Al-Baqarah · 52/286
Fandikana Fanononana — Surah Al-Baqarah
ثُمَّ عَفَوْنَا عَنكُم مِّن بَعْدِ ذَٰلِكَ لَعَلَّكُمْ تَشْكُرُونَ ۝٥٢
Summa `afawnaa `ankum mim ba`di zaalika la`allakum tashkuroon
📖 Dikany Malagasy
Dia namela heloka Anareo indray Izahay taorian'izany, mba hahaizanareo mankasitraka.

🎧 Henoy


📜 Andininy 50-54 — Surah Al-Baqarah

50وَإِذْ فَرَقْنَا بِكُمُ الْبَحْرَ فَأَنجَيْنَاكُمْ وَأَغْرَقْنَا آلَ فِرْعَوْنَ وَأَنتُمْ تَنظُرُونَ
Ary tsarovy, raha novakinay roa noho ianareo ny ranomasina, ka nahafahanareo niampita, ary navotanay araka izany ianareo, fa narendrikay kosa ireo olon’i Faraona, nibaribary teo imasonareo izany rehetra izany.
51وَإِذْ وَاعَدْنَا مُوسَىٰ أَرْبَعِينَ لَيْلَةً ثُمَّ اتَّخَذْتُمُ الْعِجْلَ مِن بَعْدِهِ وَأَنتُمْ ظَالِمُونَ
Ary tsarovy ihany koa raha nanome fotoana an'i Moussa (A.S) nandritra ny efa-polo alina Izahay, tamin’ izany no namoronanareo sariomby (natao sampy hotompoina) nandritra ny fotoana tsy nahateo azy, noho izany dia tonga isan’ny olona mpanao ny tsy rariny ianareo.
52ثُمَّ عَفَوْنَا عَنكُم مِّن بَعْدِ ذَٰلِكَ لَعَلَّكُمْ تَشْكُرُونَ
Dia namela heloka Anareo indray Izahay taorian'izany, mba hahaizanareo mankasitraka.
53وَإِذْ آتَيْنَا مُوسَى الْكِتَابَ وَالْفُرْقَانَ لَعَلَّكُمْ تَهْتَدُونَ
Ary tsarovinareo, raha nampita ilay boky tamin’i Moussa Izahay, sy ilay takelam-panavahana, dia ny mba hizoranareo amin’ny làla-marina.
54وَإِذْ قَالَ مُوسَىٰ لِقَوْمِهِ يَا قَوْمِ إِنَّكُمْ ظَلَمْتُمْ أَنفُسَكُم بِاتِّخَاذِكُمُ الْعِجْلَ فَتُوبُوا إِلَىٰ بَارِئِكُمْ فَاقْتُلُوا أَنفُسَكُمْ ذَٰلِكُمْ خَيْرٌ لَّكُمْ عِندَ بَارِئِكُمْ فَتَابَ عَلَيْكُمْ ۚ إِنَّهُ هُوَ التَّوَّابُ الرَّحِيمُ
Ary tsarovinareo, raha nananatra ny vahoakany i Moussa : “Ry vahoakako! Tena nanao ny tsy rariny teo amin’ny tenanareo tokoa ianareo raha namorona sariomby natao sampy hotompoina. Ka ndeha miverena amin’Ilay Mpahary anareo; ary ataovy sorona ny ainareo, izany no tsara aminareo eo anatrehan’Ilay Mpahary anareo”; ka hahatonga Azy hamela heloka anareo. Hamafisina, fa Izy tokoa no Ilay Mpamela heloka, sy Mpamindra-fo.
Al-BaqarahFizahan-takila Koraña
286Andininy
MedinanRevelation
52Andininy

Fandikana — Al-Baqarah 52

Surah Al-Baqarah Andininy 52 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Dia namela heloka Anareo indray Izahay taorian'izany, mba hahaizanareo mankasitraka.

Surah Andininy 52/286 — Surah Al-Baqarah البقرة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Surah Al-Baqarah Henoy, Surah Al-Baqarah Fandikana, Surah Al-Baqarah mp3, Surah Al-Baqarah pdf. Andininy 50–54. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Monday, September 7, 2026

Don't forget us in your sincere prayers