Al-Baqarah · 183/286
Fandikana Fanononana — Al-Baqarah
يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا كُتِبَ عَلَيْكُمُ الصِّيَامُ كَمَا كُتِبَ عَلَى الَّذِينَ مِن قَبْلِكُمْ لَعَلَّكُمْ تَتَّقُونَ ۝١٨٣
Yaa ayyuhal lazeena aamanoo kutiba `alaikumus Siyaamu kamaa kutiba `alal lazeena min qablikum la`allakum tattaqoon
📖 Dikany Malagasy
O ! Ianareo izay nino, voadidy ho anareo ny fifehezana toy ny nandidiana ireo izay talohanareo, angamba hanam-pahatahorana ianareo.
🎧 Henoy

📜 Andininy 181-185 — Al-Baqarah

181فَمَن بَدَّلَهُ بَعْدَمَا سَمِعَهُ فَإِنَّمَا إِثْمُهُ عَلَى الَّذِينَ يُبَدِّلُونَهُ ۚ إِنَّ اللَّهَ سَمِيعٌ عَلِيمٌ
Fa izay mamadika izany aorian’ny nandrenesany azy, dia tsy ho an’iza ny fahotana aterak’izany, raha tsy ho an’izay namadika azy. Eny! Allaha no Mandre sy Mahalala ny zavatra rehetra.
182فَمَنْ خَافَ مِن مُّوصٍ جَنَفًا أَوْ إِثْمًا فَأَصْلَحَ بَيْنَهُمْ فَلَا إِثْمَ عَلَيْهِ ۚ إِنَّ اللَّهَ غَفُورٌ رَّحِيمٌ
Ka izay matahotra fiangarana na fahotana avy amin’ny mpanao ny didim-pananana ka nitsangana nandamina ny disadisa teo anivon’izy ireo, dia tsy misy fahotana ny aminy.tena marina fa Allah dia mpamela heloka sy be fiantrana.
183يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا كُتِبَ عَلَيْكُمُ الصِّيَامُ كَمَا كُتِبَ عَلَى الَّذِينَ مِن قَبْلِكُمْ لَعَلَّكُمْ تَتَّقُونَ
O ! Ianareo izay nino, voadidy ho anareo ny fifehezana toy ny nandidiana ireo izay talohanareo, angamba hanam-pahatahorana ianareo.
184أَيَّامًا مَّعْدُودَاتٍ ۚ فَمَن كَانَ مِنكُم مَّرِيضًا أَوْ عَلَىٰ سَفَرٍ فَعِدَّةٌ مِّنْ أَيَّامٍ أُخَرَ ۚ وَعَلَى الَّذِينَ يُطِيقُونَهُ فِدْيَةٌ طَعَامُ مِسْكِينٍ ۖ فَمَن تَطَوَّعَ خَيْرًا فَهُوَ خَيْرٌ لَّهُ ۚ وَأَن تَصُومُوا خَيْرٌ لَّكُمْ ۖ إِن كُنتُمْ تَعْلَمُونَ
Mandritra ny andro maromaro voaisa no hanatanterahana ny fifehezana. Koa raha misy aminareo marary na any am-pandehanana lavitra ka tsy nahavita nifehy, dia tsy maintsy manonitra izany amin’ny andro mitovy isa aminy. Fa ho an’ireo izay tsy afaka manatanteraka izany kosa noho ny antony tsy azo anoharana, dia onerany amin’ny fampisakafoanana mahantra iray. Fa izay manao soa mihoatra izany an-tsitra-po, dia fahasoavana ho azy izany; fa ny fifehezana no tsara ho anareo raha mba fantatrareo!
185شَهْرُ رَمَضَانَ الَّذِي أُنزِلَ فِيهِ الْقُرْآنُ هُدًى لِّلنَّاسِ وَبَيِّنَاتٍ مِّنَ الْهُدَىٰ وَالْفُرْقَانِ ۚ فَمَن شَهِدَ مِنكُمُ الشَّهْرَ فَلْيَصُمْهُ ۖ وَمَن كَانَ مَرِيضًا أَوْ عَلَىٰ سَفَرٍ فَعِدَّةٌ مِّنْ أَيَّامٍ أُخَرَ ۗ يُرِيدُ اللَّهُ بِكُمُ الْيُسْرَ وَلَا يُرِيدُ بِكُمُ الْعُسْرَ وَلِتُكْمِلُوا الْعِدَّةَ وَلِتُكَبِّرُوا اللَّهَ عَلَىٰ مَا هَدَاكُمْ وَلَعَلَّكُمْ تَشْكُرُونَ
Ny volana Ramadany no nampidinana ny Kor’any, tari-dàlana ho an’ny olombelona ary ho fanazavana ny ny làla-marina ary fanavahana (lalàna). Ka izay eo an-toerana mandritra ny volana Ramadany, dia aoka izy hifehy, Fa ireo izay marary na koa any am-pandehanana lavitra, dia tsy maintsy manolo izany araka ny isan’ny andro tsy vitany amin’ny andro manaraka. Mikendry fahamorana ho anareo Allah, fa tsy mitady fahasarotana ho anareo velively. Ary aoka ho fenoinareo ny isan’ny andro takiana, ary deraonareo ny halehiben’Allah tamin’ny nanitsiany anareo, mba hahatonga anareo hankasitraka.
Al-BaqarahFizahan-takila Koraña
286Andininy
MedinanRevelation
183Andininy

Fandikana — Al-Baqarah 183

Surah Al-Baqarah Andininy 183 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : O ! Ianareo izay nino, voadidy ho anareo ny fifehezana…

Surah Andininy 183/286 — Al-Baqarah البقرة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Baqarah Henoy, Al-Baqarah Fandikana, Al-Baqarah mp3, Al-Baqarah pdf. Andininy 181–185. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers