Al-Anbiya · 37/112
Fandikana Fanononana — Surah Al-Anbiya
خُلِقَ الْإِنسَانُ مِنْ عَجَلٍ ۚ سَأُرِيكُمْ آيَاتِي فَلَا تَسْتَعْجِلُونِ ۝٣٧
Khuliqal insaanu min `ajal; sa ureekum Aayaatee falaa tasta`jiloon
📖 Dikany Malagasy
Toetra voajanahary ho an’ny olombelona ny fahamaikana. Hasehoko anareo ireo famantarana avy aty Amiko, koa aza terenareo ho faingana Aho.

🎧 Henoy


📜 Andininy 35-39 — Surah Al-Anbiya

35كُلُّ نَفْسٍ ذَائِقَةُ الْمَوْتِ ۗ وَنَبْلُوكُم بِالشَّرِّ وَالْخَيْرِ فِتْنَةً ۖ وَإِلَيْنَا تُرْجَعُونَ
Ny zava-manan'aina rehetra dia samy hanandrana fahafatesana. Hosedrainay amin’ny ratsy sy amin’ny tsara ianareo mba ho fitsapana. Ary aty Aminay no hamerenana anareo.
36وَإِذَا رَآكَ الَّذِينَ كَفَرُوا إِن يَتَّخِذُونَكَ إِلَّا هُزُوًا أَهَٰذَا الَّذِي يَذْكُرُ آلِهَتَكُمْ وَهُم بِذِكْرِ الرَّحْمَٰنِ هُمْ كَافِرُونَ
Raha mahita anao ireo izay tsy nino (ry Mohammad), dia tsy hanao afa-tsy ny fanesohesoana anao (sady hiteny) hoe : “Moa ve ity ilay maniratsira ireo zanaharinareo ?” Nefa izy ireo dia mandà ny fampahatsiahivan’Ilay Be Indrafo.
37خُلِقَ الْإِنسَانُ مِنْ عَجَلٍ ۚ سَأُرِيكُمْ آيَاتِي فَلَا تَسْتَعْجِلُونِ
Toetra voajanahary ho an’ny olombelona ny fahamaikana. Hasehoko anareo ireo famantarana avy aty Amiko, koa aza terenareo ho faingana Aho.
38وَيَقُولُونَ مَتَىٰ هَٰذَا الْوَعْدُ إِن كُنتُمْ صَادِقِينَ
Ary miteny izy ireo hoe : “Rahoviana no ho tanteraka izany fampanantenana izany, raha marina tokoa ianareo ?”
39لَوْ يَعْلَمُ الَّذِينَ كَفَرُوا حِينَ لَا يَكُفُّونَ عَن وُجُوهِهِمُ النَّارَ وَلَا عَن ظُهُورِهِمْ وَلَا هُمْ يُنصَرُونَ
Raha mba fantatr’ireo tsy mpino ny fotoana izay tsy ahafahan’izy ireo misakana ny afo tsy ho eny amin’ny tarehin’izy ireo, na amin’ny lamosin’izy ireo, ary tsy hisy hanavotra izy ireo !
Al-AnbiyaFizahan-takila Koraña
112Andininy
MeccanRevelation
37Andininy

Fandikana — Al-Anbiya 37

Surah Al-Anbiya Andininy 37 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Toetra voajanahary ho an’ny olombelona ny fahamaikana. Hasehoko anareo ireo…

Surah Andininy 37/112 — Surah Al-Anbiya الأنبياء (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Surah Al-Anbiya Henoy, Surah Al-Anbiya Fandikana, Surah Al-Anbiya mp3, Surah Al-Anbiya pdf. Andininy 35–39. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Monday, September 7, 2026

Don't forget us in your sincere prayers