Al-Anbiya · 46/112
Fandikana Fanononana — Al-Anbiya
وَلَئِن مَّسَّتْهُمْ نَفْحَةٌ مِّنْ عَذَابِ رَبِّكَ لَيَقُولُنَّ يَا وَيْلَنَا إِنَّا كُنَّا ظَالِمِينَ ۝٤٦
Wa la`im massat hum nafhatum min `azaabi Rabbika la yaqoolunna yaawailanaaa innnaa kunnaa zaalimeen
📖 Dikany Malagasy
Raha mikasika azy ireo ny kely amin’ny famaizan’ny Tomponao, dia hiteny izy ireo hoe : “Loza ho anay ! Marina fa izahay dia mpanao ny tsy rariny tokoa”.

🎧 Henoy


📜 Andininy 44-48 — Al-Anbiya

44بَلْ مَتَّعْنَا هَٰؤُلَاءِ وَآبَاءَهُمْ حَتَّىٰ طَالَ عَلَيْهِمُ الْعُمُرُ ۗ أَفَلَا يَرَوْنَ أَنَّا نَأْتِي الْأَرْضَ نَنقُصُهَا مِنْ أَطْرَافِهَا ۚ أَفَهُمُ الْغَالِبُونَ
Tsy izany anefa fa nomenay fahafinaretana izy ireo sy ireo razambeny nandritra ny andro lava niainan’izy ireo. Moa tsy hitan’izy ireo fa ho avy eny amin’ny tany Izahay ka ho kikisanay izany avy amin’ny sisiny rehetra ! Ho mpandresy va izy ireo ?
45قُلْ إِنَّمَا أُنذِرُكُم بِالْوَحْيِ ۚ وَلَا يَسْمَعُ الصُّمُّ الدُّعَاءَ إِذَا مَا يُنذَرُونَ
Teneno hoe : “Izaho dia tsy manao afa-tsy mampitandrina anareo amin’ny alalan’ny fanambarana”; ary ny marenina dia tsy maheno ny antso rehefa ampitandremana.
46وَلَئِن مَّسَّتْهُمْ نَفْحَةٌ مِّنْ عَذَابِ رَبِّكَ لَيَقُولُنَّ يَا وَيْلَنَا إِنَّا كُنَّا ظَالِمِينَ
Raha mikasika azy ireo ny kely amin’ny famaizan’ny Tomponao, dia hiteny izy ireo hoe : “Loza ho anay ! Marina fa izahay dia mpanao ny tsy rariny tokoa”.
47وَنَضَعُ الْمَوَازِينَ الْقِسْطَ لِيَوْمِ الْقِيَامَةِ فَلَا تُظْلَمُ نَفْسٌ شَيْئًا ۖ وَإِن كَانَ مِثْقَالَ حَبَّةٍ مِّنْ خَرْدَلٍ أَتَيْنَا بِهَا ۗ وَكَفَىٰ بِنَا حَاسِبِينَ
Ary hapetrakay ho amin’ny Andro fitsanganana ireo mizàna tena marina, ka tsy hisy olona ho tratran’ny fiangarana na dia kely aza, na dia tahaka ny lanjan’ny voatsinapy aza dia ho asehonay. Ampy ho mpitsara tokoa Izahay.
48وَلَقَدْ آتَيْنَا مُوسَىٰ وَهَارُونَ الْفُرْقَانَ وَضِيَاءً وَذِكْرًا لِّلْمُتَّقِينَ
Ary efa nomenay an’i Mosesy sy Harona tokoa ny boky fanavahana (ny tsara sy ny ratsy) sy ho fahazavana ary ho fampahatsiahivana ho an’ireo izay manam-patahorana.
Al-AnbiyaFizahan-takila Koraña
112Andininy
MeccanRevelation
46Andininy

Fandikana — Al-Anbiya 46

Surah Al-Anbiya Andininy 46 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Raha mikasika azy ireo ny kely amin’ny famaizan’ny Tomponao, dia…

Surah Andininy 46/112 — Al-Anbiya الأنبياء (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Anbiya Henoy, Al-Anbiya Fandikana, Al-Anbiya mp3, Al-Anbiya pdf. Andininy 44–48. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers