efa nianjady tamiko avokoa ny ratsy, nefa Ianao Ilay be Indrafo indrindra amin’ireo Mpamindra-fo !”
فَاسْتَجَبْنَا لَهُ فَكَشَفْنَا مَا بِهِ مِن ضُرٍّ ۖ وَآتَيْنَاهُ أَهْلَهُ وَمِثْلَهُم مَّعَهُمْ رَحْمَةً مِّنْ عِندِنَا وَذِكْرَىٰ لِلْعَابِدِينَ ٨٤
📖 Fandikana
Andininy 84
Dia nekenay ny fangatahany, ka noesorinay ny ratsy nihatra taminy ary naverinay taminy indray ny fianakaviany ary mbola nampinay mitovy amin’izany nohon'ny famindram-po avy aty Aminay ary ho fampahatsiahivana ho an’ireo mpanompo.
وَإِسْمَاعِيلَ وَإِدْرِيسَ وَذَا الْكِفْلِ ۖ كُلٌّ مِّنَ الصَّابِرِينَ ٨٥
📖 Fandikana
Andininy 85
Ary i Ismael sy Idris ary Zolkifl, samy anisan’ireo manam-paharetana avokoa.
وَأَدْخَلْنَاهُمْ فِي رَحْمَتِنَا ۖ إِنَّهُم مِّنَ الصَّالِحِينَ ٨٦
📖 Fandikana
Andininy 86
Ary nampidirinay ao anatin’ny famindram-ponay izy ireo satria tena marina fa anisan’ireo olo-mendrika.
وَذَا النُّونِ إِذ ذَّهَبَ مُغَاضِبًا فَظَنَّ أَن لَّن نَّقْدِرَ عَلَيْهِ فَنَادَىٰ فِي الظُّلُمَاتِ أَن لَّا إِلَٰهَ إِلَّا أَنتَ سُبْحَانَكَ إِنِّي كُنتُ مِنَ الظَّالِمِينَ ٨٧
📖 Fandikana
Andininy 87
Ary i Jonasy raha nandeha an-katezerana izy ; noheveriny fa tsy afaka hanao na inona na inona aminy Izahay. Ka nitalaho tao anatin’ny haizim-pito izy hoe :“Tsy misy zanahary hafa afa-tsy Ianao. Voninahitra anie ho Anao ! Tena marina fa isan’ireo nanao ny tsy rariny tokoa aho”.
فَاسْتَجَبْنَا لَهُ وَنَجَّيْنَاهُ مِنَ الْغَمِّ ۚ وَكَذَٰلِكَ نُنجِي الْمُؤْمِنِينَ ٨٨
📖 Fandikana
Andininy 88
Novalianay ny fangatahany, ary navotanay izy tamin'ny fahoriana izay nianjady taminy. Ary toy izany no hanavotanay ireo mpino.
وَزَكَرِيَّا إِذْ نَادَىٰ رَبَّهُ رَبِّ لَا تَذَرْنِي فَرْدًا وَأَنتَ خَيْرُ الْوَارِثِينَ ٨٩
📖 Fandikana
Andininy 89
Ary i Zakaria, raha nitalaho tamin’ny Tompony izy hoe : “Tompo o ! Aza avelanao ho irery aho, fa Ianao no mendrika indrindra amin’ireo mpandova !”
فَاسْتَجَبْنَا لَهُ وَوَهَبْنَا لَهُ يَحْيَىٰ وَأَصْلَحْنَا لَهُ زَوْجَهُ ۚ إِنَّهُمْ كَانُوا يُسَارِعُونَ فِي الْخَيْرَاتِ وَيَدْعُونَنَا رَغَبًا وَرَهَبًا ۖ وَكَانُوا لَنَا خَاشِعِينَ ٩٠
📖 Fandikana
Andininy 90
Novalianay ny fangatahany ka nomenay an'i Jaona izy ary nataony hifanambina aminy ny vadiny (nomenay zanaka). Marina fa nihazakazaka tamin'ny fanaovana ny tsara izy ireo, ary nitalaho taminay amim-pitiavana sy amim-patahorana. Ary nanetri-tena teo anatrehanay izy ireo.
وَالَّتِي أَحْصَنَتْ فَرْجَهَا فَنَفَخْنَا فِيهَا مِن رُّوحِنَا وَجَعَلْنَاهَا وَابْنَهَا آيَةً لِّلْعَالَمِينَ ٩١
📖 Fandikana
Andininy 91
Ary ilay vehivavy nanaja ny maha virijiny azy (Maria) ka notsofinay tao aminy ny fanahy avy tminay. Ary nataonay ho famantarana (fahagagana) ho an’izao tontolo izao izy sy ny zanany.
إِنَّ هَٰذِهِ أُمَّتُكُمْ أُمَّةً وَاحِدَةً وَأَنَا رَبُّكُمْ فَاعْبُدُونِ ٩٢
📖 Fandikana
Andininy 92
Tena marina, fa ity vahoakanareo ity dia vahoaka iray ihany, ka Izaho no Tomponareo, koa Tompoinareo Aho.
وَتَقَطَّعُوا أَمْرَهُم بَيْنَهُمْ ۖ كُلٌّ إِلَيْنَا رَاجِعُونَ ٩٣
📖 Fandikana
Andininy 93
Nisaratsaraka samy manana ny heviny avy izy ireo. Tsy maintsy hiverina aty Aminay izy rehetra ireo.
فَمَن يَعْمَلْ مِنَ الصَّالِحَاتِ وَهُوَ مُؤْمِنٌ فَلَا كُفْرَانَ لِسَعْيِهِ وَإِنَّا لَهُ كَاتِبُونَ ٩٤
📖 Fandikana
Andininy 94
N'iza n'iza manao ampahany amin’ny asa soa ka mpino izy dia tsy atao tsinontsinona mihitsy ny ezaka vitany ary Izahay mihitsy no mpanoratra izany ho azy.
وَحَرَامٌ عَلَىٰ قَرْيَةٍ أَهْلَكْنَاهَا أَنَّهُمْ لَا يَرْجِعُونَ ٩٥
📖 Fandikana
Andininy 95
Ary voarara ho an’ny (mponina) tanàna iray izay naringanay, tena marina fa tsy hiverina izy ireo.
حَتَّىٰ إِذَا فُتِحَتْ يَأْجُوجُ وَمَأْجُوجُ وَهُم مِّن كُلِّ حَدَبٍ يَنسِلُونَ ٩٦
📖 Fandikana
Andininy 96
Mandra-pamotsorana an’i Goga sy Magoga,ary izy ireo dia manao rodobe mihazakazaka isaky ny havoana.
وَاقْتَرَبَ الْوَعْدُ الْحَقُّ فَإِذَا هِيَ شَاخِصَةٌ أَبْصَارُ الَّذِينَ كَفَرُوا يَا وَيْلَنَا قَدْ كُنَّا فِي غَفْلَةٍ مِّنْ هَٰذَا بَلْ كُنَّا ظَالِمِينَ ٩٧
📖 Fandikana
Andininy 97
Ary efa akaiky dia akaiky ny (fotoana) fampanantenana marina, ary indro fa mivandravandra ny fijerin’ireo izay tsy nino (sady miteny izy ireo hoe) : Loza ho anay ! Tena variana izahay tamin’ity zavatra ity .Eny, tena mpanao ny tsy rariny tokoa izahay.
إِنَّكُمْ وَمَا تَعْبُدُونَ مِن دُونِ اللَّهِ حَصَبُ جَهَنَّمَ أَنتُمْ لَهَا وَارِدُونَ ٩٨
📖 Fandikana
Andininy 98
Tena marina fa ianareo sy izay rehetra tompoinareo ankoatr’I Allah no kitay fandrehitry ny Afobe. Ary hiroboka ao daholo ianareo.
لَوْ كَانَ هَٰؤُلَاءِ آلِهَةً مَّا وَرَدُوهَا ۖ وَكُلٌّ فِيهَا خَالِدُونَ ٩٩
📖 Fandikana
Andininy 99
Raha tena zanahary tokoa izy ireny (sampy) dia tsy niroboka tao (amin’ny Afobe) izy ireo ; nefa hitoetra ao mandrakizay izy rehetra.
لَهُمْ فِيهَا زَفِيرٌ وَهُمْ فِيهَا لَا يَسْمَعُونَ ١٠٠
📖 Fandikana
Andininy 100
Hitrona mafy izy ireo ao anatin’izany, nefa dia tsy aheno na inona na inona amin’izany.
إِنَّ الَّذِينَ سَبَقَتْ لَهُم مِّنَّا الْحُسْنَىٰ أُولَٰئِكَ عَنْهَا مُبْعَدُونَ ١٠١
📖 Fandikana
Andininy 101
Fa ireo izay efa nahazo fahasoavana mialoha avy aty Aminay kosa dia ho lavitra izany (ny Afobe) izy ireo.
لَا يَسْمَعُونَ حَسِيسَهَا ۖ وَهُمْ فِي مَا اشْتَهَتْ أَنفُسُهُمْ خَالِدُونَ ١٠٢
📖 Fandikana
Andininy 102
Tsy aheno ny feony izy ireo ary hifaly mandrakizay amin’izay irin’ny tenan'izy ireo.
لَا يَحْزُنُهُمُ الْفَزَعُ الْأَكْبَرُ وَتَتَلَقَّاهُمُ الْمَلَائِكَةُ هَٰذَا يَوْمُكُمُ الَّذِي كُنتُمْ تُوعَدُونَ ١٠٣
📖 Fandikana
Andininy 103
Tsy hampalahelo azy ireo ny tahotra lehibe, satria hotsenan’ireo Anjely izy ireo (ary ilazany vaovao mahafaly hoe) :” ity ilay Andronareo izay nampanantenaina anareo”.
يَوْمَ نَطْوِي السَّمَاءَ كَطَيِّ السِّجِلِّ لِلْكُتُبِ ۚ كَمَا بَدَأْنَا أَوَّلَ خَلْقٍ نُّعِيدُهُ ۚ وَعْدًا عَلَيْنَا ۚ إِنَّا كُنَّا فَاعِلِينَ ١٠٤
📖 Fandikana
Andininy 104
Amin’ny andro izay hamoretanay ny lanitra tahaka ny hamoretana ny taratasin’ny boky, toy ny nanaovanay ny famoronana voalohany no hamerenanay azy indray. Fampanantenana efa nataonay izany, tsy maintsy ho tanterahanay tokoa !
وَلَقَدْ كَتَبْنَا فِي الزَّبُورِ مِن بَعْدِ الذِّكْرِ أَنَّ الْأَرْضَ يَرِثُهَا عِبَادِيَ الصَّالِحُونَ ١٠٥
📖 Fandikana
Andininy 105
Efa nosoratanay tao amin’ny boky Zabora (Salamo) taorian’ny fampahatsiahivana fa handova ny tany ireo mpanompoko mendrika.
إِنَّ فِي هَٰذَا لَبَلَاغًا لِّقَوْمٍ عَابِدِينَ ١٠٦
📖 Fandikana
Andininy 106
Ao anatin’izany dia misy fampahatsiahivana ho an’ny vahoaka mpanompo.
وَمَا أَرْسَلْنَاكَ إِلَّا رَحْمَةً لِّلْعَالَمِينَ ١٠٧
📖 Fandikana
Andininy 107
Ary tsy nandefa anao Izahay raha tsy ho famindram-po ho an’izao tontolo izao.
قُلْ إِنَّمَا يُوحَىٰ إِلَيَّ أَنَّمَا إِلَٰهُكُمْ إِلَٰهٌ وَاحِدٌ ۖ فَهَلْ أَنتُم مُّسْلِمُونَ ١٠٨
📖 Fandikana
Andininy 108
Teneno hoe : “Tena marina fa ny nambara tamiko dia ny hoe : ny zanaharinareo dia Zanahary Tokana ihany, ka moa ve mpanetri-tena tokoa ianareo ?”
فَإِن تَوَلَّوْا فَقُلْ آذَنتُكُمْ عَلَىٰ سَوَاءٍ ۖ وَإِنْ أَدْرِي أَقَرِيبٌ أَم بَعِيدٌ مَّا تُوعَدُونَ ١٠٩
📖 Fandikana
Andininy 109
Fa raha mitodi-damosina kosa izy ireo, dia teneno hoe :”Efa nolazaiko ianareo rehetra, ary (tsy fantatro) na efa akaiky na mbola lavitra izay nampanantenaina anareo.
إِنَّهُ يَعْلَمُ الْجَهْرَ مِنَ الْقَوْلِ وَيَعْلَمُ مَا تَكْتُمُونَ ١١٠
📖 Fandikana
Andininy 110
Izy (Allah) dia tena mahalala tokoa izay avoakanareo amin’ny teny sy mahalala koa izay afeninareo.
وَإِنْ أَدْرِي لَعَلَّهُ فِتْنَةٌ لَّكُمْ وَمَتَاعٌ إِلَىٰ حِينٍ ١١١
📖 Fandikana
Andininy 111
Ary tsy fantatro, izany angamba no mety ho fitsapana ho anareo sy ho fahafinaretana miserana.
قَالَ رَبِّ احْكُم بِالْحَقِّ ۗ وَرَبُّنَا الرَّحْمَٰنُ الْمُسْتَعَانُ عَلَىٰ مَا تَصِفُونَ ١١٢
📖 Fandikana
Andininy 112
Niteny izy hoe : “Tompoko o ! Tsarao araka ny fahamarinana, ary ny Tomponay Ilay be Indrafo no Fitarainana amin’ny famaritana tsy marina izay lazainareo”.
Vakio Surah Al-Anbiya Malagasy – Fandikana, Fanononana ary Feo
Koraña Masina
Tuesday, August 18, 2026
Don't forget us in your sincere prayers

