Al-Anbiya · 23/112
Fandikana Fanononana — Al-Anbiya
لَا يُسْأَلُ عَمَّا يَفْعَلُ وَهُمْ يُسْأَلُونَ ۝٢٣
Laa yus`alu `ammaa yaf`alu wa hum yus`aloon
📖 Dikany Malagasy
Tsy hanontaniana amin’izay ataony Izy, nefa izy ireo no hanontaniana (amin’ny asa nataon’izy ireo).

🎧 Henoy


📜 Andininy 21-25 — Al-Anbiya

21أَمِ اتَّخَذُوا آلِهَةً مِّنَ الْأَرْضِ هُمْ يُنشِرُونَ
Moa ve nandray zanahary hafa avy amin'ny tany afaka manangana ireo maty izy ireo ?
22لَوْ كَانَ فِيهِمَا آلِهَةٌ إِلَّا اللَّهُ لَفَسَدَتَا ۚ فَسُبْحَانَ اللَّهِ رَبِّ الْعَرْشِ عَمَّا يَصِفُونَ
Raha ohatra ka nisy zanahary hafa any amin'izy roa ireo (lanitra sy ny tany) ankoatr'I Allah, dia tena marina fa nikorontana izy roa ireo. Voninahitra anie ho an'I Allah, Tompon'ilay Seza fiandrianana ; ary Izy dia lavitra amin'izay nofaritan'izy ireo.
23لَا يُسْأَلُ عَمَّا يَفْعَلُ وَهُمْ يُسْأَلُونَ
Tsy hanontaniana amin’izay ataony Izy, nefa izy ireo no hanontaniana (amin’ny asa nataon’izy ireo).
24أَمِ اتَّخَذُوا مِن دُونِهِ آلِهَةً ۖ قُلْ هَاتُوا بُرْهَانَكُمْ ۖ هَٰذَا ذِكْرُ مَن مَّعِيَ وَذِكْرُ مَن قَبْلِي ۗ بَلْ أَكْثَرُهُمْ لَا يَعْلَمُونَ الْحَقَّ ۖ فَهُم مُّعْرِضُونَ
Moa ve nandray zanahary hafa ankoatr'Azy (Allah) izy ireo ? Teneno hoe : “Ento ny porofonareo ! Ity dia fampahatsiahivana ho an’ireo izay miaraka amiko, sy fampahatsiahivana ihany koa ho an’ireo talohako”. Nefa maro amin’izy ireo no tsy mahafantatra ny fahamarinana, ary mpanohitra izy ireo.
25وَمَا أَرْسَلْنَا مِن قَبْلِكَ مِن رَّسُولٍ إِلَّا نُوحِي إِلَيْهِ أَنَّهُ لَا إِلَٰهَ إِلَّا أَنَا فَاعْبُدُونِ
Tsy nandefa iraka Izahay na dia iray aza talohanao (ry Mohammady), ka tsy nambaranay azy hoe : “Tsy misy zanahary hafa afa-tsy Izaho ihany ; aoka hanompo Ahy irery ihany ianareo !”
Al-AnbiyaFizahan-takila Koraña
112Andininy
MeccanRevelation
23Andininy

Fandikana — Al-Anbiya 23

Surah Al-Anbiya Andininy 23 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Tsy hanontaniana amin’izay ataony Izy, nefa izy ireo no hanontaniana…

Surah Andininy 23/112 — Al-Anbiya الأنبياء (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Anbiya Henoy, Al-Anbiya Fandikana, Al-Anbiya mp3, Al-Anbiya pdf. Andininy 21–25. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers