Al-Isra · 17/111
Fandikana Fanononana — Surah Al-Isra
وَكَمْ أَهْلَكْنَا مِنَ الْقُرُونِ مِن بَعْدِ نُوحٍ ۗ وَكَفَىٰ بِرَبِّكَ بِذُنُوبِ عِبَادِهِ خَبِيرًا بَصِيرًا ۝١٧
Wa kam ahlaknaa minal qurooni mim ba`di Nooh; wa kafaa bi Rabbika bizunoobi `ibaadihee Khabeeram Baseeraa
📖 Dikany Malagasy
Ary firifiry moa ireo taranaka izay naringanay taorian’i Noe ! Ary ampy amin’ny fahafantarana sy fahitana ny fahotan’ny mpanompony ny Tomponao.

🎧 Henoy


📜 Andininy 15-19 — Surah Al-Isra

15مَّنِ اهْتَدَىٰ فَإِنَّمَا يَهْتَدِي لِنَفْسِهِ ۖ وَمَن ضَلَّ فَإِنَّمَا يَضِلُّ عَلَيْهَا ۚ وَلَا تَزِرُ وَازِرَةٌ وِزْرَ أُخْرَىٰ ۗ وَمَا كُنَّا مُعَذِّبِينَ حَتَّىٰ نَبْعَثَ رَسُولًا
Na iza na iza nizotra tamin’ny lala-mahitsy, dia nanitsy ny tenany ihany. Ary na iza na iza nizotra tamin’ny lalan’ny fahaverezana, dia namery ny tenany ihany. Ary tsy hisy hitondra ny enta-mavesatry ny hafa. Ary Izahay dia tsy manasazy mihitsy (ny vahoaka iray) raha tsy efa nandefasanay Iraka teo aminy.
16وَإِذَا أَرَدْنَا أَن نُّهْلِكَ قَرْيَةً أَمَرْنَا مُتْرَفِيهَا فَفَسَقُوا فِيهَا فَحَقَّ عَلَيْهَا الْقَوْلُ فَدَمَّرْنَاهَا تَدْمِيرًا
Ary raha mitady handringana tanàna iray Izahay, dia omenay baiko ireo olona manan-karena ao aminy (mba hanaraka ny didinay), nefa dia mirona amin’ny tsy fanarahan-dalàna izy ireo. Noho izany dia tanteraka amin’izy ireo ny teny (famaizana), ka noravanay tanteraka izy (ilay tanàna).
17وَكَمْ أَهْلَكْنَا مِنَ الْقُرُونِ مِن بَعْدِ نُوحٍ ۗ وَكَفَىٰ بِرَبِّكَ بِذُنُوبِ عِبَادِهِ خَبِيرًا بَصِيرًا
Ary firifiry moa ireo taranaka izay naringanay taorian’i Noe ! Ary ampy amin’ny fahafantarana sy fahitana ny fahotan’ny mpanompony ny Tomponao.
18مَّن كَانَ يُرِيدُ الْعَاجِلَةَ عَجَّلْنَا لَهُ فِيهَا مَا نَشَاءُ لِمَن نُّرِيدُ ثُمَّ جَعَلْنَا لَهُ جَهَنَّمَ يَصْلَاهَا مَذْمُومًا مَّدْحُورًا
N'iza n'iza maniry ny haingana (ny fiainany eto an-tany), dia hafainganinay ho azy izay sitrakay amin’izay tianay. Avy eo dia hataonay ho azy ny afobe, ka hiditra ao izy, voaheso sy voatositosika.
19وَمَنْ أَرَادَ الْآخِرَةَ وَسَعَىٰ لَهَا سَعْيَهَا وَهُوَ مُؤْمِنٌ فَأُولَٰئِكَ كَانَ سَعْيُهُم مَّشْكُورًا
Ary n'iza n'iza maniry ny any ankoatra sy miezaka mankany amin’izany no sady mpino,ny ezak’izy ireny dia hankasitrahana.
Al-IsraFizahan-takila Koraña
111Andininy
MeccanRevelation
17Andininy

Fandikana — Al-Isra 17

Surah Al-Isra Andininy 17 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary firifiry moa ireo taranaka izay naringanay taorian’i Noe !…

Surah Andininy 17/111 — Surah Al-Isra الإسراء (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Surah Al-Isra Henoy, Surah Al-Isra Fandikana, Surah Al-Isra mp3, Surah Al-Isra pdf. Andininy 15–19. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, September 8, 2026

Don't forget us in your sincere prayers